Tononkiran'i Salômôna 1 - Malagasy Bible Interconfessionelle

1Ny tononkira tsara indrindra amin’ny tononkira rehetra. Ao amin’ny rakitsoratr’i Salômôna.

Ralehilahy sy ravehivavy: Ny tafan’ny mpifankatia (Ravehivavy)

2Hanoroka mafy ahy tokoa anie ianao!

Fa ny safosafonao dia fy

mihoatra noho ny divay

3ary koa mamerovero

mihoatra noho ireo ilomanitrao.

Ianao dia mahasintona

mihoatra noho ny ilomanitra voafantina;

koa izany no itiavan’ireo zatovovavy anao.

4Ento aho hanaraka anao,

ary aoka isika hihazakazaka.

Dia ianao mpanjakako

no hampiditra ahy an’efitranonao.

Aoka isika, noho ny aminao,

hiara-tsambatra sy hiara-paly;

dia hankamamiantsika anie ny safosafonao

izay fy mihoatra noho ny divay.

Marina ny itiavan’ireo zatovovavy anao!

5Ry tovovavin’i Jerosalema ô,

zarazara hoditra aho nefa bikana;

ny tarehiko dia mivalomainty

toy ny lain’ireo mpifindrafindra lasy,

nefa meva toy ny temitr’i Salômôna.

6Aoka re aho mba tsy hojerenareo

araka ny mahazarazara hoditra ahy,

satria nodanihin’ny hainandro aho!

Tezitra tamiko ireo anadahiko

ka nanery ahy hiambina ny tanimboalobony;

nefa ny tanimboaloboko,

dia ny an’ny tenako manokana,

tsy mba nambenako akory!

7Ambarao ahy, ry ilay tiako,

izay iandrasanao ny ondrinao

sy izay ampialanao sasatra azy

rehefa mitataovovonana

mba tsy hivezivezeko hitady anao

eny amin’ny andiam-bibin’ireo namanao.

(Ny mpiandry* ondry)

8Raha tsy fantatrao izany,

ry vehivavy tsara tarehy indrindra,

dia araho ny dian’ondry;

ka tariho ny zanak’osinao

hanakaiky ny lain’ireo mpiandry ondry.

(Ralehilahy)

9Amiko ianao, rahavako, dia meva

tahaka ny soavaly mpanao matso

izay mitarika ny kalesin’ny Farao.

10Mahatsara ny takolakao

ireo kavina eo an-daniny avy;

ary manendrika ny tenanao

ny rado iambozonanao.

(Ny mpiandry ondry)

11Rojo volamena voaravaka volafotsy

no hampanaovinay ho anao.

(Ravehivavy)

12Fony mbola eo amin’ny fanasàny

no mipetraka ity mpanjakako,

dia mamerovero aoka izany

ny ilomanitro natao tamin’ny narda.

13Ny malalako amiko dia mamerovero

tahaka ny miora iray fonosana

izay mialina eo an-tratrako;

14ny malalako amiko dia manimanitra

tahaka ny voninkazo dia mamelana

any an-tanimboalobok’i Haîna-Gedỳ.

(Ralehilahy)

15Tsara tarehy ianao, rahavako,

eny, tsara tarehy ianao;

ny masonao dia mahafinaritra

tahaka ny voromahailala.

(Ravehivavy)

16Tsara tarehy koa ianao, ry malalako,

sady mambabo tokoa.

Ahi-maitso mavana no fandriantsika;

17rantsana sedera no miendrika

sakamandimby amin’ny tranontsika,

ary hazo kipresy no toa peta-drindrina.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help