1 Tantara 7 - Malagasy Bible Interconfessionelle

Ireo taranak’i Jisakara

1Efatra ny zanakalahin’i Jisakara: dia i Tôlà sy i Povà ary i Jasoba sy i Simrôna.

2Ny zanakalahin’i Tôlà dia i Hozỳ sy i Refaià, i Jeriela sy i Jahimay ary i Jibsama sy i Samoela izay samy lohan’ireo fianakaviana nipoitra avy tamin’i Tôlà sady samy lehilahy mahery teo anatrehan’ny taranany. Tamin’ny andron’i Davida, dia 22 600 no isan’ny terak’i Tôlà.

3Ny zanakalahin’i Hozỳ dia i Jizrahià; ny zanakalahin’i Jizrahià dia i Mikaela sy i Hôbadià ary i Joela sy i Jisià: izy dimy mianaka ireto dia samy loham-pianakaviana avokoa;

4maro vady aman-janaka ny taranany, isam-pianakaviany, ka lehilahy mahery zatra miantafika 36 000 no nananany.

5Ireo havany, ho an’ny fianakaviana sisa rehetra avy amin’ny fokon’i Jisakara, dia miisa 87 000 izy rehetra no lehilahy mahery.

Ny taranak’i Benjamîna sy i Dana ary i Naftalỳ

6Telo ny zanakalahin’i Benjamîna: dia i Bela sy i Bekera ary i Jedihaela.

7Dimy ny zanakalahin’i Bela: dia i Etsebôna sy i Hozỳ mbamin’i Hoziela sy i Jerimôta ary i Hirỳ; samy lohan’ny fianakaviany avy izy dimy ireto, samy lehilahy mahery, ary dia 22 034 no isan’ny taranany.

8Ny zanakalahin’i Bekera dia i Zemirà sy i Jôhasa, i Elihezera sy i Eliôhenay, i Hômrỳ sy i Jeremôta mbamin’i Abià sy i Hanatôta ary i Halmeta:

9zanakalahin’i Bekera ireo rehetra ireo, samy lohan’ny fianakaviany avy, samy lehilahy mahery, ary dia 20 200 no isan’ny taranany.

10Ny zanakalahin’i Jedihaela dia i Bilehàna; ary ny zanakalahin’i Bilehàna dia i Jehisa sy i Benjamîna, i Ehôda sy i Kenahanà mbamin’i Zetàna sy i Tarsisy ary i Ahisahara.

11Ireo taranak’i Jedihaela rehetra ireo dia samy lohan’ny fianakaviany avy, ka 17 200 tao amin’ireo fianakaviana ireo no isan’ny lehilahy mahery zatra miantafika;

12...sy i Sofama ary i Hofama.

Ny zanakalahin’i Dana dia i Hosîma, izay zanany lahitokana.

13Ny zanakalahin’i Naftalỳ dia i Jahasiela sy i Gonỳ ary i Jetsera sy i Saloma: samy zafin’i Bilehà ireo.

Ny taranak’i Manase, tatỳ andrefan’i Jôrdàna

14Ny zanakalahin’i Manase dia i Asriela sy i Makira; ilay vehivavy sirianina, vadikelin’i Manase, no niteraka azy roa lahy. I Makira no rain’i Gilehada.

15Naka vady ho an’i Hopima sy ho an’i Sopima i Makira. Ny anaran’ny vadin’i Makira dia i Mahekà, ary ny anaran’ny lahiaivony dia i Tselôfahada izay tsy nanana afa-tsy zanakavavy.

16I Mahekà, vadin’i Makira, dia mbola niteraka zazalahy anankiray ka i Peresa no anarana niantsoan-dreniny azy; i Seresa no anaran’ny rahalahin’i Peresa; ny zanak’i Seresa roa lahy dia i Olana sy i Rekema;

17ary ny zanakalahin’i Olama dia i Bedàna. Ireo no taranak’i Gilehada zanakalahin’i Makira sy zafin’i Manase.

18I Môleketa, anabavin’i Gilehada, dia niteraka an’i Isehôda sy i Abihezera ary i Mahalà.

