Isaià 5 - Malagasy Bible Interconfessionelle

Ny voaloboky ny Tompo

1Avelao aho hihira ho an’ny sakaizako, dia ny hiran’ny sakaizako momba ny voalobony:

Nanana voaloboka iray ity sakaizako

teo amin’izay tanety lonaka izay.

2Nasainy ny tany, nesoriny ny vato,

ary voaloboka voafantina no namboleny tao.

Nanao tilikambo teo afovoany izy

ary koa nandavaka famiazam-boaloboka;

dia nanantena azy hamoa voaloboka tsara Izy

kanjo namoa voalobo-dratsy.

3Koa hoy ilay sakaizako hoe:

«Ankehitriny, ry mponin’i Jerosalema

sy ianareo olona eto Joda,

mba tsaraonareo Aho sy ny voaloboko.

4Inona indray moa no mbola tokony hataoko

amin’izany voaloboko izany

ka tsy efa nataoko taminy?

Nanantena azy hamoa voaloboka tsara aho

ka nahoana no namoa voalobo-dratsy izy?

5Ankehitriny dia hampahafantariko anareo

izay hataoko amin’izany voaloboko izany:

Hoesoriko ny fefy tsilo miaro azy,

dia hiraofan’ny biby fiompy izy.

Harodako ny rindrim-bato manodidina,

dia ho voahitsakitsaky ny mpandalo izy.

6Hataoko tany lava volo ilay voaloboko

ka tsy hisy hanety sy hiava azy intsony,

fa tsilo sy songosongo no hitsiry eo;

ary horarako mafy ny rahona

tsy handatsaka ranonorana aminy.»

7Ny taranak’i Israely no voaloboky ny TOMPO,

dia ilay TOMPOn’izao rehetra izao,

ary ny olona eto Joda no voly tiany indrindra.

Fitandroana ny rariny no nantenain’ny TOMPO

kanjo ny tsy rariny no teo;

ary fahamarinana no nandrandrainy,

kanjo kiakiam-pitarainana no teo.

Loza enina ho an’ny olo-maventy ao Joda(5.8-24; jereo 10.1-4)

8Lozan’ireo olona mpangorona

manangon-trano miampy trano

sy mamory saha miampy saha,

mandra-paha tsy hisy toerana ho an’ny hafa intsony,

ka hahatonga azy ho toka-monina amin’ny tany!

9Fa ny TOMPOn’izao rehetra izao

dia reko nanao fianianana hoe:

«Tsy maintsy horavana ireo trano maro ireo;

eny, na ny lehibe sy mamirapiratra aza,

dia ho lao tsy hisy mpipetraka.

10Ny tanimboaloboka telo hekitara

tsy hamokatra afa-tsy divay dimampolo litatra;

izay mamafy varim-bazaha zato kilao

tsy hioty afa-tsy folo kilao monja.»

11Lozan’ireo olona mifoha maraina mba hitady toaka

sady midoroka divay mandra-paharivan’ny andro!

12Miala liana amin’ny feom-baliha sy lokanga

ombàn’ny ampongatapaka sy sodina ireo;

fa izay ataon’ny TOMPO tsy ahoany

ary ny asa vitany tsy jereny akory!

13«Noho izany, hoy ny Tompo,

dia hoentin-ko babo ny vahoakako,

satria tsy mahalala na inona na inona;

ho fatin’ny mosary ny olomanga eo aminy

ary ho fatin-ketaheta ny sarambabeny.»

14Koa nitanatana vava izaitsizy ny fonenan’ny maty

sady nanitatra ny tendany hanao telimoka azy;

any no hivarinan’ny olomanga

sy ny sarambabem-bahoakan’i Jerosalema

miaraka amin’ny tabatabam-pifaliany.

15Noho izany dia tsy maintsy hihohoka

sy haetry amin’ny tany ny olombelona;

hitanondrika ny olona mpiandranandrana.

