1Nisy lehilahy iray nonina tany Babilôna; Jôakima no anarany.
2Izy dia nanambady vehivavy iray tsara tarehy tokoa sady fatra-panaja ny Tompo, izay nantsoina hoe Sozanina zanakavavin’i Hilkià.
3Ny ray aman-dreniny dia olona mpivavaka, ka n itaiza an-drazazavavy araka ny lalànan’i Mosesy.
4Mpanefoefo i Jôakima, ary nanana zaridaina lehibe teo akaikin’ny tranony. Nirohotra nankao aminy ny Jiosy, satria izy no nalaza indrindra tamin’izy rehetra.
5Tamin’io taona io dia nisy loholon’ny vahoaka jiosy roa lahy notendrena ho mpitsara. Ny amin’ireo no nitenenan’ny Tompo hoe: «Nipoitra avy tao Babilôna ny faharatsiana tamin’ny alalan’ny loholona mpitsara, dia olona toa niseho hitari-bahoaka.»
6Tao an-tranon’i Jôakima no falehan’ireo loholona ireo; ary izay rehetra nanana ady halamina dia tonga nanatona azy ireo.
7Rehefa lasa avokoa ny olona tamin’ny mitataovovonana, dia niditra sy nitsangantsangana tao an-jaridainam-badiny i Sozanina.
8Raha nahita ny fahatongavany isan’andro tao ireo loholona roa lahy ireo, dia velom-paniriana azy.
9Simba eritreritra tamin’izany izy roa lahy ka tsy nahajery intsony an’ilay Andriamanitry ny lanitra na nahatsiaro ny fitsipika ara-drariny navoakany.
10Samy maim-panirian-dratsy azy fatratra izy roa lahy, kanefa tsy nifampilaza izay mahamay azy,
11satria samy menatra ny hifamosaka ny faniriany hiray amin’i Sozanina.
12Isan’andro izy roa lahy dia mitily fatratra izay hirika hahitana azy.
13Koa indray mitataovovonana izay dia nifampilaza izy roa lahy hoe: «Ndeha isika hody, fa ora fisakafoana izao!»
14Dia nisaraka izy, kanjo samy niverina ilalany. Dia nifanontany ny antony teo izy ka farany samy niaiky ny faniriany an’i Sozanina. Ary nifaraka izy roa lahy ny amin’izay fotoana hiarahany mihaona aminy mitokana.
Nampangain’ireo loholona ho ratsy fitondrantena i Sozanina15Dia nikendry izay fotoana mety tokoa izy roa lahy no indro niditra tao an-jaridaina toy ny fanaony omaly sy afakomaly i Sozanina narahina mpanompo vavy roa ihany, fa te handro izy satria nafana ny andro.
16Tsy nisy olon-kafa teo afa-tsy ireo loholona roa lahy izay niafina nitily azy.
17Dia nasain’i Sozanina haka menaka manitra sy ranomanitra irao mpanompovaviny sady hanidy ny vavahadin’ny zaridaina hahazoany mandro tsy misy mpanelingelina.
18Notanterahin’izy roa vavy izay nasaina nataony; ka nony voahidiny ny vavahady lehibe mankao an-jaridaina, dia nivoaka tamin’ny vavahady ivoho izy haka ireo zavatra nampanalain’ny tompovaviny azy. Tsy tsikariny anefa ireto loholona tsara fiafenana;
19koa vantany vao dify ireo mpanompovavy, dia nivoaka ny toerana niafenany izy ireo ary nilomay nankao amin’i Sozanina ka niteny taminy hoe:
20--Mihidy avokoa ny vavahadin’ny zaridaina ka tsy misy olona mahita antsika. Mirehi-pitiavana anao tokoa izahay; koa ekeo re ny fanirianany hiray aminao!
21Fa raha mandà kosa ianao, dia hampangainay ho niaraka samirery tamina tovolahy iray, koa izany no nandroahanao ireo mpanompovavinao.