19Ny zanakalahin’i Semidà kosa dia i Ahiàna sy i Sekema ary i Likehỳ sy i Anihama.

Ny taranak’i Efraîma

20Ny zanakalahin’i Efraîma dia i Sotela sy i Hezera ary i Elehada. (I Bereda no zanakalahin’i Sotela, i Tahàna zanakalahin’i Bereda, i Elehadà zanakalahin’i Tahàna, i Tahata zanakalahin’i Elehadà,

21i Zabada zanakalahin’i Tahata, i Sotela zanakalahin’i Zabada). I Hezera sy i Elehada dia novonoin’ireo lehilahy tompon-tany tao Gata ho faty, satria nidina hangalatra ny biby fiompiny.

22Nisaona azy mirahalahy ela i Efraîma rainy, ary tonga ireo havany hampionona azy.

23Niray tamin’ny vadiny indray i Efraîma, dia nanana anaka ravehivavy ka nitera-dahy; ary nataon-drainy hoe Berihà ny anaran’ny zaza, satria nitoetra tao an-trano hatrany ity reniny noho ny fahoriana nidona.

24Ny zanakavavin’i Efraîma dia i Seerà, izay nanorina an’i Bety-Hôrôna ambany sy i Bety-Hôrôna ambony ary i Ozena-Seerà.

25I Refa no zanakalahin’i Berihà, i Resefa zanakalahin’i Refa, i Telà zanakalahin’i Resefa, i Tahàna zanakalahin’i Telà,

26i Lahadàna zanakalahin’i Tahàna, i Hamihoda zanakalahin’i Lahadàna, i Elisamà zanakalahin’i Hamihoda,

27i Nona zanakalahin’i Elisamà, i Josoa zanakalahin’i Nona.

28Ny anjara tany amam-ponenan’ny taranak’i Efraîma dia ireto avy: i Betela mbamin’ireo tanàna kely miankina aminy; i Naharà, teo atsinanana; i Gezera mbamin’ireo tanàna kely miankina aminy, tao andrefana; i Sekema mbamin’ireo tanàna kely miankina aminy, hatrany Haià mbamin’ireo tanàna kely miankina aminy.

29Teo am-pelatanan’ny taranak’i Manase kosa i Bety-Seàna sy i Tahanàka ary i Megidao sy i Dôra, mbamin’ireo tanàna kely samy miankina aminy avy.

Tamin’ireo tanàna ireo no nonenan’ny taranak’i Jôsefa, zanakalahin’i Jakôba.

Ny taranak’i Asera

30Ny zanakalahin’i Asera dia ry i Jimnà sy i Jisvà ary i Jisvỳ sy i Berihà; (i Sera no anabavin’ireo).

31Ny zanakalahin’i Berihà dia i Hebera sy i Malkiela: (ity Malkiela ity no mpanorina an’i Birzaîta).

32I Hebera niteraka an-dry i Jafleta sy i Semera ary i Hôtama mirahalahy mbamin’i Sohà anabavin’ireo.

33Ny zanakalahin’i Jafleta dia i Pasako sy i Bimehala ary i Hasvata: ireo no zanakalahin’i Jafleta.

34Ny zanakalahin’i Semera, rahalahin’i Jafleta, dia i Ahỳ sy i Rôhagà ary i Hobà sy i Arama.

35Ny zanakalahin’i Hôtama, rahalahin’i Semera, dia i Tsôfa sy i Jimnà ary i Selesa sy i Hamala.

36Ny zanakalahin’i Tsôfa dia i Soha sy, i Harnefera, i Sohaly sy i Berỳ, i Jimrà

37sy i Betsera, i Hôda sy i Samà mbamin’i Silsà sy i Jitràna ary i Beerà.

38Ny zanakalahin’i Jitràna dia i Jefonè sy i Pispà ary i Erà.

39Ny zanakalahin’i Holà dia i Ara sy i Haniela ary i Ritsià.

40Taranak’i Asera avokoa ireo: samy loham-pianakaviany avy, samy olomanga, samy lehilahy mahery, samy mpitondra mamiratra; ary dia 26 000 teo amin’ny taranak’i Asera no isan’ny miaramila mpiantafika.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help