Taratasin'i Jeremià Sava Lalana - Malagasy Bible Interconfessionelle
Sava Lalana –Ity lahatsoratra fohy ity izay napetraka ho tambiny amin’ny bokin’i Baròka, ka tokony ho ny toko faha-6, dia miseho toy ny taratasy iray nalefan’i Jeremià mpaminany tamin’ireo efa hiainga hankany am-pahababoana. Kanefa ny filazana azy ho an’i Jeremià dia mifandraika amin’ny fiheverana fa ny boky atao hoe Baròka dia an’ilay mpitantsoratry ny mpaminany tamin’ny taonjato faha-VI tal. J.K.. Ny taratasy anefa dia vinavinaina ho tamin’ny taonjato faha-II tal. J.K.. Ary ny nandefasana azy kosa dia mety ho vondrona jiosy sasany tany Siria izay nalaim-panahy hilefitra tamin’ny fanerena ara-pivavahana nampiharin’ireo mpanjaka Seleosida. (Jereo Sava lalana momba ny boky Makabeo). Ny taratasy manontolo dia famelezana tsy mihambahamba ireo andriamani-tsiizy sy ny sampy ka mamerina ireo fivoaboasana efa hita sahady momba izany lohahevitra izany ao amin’i Isaià na i Jeremià. Masiaka mihitsy ny fanarabiana ataony. Ity no tahadikan’ny taratasy iray nosoratan’i Jeremià mpaminany. Nalefany ho an’ireo olon’i Joda efa hoentina ho babo avy tao Jerosalema ho any Babilôna araka ny baikon’ny mpanjakan’i Babilôna izy ity. Izay nasain’Andriamanitra hambaran’i Jeremià no kendren’ilay mpaminany holazalazaina amin’ireo Jodeanina ireo.