22Dia nisento lalina i Sozanina ka nanao hoe:
--Tena latsaka an-katerena aho ity. Raha manaiky anareo aho, dia tsy maintsy hohelohina ho faty satria manitsakitsa-bady; fa raha mandà anareo kosa aho, dia tsy ho afa-miala amin’ny vahohonareo.
23Aleoko anefa azon’ny vahohonareo saingy tsy nanao ratsy, toy izay hanota eo anatrehan’ny Tompo.
24Dia nikiakiaka mafy i Sozanina, nefa mba niantsoantso niampanga azy koa ireto loholona roa lahy.
25Nihazakazaka namoha ny vavahady ny anankiray taminy;
26koa raha vao nahare ny kiakiaka sy antsoantso ireo mpanompo tao an-trano, dia nilomay nankao an-jaridaina tamin’ny vavahady ivoho mba hizaha izay manjo an’i Sozanina ao.
27Dia nitantara ny antsanga tsy aman’orany teo ireo loholona, ka menatra mafy ny mpanompo satria tsy mbola nisy nilaza zavatra momba an’i Sozanina toy izany.
28Ny ampitso, rehefa nivory tao an-tranon’i Jôakima vadin’i Sozanina ny olona, dia tonga koa ireto loholona roa lahy efa feno teti-dratsy hamelezana an-dravehivavy mba hahafaty azy. Hoy izy ireo teo anatrehan’ny vahoaka:
29--Asaivo mankatỳ i Sozanina, zanakavavin’i Hilkià ary vadin’i Jôakima!
Dia nampanalaina izy,
30ka tonga ary narahin’ny ray aman-dreniny mbamin’ny zanany aman-kavany rehetra.
31Fatratra ny bikan’i Sozanina; ary tsara tarehy aoka izany i zy.
32Nasain’ireo loholona ratsy fanahy nesorina ny voaly nisalorany mba hankafizany ny hatsaran-tarehiny.
33Nitomany avokoa ny fianakaviany manontolo mbamin’izay rehetra nahita azy.
34Dia nitsangana teo anivon’ny vahoaka ireto loholona roa lahy ka nametra-tanana tamin’ny lohan’i Sozanina.
35Izy kosa nitomany niandrandra ny lanitra, satria ny fony natoky ny Tompo.
36Ary hoy ireo loholona hoe:
--Raha nitsangantsangana honjohonjonay tao an-jaridaina izahay, dia tonga ity vehivavy ity niaraka tamin’ny mpanompovaviny roa. Nasainy nohidìna ny vavahady lehibe, dia noroahiny ireo mpanompovavy.
37Dia nisy tovolahy iray niafina teo nanatona azy ary nandry taminy.
38Tao an-joron-jaridaina izahay raha nahita ny zava-doza nitranga, dia nilomay nankeo amin’izy ireo
39ary nahita ny firaisana nataony. Tsy voatananay anefa ilay tovolahy, satria natanjaka noho izahay izy; fa voavohany ny vavahadin-jaridaina, dia lasa nandositra izy.
40Fa ity vehivavy ity kosa no azonay ka nanontanianay hoe: Mba iza loatra iny tovolahy iny?
41Nefa tsy nety nilaza taminay izy. Koa izany zava-nitranga izany dia ijoroanay ho vavolombelona.
Nino azy ireo ny vahoaka, satria loholon’ny vahoaka sy mpitsara izy; ary dia voaheloka ho faty i Sozanina.
42Koa niantso mary ravehivavy nanao hoe:
--Ry Andriamanitra mandrakizay ô, mahafantatra ny miafina Ianao ary mahalala ny zavatra rehetra alohan’ny hitrangany.
43Fantatrao fa ireo olona ireo dia mijoro vavolombelona mandainga hanamelohana ahy. Hitanao fa ho faty aho, kenefa tsy nisy nataoko akory izay hasomparana noforoniny hamelezana ahy.
Asehon’i Daniela fa tsy manan-tsiny i Sozanina44Nohenoin’ny Tompo ny antson’i Sozanina.
45Raha ilay nentina hovonoina iny izy, dia nohetsehin’Andriamanitra ny Fanahy Masina tamin’ny zatovolahy iray atao hoe Daniela.
