Isaià 3 - Malagasy Bible Interconfessionelle

Fanjakàn’i Baroa ny ao Joda

1Fa indro ny Tompo ANDRIAMANITR’izao rehetra izao

manaisotra amin’i Jerosalema sy amin’i Joda

ny andry aman-tohana isan-karazany iankinany:

dia ny mofo sy ny rano izay tohan’aina,

2ny miaramila voafantina sy ny miaramila tsotra,

ny mpitsara sy ny mpaminany,

ny mpimasy mbamin’ny loholona,

3ny manamboninahitra sy ny olo-manan-kaja,

ny mpanolotsaina mbamin’ny manampahaizana,

ary ireo havanana amin’ny fanaovana vorika.

4Ka hoy ny Tompo hoe:

«Ankizy no hotendreko ho lehibeny

ka hitondra azy araka ny haitraitrany.»

5Dia hifanjevo izy samy mpiray firenena;

hifampisompatra ny olona ka hifamely,

ny tanora hirehareha amin’ny antitra,

ary ny olon-tsotra hanohitra ny olo-manan-kaja.

6Hisy lehilahy hisambotra ny rahalahiny

izay iray tarika aminy ihany ka hiangavy azy hoe:

«Ianao no manam-pitafiana, koa aoka ho mpifehy anay;

raiso ny andraikitrao amin’izao fahavoazana izao.»

7Fa hamaly izy amin’izay andro izay hoe:

«Tsy afaka hanao na inona na inona ho anareo aho,

tsy misy mofo na fitafiana ao an-tranoko,

koa aza ataonareo mpifehy vahoaka aho.»

8Eny, lavo i Jerosalema ary potraka i Joda;

ka na ny tenin’ny olona na ny asany

dia samy manohitra ny TOMPO

sy mihantsy ny voninahiny eo imaso.

9Ny endrika asehony dia efa miampanga azy;

manota an-karihary toy ny mponin’i Sôdôma izy

fa tsy mba miafinafina intsony.

Indrisy! Anomanany loza ho an’ny tenany izany.

10Sambatra ny olo-marina fa hahita soa izy,

ka ny vokatry ny asany no hohaniny.

11Lozan’ny ratsy fanahy kosa

fa hiharam-pahavoazana izy,

satria araka izay nataony ihany

no zavatra hafitsoka aminy!

12Ry vahoakako ô, hoy ny Tompo,

olona mpanjakazaka anao no mampahory anao

ary olona tsy miraharaha anao no manapaka anao;

ry vahoakako ô, ireo mpitondra anao no nampivily anao

ka làlan-tsiizy no nitondrany anao.

Fitsarana ireo mpitondra

13Vonona hifandahatra ny TOMPO,

ka mipetraka hitsara ny vahoakany.

14Hampandaloviny fitsarana

ireo loholona sy lehiben’ny vahoakany:

«Ianareo no nanimba ny voaloboka;

ary izay nalainareo tamin’ny mahantra

no namenoanareo ny tranonareo.

15Ahoana moa no ahazoanareo mampahory ny vahoakako

sy manosihosy ny fahamendrehan’ny mahantra?

Izany no teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIAMANITR’izao rehetra izao.»

Be renty ireo andriambavilanitr’i Jerosalema

16Hoy koa ny TOMPO hoe:

«Miandranandrana erỳ ny andriambavilanitr’i Tsiôna,

mianjonanjona aoka izany rehefa mamindra,

mianjola fijery sady mitsingintsingim-pandeha,

mampikorintsana ny haba amin’ny hato-tongony.»

17Noho izany, dia hataon’ny TOMPO voaharatra

ny tampon-dohan’ireo andriambavilanitra ireo

sady hataony mangadihady ny handriny.

18Amin’izany andro izany, dia hoesorin’ny Tompo ny haingo rehetra fampiasan’ny andriambavilanitr’i Tsiôna, izany hoe: ny haban-tongotra sy ny fehiloha ary ny firavaka misarim-bolan-tsinana;

19ny kavina jejo sy ny rojo ary ny voaly;

20ny satroka diadema sy ny rojo miolanolana, ny fehikibo mirandrana sy ny vakana fanefitra ary ny firavaka mampanambina;

21ny peratra sy ny kavin’orona;

22ny akanjo fitondra mianjaika sy ny akanjo misy saron-doha ary koa ny fehitenda sy ny pôketra;

23ny fitaratra sy ny akanjo somizo manify ary ny samboady sy ny lamba fisalobonana.

24Ny fofona manitra hosoloana fofo-maimbo,

ny fehikibo marevaka hosoloana tady tsotra,

ny randrana tsara voatra hosoloana loha sola.

ny fitafiana mihaja hosoloana lamba fisaonana.

Eny, ny bika soa hosoloana tomboka vy mahamenatra.

Ny vehivavy mpitondratena ao Jerosalema

25Ry Jerosalema ô,

ho fatin-tsabatra ny lehilahy ao aminao,

ary ho faty an’ady ny miaramilanao.

26Koa hitomany sy hitoloko ny iray tanàna,

ho toy ny vehivavy very fananana

mitorevaka amin’ny tany.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help