1Izao àry aoka isika hanao fiderana ny olo-malaza,
dia ireo razambentsika araka ny fifandimbiasany.
2Ny Tompo efa nanome azy voninahitra lehibe;
izy ireo no olona manan-daza indrindra,
hatrany amin’ny fahagolan-tany taloha any.
Ny olona manan-daza fahiny3Tao ny mpanjaka nanapaka teo amin’ny fanjakany,
sy ny olona nalaza tamin’ny hery nananany,
ary ny mpanolotsaina nikoizana tamin’ny fahiratan-tsainy
sy ny mpahita fanta-pirenena tamin’ny faminaniany.
4Tao ny mpitarika vahoaka noho ny fahamalinany
sy ny andriana nanam-pahaizana lalina tokoa,
ary ny olon-kendry nanao an-tsoratra ny fandinihany
sy ny mpanabe mpitandro ny fahalalana.
5Tao ny mpamorona hira nasiany feo mahafinaritra
sy ny mpanoratra tantara vita tononkalo,
6ary ny mpanankarena nombàm-pahefana
sady niadam-pinaritra tao an-tranony.
7Izy rehetra ireo dia nohajain’ny mpiara-belona taminy
ary samy reharehan’ny vaninandro niainany.
8Ny sasany tamin’izy ireo no namela anarana,
hany ka mbola visavisaina ny fiderana azy.
9Ny sasany kosa tsy misy ahatsiarovana azy intsony;
fa nony maty izy, dia nanjavona toy ny tsy nisy akory;
niaina izy, kanefa nanjary toy ny tsy nateraka akory;
ary toy izany koa ny zanany nanaraka azy.
Ny razamben’ny Israelita10Ireo razambentsika kosa dia olona tia vavaka,
hany ka tsy hadino ny hatsaram-panahiny.
11Raikitra ho anjaran’ny taranany ny zava-tsoany;
izany no lova nampitainy ho an’ireo zanany.
12Maharitra tsy mivadika amin’ny fanekempihavanana
ireo taranaka amam-parany noho ny amin’izy ireo.
13Koa haharitra mandrakizay ny taranany
ary tsy ho levona na oviana na oviana ny voninahiny.
14Milevina am-piadanana ny fatin’ireo razambentsika;
fa ny anarany kosa velona amin’ny taranaka mifandimby.
15Ny vahoaka hamisavisa ny fahendreny
ary ny fiangonana hanambara ny fiderana azy.
I Henôka16I Henôka dia sitraky ny Tompo
ary nafindrany ho eo akaikiny;
ka ohatra amin’ny fitodihana amin’ny Tompo izy
ho an’ny taranaka mifandimby.
I Nôà17I Nôà dia hitan’Andriamanitra
manana toetra lavorary sady marina.
Rehefa nihatra ny fahatezeran’Andriamanitra,
dia izy no nanjary solon’ny olombelona fahagola;
koa izy no anton’ny namelana
ireo olona sisa velona teto an-tany
tamin’ny nahatongavan’ny safodrano.
18Dia nisy fanekempihavanana mandrakizay
nataon’Andriamanitra tamin’i Nôà
mba tsy handringanana ny miaina rehetra
amin’ny safodrano toy izany intsony.
I Abrahama19I Abrahama dia razambe malaza ho an’ny firenena maro,
ary tsy nisy hita ho tahaka azy amin’ny voninahitra.
20Nitandrina ny lalànan’ilay Avo Indrindra izy
sady nanaovany fanekempihavanana;
ka tamin’ny famorana ny nofon’i Abrahama mihitsy
no nanamafisany an’izany fanekempihavanana izany.
Ary tamin’ny fizahàn’Andriamanitra toetra azy
dia hitany ho mahatoky tokoa izy.
21Noho izany, dia tamim-pianianana mihitsy
no nanomezan’Andriamanitra toky azy
fa ny taranany no hitahiana ireo firenena;
nomeny toky fa hohamaroiny toy ny vovoky ny tany izy
ary hasandrany ho avo toy ny kintana ny taranany
ka handray ho fananany ny tany anankiray,
manomboka amin’ny Ranomasina Maty
ka hatrany amin’ny Ranomasina Mediteranea
ary manomboka amin’ny ony Eofrata
ka hatrany amin’ny faran’ny tany.
I Itsehàka sy i Jakôba22-23aI Itsehàka koa, noho ny amin’i Abrahama rainy,
dia nomen’Andriamanitra toky toy izany.
Avy eo dia nankininy tamin’i Jakôba
ny fanekempihavanana sy ny fitahiana ny olona rehetra;
dia nohamafisiny tamin’ny tsodranony izy
sady nomeny ny tany ho fananany;
ary notsinjarainy ho an-tokony izany
ka tamin’ny foko 12 no nizarany azy.
I Mosesy(Jereo Deot 34.10-12)23bNapoitran’ny Tompo avy amin’ny taranak’i Jakôba
ity lehilahy anankiray tia vavaka, dia i Mosesy
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.