16Hasandratra kosa ny TOMPOn’izao rehetra izao

amin’ny fanaovany fitsarana ara-drariny.

Hiseho koa ny maha Andriamanitra masina Azy

amin’ny fanehoany ny fahamarinany.

17Eny amin’ny tanàna rava eny

no hiraofan’ny zanak’ondry

toy ny any amin’ny tany fiandrasana azy;

eny koa ny zanak’osy afahy

no hitady ny sakafony.

18Lozan’ireo olona voazioga toy ny omby

ho valin’ny ratsy nataony!

Toy ny itarihana sarety no hitarihany

ny famaizana vokatry ny otany.

19Fa hoy indrindra izy ireo hoe:

«Aoka ho tanteraka haingana dia haingana

izay hataon’ny TOMPO, mba hojerenay!

Aoka ho tonga amin’ny fotoany

ny fikasan’Ilay Masin’i Israely

fa tianay ho fantatra!»

20Lozan’ireo olona milaza ny tsara hoe ratsy

na milaza ny ratsy hoe tsara.

Ny maizina lazainy ho mazava

ary ny mazava lazainy ho maizina;

ny mamy lazainy ho mangidy

ary ny mangidy lazainy ho mamy.

21Lozan’ireo olona mihevi-tena ho hendry

sy milaza azy ho marani-tsaina!

22Lozan’ireo olona mahery misotro divay

sy kinga amin’ny fampifangaroharoana toaka!

23Manamarina ny olon-dratsy

amin’ny fandraisana tsolotra izy ireny

ary manala ny rariny amin’ny olo-marina.

24Noho izany, dia ho tahaka ny mololo voadoron’ny afo

sy ho tahaka ny bozaka levonin’ny afo no hanjo azy.

Ho lò avy any am-potony izy

ka ho lasa vovoka ny voniny,

satria nariany ny fampianarana

naroson’ny TOMPOn’izao rehetra izao

ary notsiratsirainy ny tenin’ilay Masin’i Israely.

Toa totohondry voavonkina ny fandrahonan’ny Tompo(5.25; jereo 9.7-20)

25Izany indrindra no nampirehitra

ny fahatezeran’ny TOMPO tamin’ny vahoakany.

Naninji-tanana taminy sy namely azy Izy,

Nampihovitrovitra ny tendrombohitra izany;

ary toy ny fako tavela eny an-dàlambe

no niampatramparan’ny fatin’olona.

Saingy, na teo aza izany rehetra izany,

dia tsy mbola afaka ny fahatezeran’ny TOMPO

fa maninji-tanana mandrahona ihany Izy.

26Faneva famantarana no natsangan’ny TOMPO

ho an’ny firenena iray any lavitra any;

ka misioka ny Tompo mba hiantsoana azy

avy any am-paran’ny tany.

Indro izany firenena izany fa nilomay

ka ho avy faingana dia faingana tokoa.

27Tsy misy olona mahatsiaro vizana akory eo aminy,

tsy misy mitari-tongotra na rendremana resin-tory,

tsy misy miboraka na ny fehikibony na ny fehikapany.

28Voaranitra ny zana-tsipîkany,

ary voahenjana avokoa ny tsipîkany.

Mafy toy ny vatoafo ny kitron-tsoavaliny,

ary miriotra toy ny tadio ny kodiaran-kalesiny.

29Tahaka ny liom-bavy mierona no fandrenesana azy,

eny, toy ny tigra mandrahona mafy

ka mipaoka ny hazany sy mitondra azy,

ary tsy misy maharombaka izany intsony.

30Kanefa indray andro any,

dia hisy varatra hiraondraona

toy ny firohondrohon’ny ranomasina

mba hamely io firenena io.

Hijery izany tany izany ny olona ka tsy hahita

afa-tsy haizim-pahoriana;

fa hohamaizinin’ny zavona matevina

ny fahazavan’ny andro.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help