Hôsea 2 - Malagasy Bible Interconfessionelle

Ilay andro lehiben’i Jizrehèla

1Kanefa, indray andro any,

ny isan’ny Israelita

dia ho marobe tsy tambo isaina

toy ny fasika amin’ny ranomasina.

Ary eo amin’ny toerana

izay nilazana taminy hoe:

«Tsy vahoakako ianareo»,

no hanambaràna aminy kosa hoe:

«Zanak’ilay Andriamanitra velona».

2Dia hiray hina ny taranak’i Joda

sy ny taranak’i Israely

ka hifidy filoha tokana

ary hanenika ny taniny:

fa ho lehibe ny andron’i Jizrehèla.

3Ny mpiray firenena aminareo

raha lehilahy, dia ilazao hoe: «Hamỳ»

ary raha vehivavy, dia ilazao hoe: «Rôhamà».

I Israely, vady tsy mahatoky

4Miampangà an’i Israely reninareo;

eny, miampangà azy, hoy Izaho TOMPO,

fa izy tsy vadiko intsony

ary Izaho tsy vadiny intsony.

Aoka hoesoriny hiala amin’ny tavany

ny mariky ny fivarotan-tenany

ary hoesoriny tsy ho eo an-tratrany

ny famantaram-panitsakitsaham-bady!

5Fandrao hampitanjahiko izy

ka hampihanjahanjaiko

toy ny tamin’ny andro nahaterahany.

Hovako toy ny taniefitra

sy toy ny tany karankaina izy,

ary hataoko matin-ketaheta.

6Tsy ho tia ireo zanany Aho

satria zanaky ny fivarotan-tena ireny.

7Eny, efa nivaro-tena ny reniny;

ilay torontoronina azy ireo

efa lany henatra rehefa nanao hoe:

«Hanaraka ireo lehilahy sakaizako aho,

dia ny mpanome mofo sy rano ahy

ary koa volon’ondry sy kiran-drongony

mbamin’ny menaka sy zava-pisotro.»

8Noho izany, Izaho TOMPO

hamefy tsilo ny lalany

ka hanampina izany;

ary tsy hahita izay halehany izy.

9Na dia hiezaka hanenjika

ireo lehilahy sakaizany aza izy,

dia tsy hahatratra azy akory;

hitady ireo izy nefa tsy hahita,

ka hiteny anakampo hoe:

«Ndeha hody amin’ny vadiko voalohany aho,

fa niadana kokoa aho tamin’izay

noho ny ankehitriny.»

10Saingy tsy fantany fa Izaho no nanome azy

vary sy divay ary menaka vao

sady nampanankarena azy

volafotsy sy volamena

izay nampiasainy ho an’i Bahala.

11Koa halaiko aminy indray

ny variko raha fararano,

ary ny divaiko amin’ny fotoam-piotazana.

Hoesoriko aminy ny volon’ondriko

sy ny kiran-drongoniko

izay nanaronany ny fitanjahany.

12Ankehitriny no hampitanjahako azy

eo imason’ireo lehilahy sakaizany,

ka tsy hisy hahafaka azy

amin’izany famaizako izany.

13Hatsahatro ny fifaliany rehetra,

dia ireo fety fanaony isan-taona,

ireo voaloham-bolany sy ireo sabatany

ary ireo fety hafa fankalàzany.

14Hosimbako ny voalobony sy ny aviaviny

izay nataony hoe: «Izany no karama

nomen’ny lehilahy sakaizako ahy.»

Hovako ho kirihitr’ala ireny

ka hataon’ny bibidia sakafo.

15Hofaiziko izy noho ireo andro

nandoroany vovo-javamanitra mifangaro

ho an’ireo Bahala isan-karazany:

niravaka peratra sy firavaka izy,

ka nanaraka ireo lehilahy sakaizany;

fa Izaho TOMPO kosa nohadinoiny,

hoy ny teny hentitra ambarako.

16Koa Izaho no hitaona azy indray

sy hitondra azy ho any an-taniefitra

ary hanao teny manohina ny fony.

17Avy any no hamerenako aminy

ny tanimboalobony;

ary ho tonga varavaram-panantenana

ny lohasahan’i Hakôra.

Any no hamaliany Ahy an-kira

toy ny tamin’ny androm-pahatanorany,

dia tamin’ny andro niakarany

niala avy tany Ejipta.

Ny andro ifampihavanana

18Rehefa mby amin’izany andro izany,

hoy ny teny hentitry ny TOMPO,

ilay Israely reninareo

dia hiantso Ahy hoe «vadiko»

fa tsy hoe «Bahalako na tompoko» intsony.

19Tsy havelako hotononiny

ny anaran’ireo Bahala

ka tsy hotsaroana mbamin’ny anarany.

20Koa amin’izany andro izany,

dia hanao fanekempihavanana

ho an’ny vahoakako Aho,

dia amin’ny biby eny an-tsaha,

amin’ny voromanidina, amin’ny biby mandady;

hofoanako tsy hisy amin’ny tany intsony

ny tsipîka sy ny sabatra ary ny ady,

ka dia hataoko mandry feizay ny mponiny.

21Hofofoiko ho vadiko mandrakizay ianao, ry Israely;

hofofoiko ho vadiko amin’ny rariny sy ny hitsiny,

ary amin’ny fitiavana sy ny indrafo.

22Hofofoiko ho vadiko amin’ny fahamarinana ianao

ka hiaiky Ahy ho TOMPO.

23Rehefa mby amin’izany andro izany,

dia ho TOMPO hamaly izay ilaina Aho,

hoy ny teny hentitra ambarako:

Izaho no hamaly izay ilain’ny lanitra;

ny lanitra hamaly izay ilain’ny tany,

24ny tany hamaly izay ilain’ny vary

aman-divay sy menaka vao;

ary ireo kosa hamaly an’i Jizrehèla.

25Eo amin’io tany io i Jizrehèla,

no hataoko miorim-ponenana;

ho tiako i Lô-Rohamà

ary i Lô-Hamỳ hitenenako hoe:

«Vahoakako ianao»;

ary izy kosa hamaly Ahy hoe:

«Andriamanitro Ianao».

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help