Levitîka 17 - Malagasy Bible Interconfessionelle

NY FAHAMASINANA TAKINA AMIN’NY ISRAELITAFepetra momba ny ra

1Dia niteny tamin’i Mosesy ny TOMPO

2mba hamepetra an’i Aharôna sy ny zanany ary ny Israelita hoe:

«Izao no zavatra nandidian’ny TOMPO:

3Na iza na iza Israelita mamono omby na ondry na osy, ao anatin’ny toby any ivelan’ny toby,

4dia tsy maintsy mitondra azy ho eo anoloan’ny varavaran’ny Tranolay fihaonana mba hanolorana azy ho fanatitra ho an’ny TOMPO eo anoloan’ny fonena-masin’ny TOMPO. Raha tsy izany no ataony, dia ho meloka ny amin’ny ram-biby nalatsany izy, ka hofongorana tsy ho anisan’ny vahoaka israelita.

5Amin’izay, dia tsy ho eny an-tsaha intsony no hamonoan’ny Israelita ny biby vonoiny; fa an’ny TOMPO ireny biby ireny ka dia hoentin’ny Israelita ho amin’ny mpisorona, eo anoloan’ny varavaran’ny Tranolay fihaonana, mba hatolotra ho sorom-pihavanana amin’ny TOMPO.

6Ilay mpisorona kosa hamafy ny ran’ilay biby eo amin’ilay alitaran’ny TOMPO, eo anoloan’ny varavaran’ny Tranolay fihaonana, ary handoro ny jaborany hanetona ho hanitra ankasitrahina ho an’ny TOMPO.

7Ny sorona fanaon’ny Israelita dia tsy hatolony intsony ho an’ny fanahy ratsy miendrika osilahy, izay nanaovany fanompoan-tsampy. Lalàna raikitra ho azy ireo hatrany hatrany izany.

8«Na iza na iza, Israelita na vahiny valovotaka eo aminy, manolotra biby hatao sorona dorana manontolo na sorona hafa,

9ka tsy mitondra azy eo anoloan’ny varavaran’ny Tranolay fihaonana mba hatolotra ho an’ny TOMPO, dia hofongorana tsy ho anisan’ny vahoaka israelita izy.

10«Na iza na iza, Israelita na vahiny valovotaka eo aminy, mihinana ram-biby, na biby inona na biby inona, dia hohandriniko izany olona izany, ka hofongorako tsy ho anisan’ny vahoaka israelita.

11Fa ny ain’ny zavaboaary mana-nofo manko dia ao amin’ny ra; ary navelako hampiasaina eo amin’ny alitara izany mba hahazoana famelan-keloka ho anareo, satria amin’ny maha aina azy no ampiasana ny ra hahazoana famelan-keloka.

12Koa izany no nilazako tamin’ny Israelita hoe: ‹Aza misy mihinan-dra, na ianareo na ny vahiny valovotaka eo aminareo›.

13«Na iza na iza, Israelita na vahiny valovotaka eo aminy, mihaza ka mahazo biby na vorona fihinana, dia hararany amin’ny tany ny rany ka hototofany vovoka.

14Ny ain’ny zavaboaary rehetra mana-nofo manko dia ny ra izay ao aminy. Koa izany no nilazako tamin’ny Israelita hoe: ‹Aza mihinana ny ran’ny zavaboaary mana-nofo, satria ny rany no ainy; ka izay rehetra mihinana azy dia hofongorana tsy ho anisan’ny vahoaka israelita›.

15«Na iza na iza, Israelita tompontany na vahiny valovotaka, mihinana biby maty ho azy na voaviravira, dia hanasa fitafiana sy handro sady haloto mandra-paharivan’ny andro izy, vao hadio indray.

16Fa raha tsy manasa fitafiana sy mandro izy, dia itambesaran-keloka.»

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help