Salamo 120 - Malagasy Bible Interconfessionelle

SALAMO Vavak’olona nampangaina lainga

1 Hira fiakarana.

Fony aho tao an-katerena,

dia nantsoiko ny TOMPO ka namaly.

2«TOMPO ô, mba afaho re aho

amin’ny mpilaza lainga sy fitaka!»

3Inona sy inona moa, ry mpilaza fitaka,

no sazy hampiharin’Andriamanitra aminareo?

4Ireo zana-tsipîka maranitra fitondra miady,

sady voarehitra tamin’ny vainafon’anjavidy!

5Dirandoza aho fa vahinin’olon-dia,

niantrano tany amin’ny baribarianina!

6Ela loatra no niarahako niaina

tamin’olona tsy tia fiadanana.

7Vao itenenako fiadanana izy,

dia mila ady amiko foana.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help