1Aza mba saro-piaro ny amin’ny vady lalainao,
fandrao hianatra ny ho ratsy fihetsika aminao izy.
2Aza dia mitolo-tena amina vehivavy,
ka ny fahefànao no hohitsakitsahiny.
3Aza minia hihaona amina vehivavy janga ianao,
fandrao ho tafalatsaka amin’ny famandrihany.
4Aza mijanona ela miaraka amina vehivavy mpitendry valiha,
fandrao ho voafandriny amin’ny fahaizany manodoka ianao.
5Aza liam-pijery tovovavy ianao,
fandrao hiharan-tsazy noho ny aminy.
6Aza mitolo-tena amina vehivavy janga ianao,
fandrao hahavery ny fanananao izany.
7Aza mijerijery etsy sy eroa eny an-dalamben’ny tanàna,
ary aza isodisodiana ny toerana mangingina ao aminy.
8Avilio ny masonao tsy hifantoka amina vehivavy bikana,
ary aza liam-pijery ny hatsaran-tarehim-behivavy hafa;
maro ny lehilahy efa voasodokan’ny hatsaran-tarehim-behivavy
fa hoatra ny afo mampirehitra ny fitiavany azy izany.
9Aza mipetraka na oviana na oviana
miaraka amina vehivavy vadin’olona;
ary aza manao fihinanam-be
sy misotro divay miaraka aminy,
fandrao ny fonao hirom-pitia mankany aminy
ka ho voatariky ny filàndratsinao ho very ianao.
Fomba fifandraisana aman’olona10Aza mahafoy ny sakaiza tranainy
fa tsy mahaleo azy ny vaovao;
ny sakaiza vaovao dia toy ny divay vaovao:
hosotroinao an-kafaliana izy rehefa miha-antitra.
11Aza mitsiriritra ny voninahitry ny mpanota,
fa tsy fantatrao akory izay ho faharavàny.
12Aoka tsy hankatoavinao ny fahombiazan’ny tsy mpivavaka;
tsarovy fa tsy ho afa-maina izy,
hatrany amin’ny toeran’ny maty.
13Mitoera lavitry ny olona manam-pahefana hamono,
dia tsy hanan-tahotra ny fahafatesana ianao;
ary raha manatona azy ianao,
dia aoka tsy hanao hadisoana,
fandrao dia halàny ny ainao!
Fantaro fa mandeha eo afovoam-pandrika ianao
ary mora asiana toy ny mitety ny mandan’ny tanàna.
14Tombano araka izay azo atao ny namanao,
ka makà torohevitra amin’ny olon-kendry.
15Mifanakaloza hevitra amin’ny mahira-tsaina,
ary aoka ny lalànan’Ilay Avo Indrindra
no hiompanan’ny resakao rehetra!
16Aoka ny olo-marina no hiara-misakafo aminao;
ary ny fanajana an’Andriamanitra ho ataovy reharehanao!
17Ny asan’ny mpahay taozavatra
no hiderana ny hakingàny;
àry ny lahatenin’ny mpitondra vahoaka
no hilazana azy ho hendry.
18Ny olona mitsaontsaom-bava
dia atahorana eo an-tanànany;
ary ny olona be resaka loatra koa
dia hiharan’ny fankahalana.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.