Nomerỳ 20 - Malagasy Bible Interconfessionelle

Ny ranon’i Meribà(Jereo Eks 17.1-7)

1Tonga tao amin’ny taniefitr’i Tsina ny fiangonan’i Israely iray manontolo tamin’ny volana voalohany; ary nijanona tao Kadesy ny vahoaka. Tao no nahafatesan’i Miriama sady nandevenana azy.

2Rehefa tsy nisy intsony ny rano ho an’ny fiangonana, dia nitangoronany i Mosesy sy i Aharôna

3ka nilany ady i Mosesy ka nataony hoe:

–Raha mba maty tamin’ny nahafatesan’ny mpiray firenena aminay teo anatrehan’ny TOMPO manko izahay!

4Fa nahoana no nentinareo atỳ an-taniefitra izahay fiangonan’ny TOMPO? Mba hahafaty anay sy ny biby fiompinay atỳ ve?

5Nahoana no nampialanareo tany Ejipta izahay ka nentinareo atỳ amin’ny tany ratsy atỳ, izay tsy azo amafazana akory sady tsy misy aviavy na voaloboka na ampongabendanitra na rano hosotroina akory?

6Navelan’i Mosesy sy i Aharôna teo ny Israelita fa lasa izy roa lahy nankeo am-baravaran’ny Tranolay fihaonana ka niankohoka tamin’ny tany; ary niseho taminy ny voninahitry ny TOMPO.

7Dia hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy:

8–Raiso ny tehinao, ka vorionao sy i Aharôna rahalahinao ny Israelita. Eo imason’izy ireo no hitenenanareo amin’ny vatolampy, dia hanome rano izy. Eny, hampiboiboika rano ho azy ireo avy amin’io vato io ianao, ka hampisotro ny Israelita sy ny biby fiompiny!

9Dia nalain’i Mosesy tao amin’ny Fonena-masin’ny TOMPO araka ny baiko azony ny tehiny.

10Novorin’izy sy i Aharôna teo anoloan’ny vatolampy ny fiangonana ka noteneniny hoe:

–Henoinareo, ry mpiodina: Moa afaka hamoaka rano ho anareo avy amin’ity vato ity va izahay?

11Ningain’i Mosesy ny tanany ka nokapohiny indroa tamin’ny tehiny ny vatolampy; dia niboiboika be ny rano ka samy nisotro avokoa ny olon-drehetra mbamin’ny biby fiompiny.

12Fa niteny tamin’i Mosesy sy i Aharôna ny TOMPO ka nanao hoe:

–Satria tsy nino Ahy ianareo ka tsy naneho ny fahamasinako teo anatrehan’ny Israelita, dia tsy hitondra ity fiangonana ity ho any amin’ny tany izay omeko azy ianareo.

13Eto no misy ny ranon’i Meribà satria nila ady tamin’ny TOMPO teto ny Israelita ka nanehoany ny fahamasinany.

Tsy mamela ny Israelita handeha ny mpanjakan’i Edôma

14Naniraka olona avy tao Kadesy hankany amin’ny mpanjakan’i Edôma i Mosesy hilaza aminy hoe:

–Izao no lazain’ny israelita rahalahinao. Fantatrao ny fahoriana rehetra nahazo anay.

15Nidina tany Ejipta ireo razanay ary nipetraka ela tany izahay, nefa dia nampahory anay sy ny razanay ny Ejiptianina.

16Nitaraina tamin’ny TOMPO izahay, dia nihaino ny feonay Izy ka naniraka anjely hamoaka anay avy tany Ejipta. Ary indreto izahay ankehitriny eto Kadesy, tanàna ao amin’ny faritry ny taninao.

17Koa mba avelao re izahay handeha hamaky eo amin’ny taninao. Tsy hamaky any amin’ny saha na ny tanimboaloboka izahay, ary tsy hisotro amin’ny ranom-pantsakana; fa iny arabe migodana iny ihany no hizoranay ka tsy hivilivily hiankavia na hiankavanana izahay mandra-pahafakay ny faritry ny taninao.

18Fa hoy ny mpanjakan’i Edôma namaly azy:

–Tsy mahazo mandalo ny taniko ianareo; fa raha tsy izany, dia ady no hitsenako anareo.

19Dia hoy ny Israelita taminy:

–Ny lalambe ihany no hiakaranay; koa raha hisotro amin’ny ranonao izahay sy ny biby fiompinay, dia haloanay aminao ny vidin’izany. Tokana ny zavatra angatahinay, dia ny handalo eo fotsiny ihany.

20Fa novalian’ny mpanjakan’i Edôma hoe:

–Tsy mahazo mandalo eo ianareo.

Dia nivoaka nitsena azy niaraka tamin’ny vahoaka marobe nirongo fiadiana ny Edômita.

21Toy izany no tsy namelan’i Edômita ny Israelita handalo eo amin’ny taniny; koa dia lalan-kafa no nizorany.

Ny nahafatesan’i Aharôna

22Dia niala tao Kadesy ny fiangonan’i Israely iray manontolo ka tonga tao amin’ny tendrombohitra Hôra,

23amin’ny sisin-tanin’i Edôma. Tao ny TOMPO no niteny tamin’i Mosesy sy i Aharôna ka nanao hoe:

24–Efa hampodina any amin’ny razany i Aharôna, fa tsy hiditra any amin’ny tany izay nomeko ny Israelita satria tsy nankatò ny teniko teo amin’ny ranon’i Meribà ianareo.

25Koa ento, ry Mosesy, i Aharôna sy i Elehazara zanany hiakatra eo an-tendrombohitra Hôra.

26Dia esory ny akanjo fisoronan’i Aharôna ka ampanaovy an’i Elehazara zanany. Hody any amin’ny razany i Aharôna ary eo no hahafatesany.

27Dia nanao araka izay nandidian’ny TOMPO azy i Mosesy, ary teo imason’ny fiangonana iray manontolo no niakaran’izy telo mianaka ny tendrombohitra Hôra.

28Nesorin’i Mosesy ny akanjo fisoronana teny amin’i Aharôna ka nampanaovina an’i Elehazara zanany; ary maty teo an-tampon’ny tendrombohitra i Aharôna. Avy eo i Mosesy sy i Elehazara dia nidina ny tendrombohitra.

29Rehefa tsinjon’ny fiangonana manontolo fa maty i Aharôna, dia nisaona azy nandritra ny telopolo andro ny taranak’i Israely rehetra.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help