Tsefanià 3 - Malagasy Bible Interconfessionelle

Tsy nihaino ny antson’Andriamanitra i Jerosalema

1Lozan’i Jerosalema ilay tanàna mpikomy,

feno fahalovana sy fampahoriana!

2Tsy nohenoiny ny tenin’ny TOMPO

tsy noraisiny ny fampitandremany!

tsy nametra-pitokiana taminy izy;

ilay Andriamaniny tsy nohatoniny.

3Toy ny liona mierona ireo lehibeny;

toy ny amboadia mihaza hariva ny mpitsarany,

ka tsy mitahiry remby ho tra-maraina.

4Mpieboebo sady mpamitaka ireo mpaminaniny;

zimbazimbain’ireo mpisorony kosa

ny zavatra voatokana ho an’Andriamanitra

ary dikainy ny lalàna.

5Kanefa ny TOMPO mpandala fahamarinana

no eo afovoan’ny tanàna;

ka tsy manao faharatsiana Izy,

fa isa-maraina tsy diso no amoahany ny fitsarany.

Na izany aza ny ratsy fanahy dia tsy mahalala menatra!

6Teny hentitra avy amin’ny TOMPO izao:

«Nahafongana firenena maro Aho,

narodako ny tilikambon’ny màndany,

navelako ho foana ny làlany,

ka tsy nisy mpandalo intsony;

noravako ny tanànany

ka tsy nisy mponina intsony.

7Dia hoy Aho anakampoko:

Raha manaja Ahy i Jerosalema

ary mandray ny fampitandremako,

dia tsy horavako ny fonenany

araka ny fandrahonana nataoko taminy!

Kanefa vao mainka nilomay

hanao ratsy ihany izy iray tanàna.

8Koa dia andrasonareo ny famaizako

amin’ny andro hiaviako hiampanga anareo.

Tapa-kevitra Aho hanangona ny firenena sy fanjakana

mba hampidinako manontolo ny fahatezerako mirehidrehitra;

ka handevona ny tany manontolo

ny afon’ny fahasaro-piaroko.

Ny hanovan’Andriamanitra ny firenena isan-tokony

9«Amin’izany, dia hovako ny firenena isan-tokony

ka hodioviko ny molony;

dia hivavaka amiko TOMPO izy rehetra

ary hiray hina hanompo Ahy.

10Eny fa hatrany an-dafin’ny onin’i Etiôpia

ireo mpivavaka amiko izay naeliko

no ho avy hitondra fanatitra ho Ahy.»

Ny sisa amin’i Israely

11«Amin’izany andro izany, ry vahoakako,

dia tsy ho menatra intsony ianao

tamin’izay ratsy rehetra nataonao

ka nanotanao tamiko.

Hoesoriko tsy ho eo aminao

ny mpirehareha rehetra

ary tsy hiavonavona intsony ianao

eo an-tendrombohitro masina.

12Nefa hisy olona ory sy malahelo

hataoko sisa tavela eo aminao,

dia olona hitady fialofana amiko TOMPO.

13Ny sisa velona amin’ny vahoaka Israely

dia tsy hanao heloka na hilaza lainga intsony,

ary tsy hanao teny mamitaka intsony.

Fa hihinana sy handry feizay izy

ka tsy hisy hampatahotra azy.»

Ny fanandratana indray an’i Jerosalema

14Mihobia, ry tanànan’i Tsiôna!

Manaova firavoravoana, ry vahoakan’i Israely!

Mifalia sy mibitaha amin’ny fonareo manontolo,

ry mponin’i Jerosalema!

15Ny TOMPO efa nanaisotra ny fanamelohana

izay nitambesatra taminareo;

Izy efa nampandositra ny fahavalonareo.

Ny TOMPO, mpanjakan’i Israely, no momba anareo

ka tsy hisy loza hatahoranareo intsony.

16Io andro io no hilazana amin’i Jerosalema hoe:

«Aza matahotra, ry tanànan’i Tsiôna,

aza miraviravy tanana!

17Ny TOMPO Andriamanitrao no momba anao;

mahery Izy ka hampandresy anao.

Maneho ny hafaliany noho ny aminao Izy;

ny fitiavany no anavaozany anao;

noho ny aminao dia mientam-pihobiana Izy

18toy ny amin’ny andro fety.»

Hoy ny TOMPO hoe: «Hofoanako ny fahoriana,

hoesoriko ny henatra mitambesatra aminareo.

19Indro tonga ny fotoana hamelezako

izay rehetra nampahory anareo.

Hotsaboiko ny maratranareo,

hampodîko ny voasesitany;

eny, havadiko ho voninahitra sy laza

ny fanaovana tsinontsinona anareo

tany amin’ny tany rehetra.

20Amin’izany fotoana izany tokoa

no hampodiako sy hamoriako anareo.

Ho hitanareo fa hambiniko indray ianareo;

homeko voninahitra sy laza ianareo

any amin’ny firenena rehetra eto an-tany.»

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help