46Dia niantso mafy ilehio nanao hoe:
--Afa-tsiny amin’ny fahafatesan’io vehivavy io aho!
47Nitodika tany aminy ny vahoaka rehetra ka nanontany azy hoe:
--Inona no tianao hambara amin’izany teny izany?
48Dia nitsangana teo afovoan’ireo i Daniela sady nanao hoe:
--Adala ve ianareo, ry Israelita, no dia hanameloka vehivavy israelita toa anareo tsy misy famotopotorana sady tsy misy porofo.
49Miverena any amin’ny fitsarana, fa vavolombelona mandainga hamelezana azy fotsiny ireo olona ireo!
50Dia niverina faingana ny olon-drehetra. Ary hoy ny loholona hafa tamin’i Daniela:
--Nomen’Andriamanitra ny fahamendrehan’ny anti-panahy ianao, koa avia hiara-mitsara aminay ary ampahafantaro anay ny hevitrao.
51Hoy kosa ny navalin’i Daniela:
--Saraho hifanalavitra ireo olona anankiroa ireo, fa hotsaraiko mitokana avy.
52Dia nosarahina ireo; ary nampiantsoin’i Daniela ny voalohany ka nilazany hoe:
--Ry lahiantitra feno faharatsiana! Indro hianjady aminao ny valin’ny fahotanao fahiny!
53Namoaka didim-pitsarana tsy marina ianao, fa nomelohinao ny tsy manan-tsiny ary nafahanao ny olo-meloka. Ny Tompo kosa efa nilaza hoe: «Aza mampamono ho faty ny olon-tsy manan-tsiny sy ny olo-marina»
54Ka raha nahatratra an’i Sozanina niaraka tamina tovolahy ianao, dia mba lazao amiko hoe: «Teo ambany hazo inona moa no nahitanao azy ireo niaraka?»
Dia namaly izy hoe:
--Teo ambany hazo lentiska.
55Fa hoy kosa i Daniela:
--Injay ilay laingabe hahafaty anao, satria ny anjelin’Andriamanitra efa nahazo baiko hanasàmaka anao eo afovoany.
56Dia noroahin’i Daniela ilehio ary nampiantsoiny ilay faharoa ka nilazany hoe:
--Ry taranak’i Kanahàna fa tsy an’i Joda, nahalasa adala anao ny hatsaran-tarehim-behivavy ary nampivily ny fonao ny fanirianao azy!
57Izany koa no nataonareo tamin’ny vehivavin’i Israely, ka nandry taminareo izy satria natahotra anareo; fa tsy mba nanaiky izany fitondrantena maloto izany kosa ity vehivavin’i Joda ity.
58Koa mba lazao amiko ankehitriny hoe: «Teo ambany hazo inona moa no nahatraranao azy ireo niaraka?»
Dia namaly izy hoe:
--Teo ambany hazo ôaka.
59Fa hoy kosa i Daniela:
--Injay ilay laingabe hahafaty anao koa, satria ny Anjelin’Andriamanitra efa miandry amin’ny sabatra, hikapa anao eo afovoany ka hahafaty anao.
60Nihoraka mafy nisaotra an’Andriamanitra ny rehetra tafangona teo, fa mahavonjy izay miankina aminy Izy.
61Dia nirohotra namely ireo loholona roa lahy izy rehetra, satria voaporofon’i Daniela ny tsy mahamarim-pototra ny fanambaràna izay nataony; koa izay ratsy nokasainy hatao tamin’ny mpiray firenena aminy ihany no nampiharina taminy,
62mba hahatanteraka ny lalàn’i Mosesy. Dia nohelohina ho faty ny vavolombelona mandainga; fa voavonjy kosa tamin’izany andro izany ny tsy manan-tsiny.
63Dia nidera an’Andriamanitra noho ny amin’i Sozanina zanany vavy i Hilkià sy ny vadiny ary i Jôakima mbamin’ny fianakaviana manontolo, satria tsy nahitana zava-mahafa-baràka akory ny toetrany.
64Hatramin’izay andro izay sy ny manaraka dia nalaza tamin’ny besinimaro i Daniela.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.