Hezrà 4 - Malagasy Bible Interconfessionelle

Fisakanan’ireo fahavalo mba tsy hanaovan’ny Jiosy ny trano.

1Ren’ny valovotaka, fahavalon’ny Jiosy tao Joda sy tao Benjamîna, fa manorina tempoly ho an’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely ny Jiosy nody avy any an-tsesitany.

2Dia nanatona an’i Zerobabela sy ny loham-pianakaviana ireo valovotaka ireo ka nanao taminy hoe:

–Aoka izahay mba hiara-manorin-trano aminareo. Ilay Andriamanitrareo manko dia hajainay tahaka ny anajanareo Azy sady Izy mihitsy no toloranay sorona hatramin’ny andron’i Esara-Hadôna, mpanjaka asirianina, izay nampiakatra anay ho atỳ.

3Fa i Zerobabela sy i Jesoa mbamin’ireo namany loham-pianakaviana israelita kosa namaly azy hoe:

–Tsy misy ilànay anareo amin’ny fanorenana trano ho an’ilay Andriamanitray; fa izahay ihany no hanorin-trano ho an’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely, araka ny didy efa navoakan’i Kirôsa amperôran’i Persia.

4Tamin’izany ny valovotaka dia nanao izay hampiraviravy tanana ny Jiosy sady nandevilevy azy mba tsy hanorina ilay trano.

5Novidiny vola aza ny mpanolotsain’ny amperôra mba hanohitra ny Jiosy ka hampandamoka ny fikasany. Nanomboka tamin’ny andron’i Kirôsa amperôran’i Persia ka hatramin’ny nanjakàn’i Dariôsa amperôran’i Persia no nanaovana izany teti-dratsy izany.

Ampangain’ny valovotaka amin’ny amperôra Artakserksesa ny Jiosy.

6Raha vao nanjaka i Kserksesa, dia nanoratra taratasy ho azy ny fahavalon’ny Jiosy mba hanendrikendrika ny mponina tao Jerosalema sy eran’i Joda.

7Tamin’ny andro nanjakàn’i Artakserksesa amperôran’i Persia, dia nanoratra taratasy ho azy ry i Bislama sy i Mitredata ary i Tabeela mbamin’ireo namany hafa; ka tarehin-tsoratra aramianina sy fiteny aramianina no nanaovany an’ilay taratasy.

8I Rehoma governora sy i Simsay mpitantsorany dia nanoratra taratasy anankiray koa ho an’ny amperôra Artakserksesa ny amin’i Jerosalema. Toy izao no fanombohan’izany:

9«Avy amin’i Rehoma governora sy amin’i Simsay mpitantsoratra ary avy amin’ireo namany hafa mifehy ny valovotaka: dia ny Dinaîta sy Afarsatekita ary Tarpelita, ny Afarsaîta sy Arkevita ary Babilônianina, ny Sosanita sy Dehavita ary Helamita,

10mbamin’ny firenena hafa nafindran’i Asnapara mpanjaka lehibe sady malaza, ka namponeniny tamin’ireo tanànan’i Samaria na tamin’ny toerana sisa atỳ andafy andrefan’ny ony Eofrata,...»

11Izao kosa no kôpian’ilay taratasy nalefany ho an’ny amperôra Artakserksesa:

«Voninahitra ho anay mpanomponao atỳ andafy andrefan’ny ony Eofrata... ny manoratra ity taratasy ity aminao, ry Andriamanjaka.

12Aoka ho fantatrao fa ny Jiosy, izay niala avy tany aminao mba hiverina hankatỳ aminay, dia efa tonga any Jerosalema ka miroso manorina indray ilay tanàna mpikomy sady ratsy. Efa manangana ny manda ry zareo izao rehefa avy nanamboatra ny fototra.

13Aoka ho fantatrao, ry Andriamanjaka, fa raha voaorina indray io tanàna io ka tafatsangana ny mandany, dia tsy hety handoa hetra na haba na sara intsony ry zareo; ka dia hahatonga fatiantoka ho an’ny fanjakanao izany.

14Tsy ho zakanay ny hahita anao afa-baràka, ry Andriamanjaka, satria izahay dia mandray tombontsoa amin’ny fanompoana anao; koa naniraka olona izahay hampahafantatra anao izany.

15Aoka hozahanao ny boky mirakitra ny tantaran-drazanao; dia ho hitanao sy ho fantatrao fa tanàna nikomy hatrany io tanàna io.

16Ary ampahafantarinay anao, ry Andriamanjaka, fa raha voaorina indray io tanàna io ka tafatsangana ny mandany, dia tsy hanana faritany atỳ andafy andrefan’ny ony Eofrata intsony ianao».

Valintenin’i Artakserksesa mpanjaka

17Izao kosa no valin-taratasy nalefan’ny amperôra:

«Ho an’i Rehoma governora sy i Simsay mpitantsoratra ary ny namany hafa izay monina any Samaria na amin’ny toerana sisa any andafy andrefan’ny ony Eofrata.

«Mamangy sy miarahaba anareo, aho sns...

18«Ny taratasy izay nalefanareo ho ahy dia efa voavaky tsara teo anatrehako.

19Ary efa nanome baiko aho hizahana ny boky firaketana; dia hita fa nitroatra nanohitra mpanjaka maro hatrizay ela izay tokoa io tanàna io, ka nisy fikomiana sy fiodinana niseho tao.

20Efa nisy mpanjaka mahery izay nanjaka tany Jerosalema, ka nanapaka ny tany rehetra any andafy andrefan’ny ony Eofrata sady nandoavana hetra sy haba ary sara.

21Koa dia makà fepetra hampitsahatra ireo olona ireo; fa tsy haorina indray io tanàna io, raha tsy efa nahazo teny avy atỳ amiko.

22Tandremo tsara fandrao manao tsirambina amin’izany ianareo, ka hitombo ny fahavoazana hahafatiantoka ny fanjakana».

23Vao voavaky teo anatrehan’i Rehoma sy i Simsay ary ny namany kosa ilay taratasin’ny amperôra Artakserksesa, dia niakatra faingana ho any amin’ny Jiosy tany Jerosalema ry zareo ka nampitsahatra azy an-keriny sy an-ditra.

Ny fanohizana ny asa momba ny tempoly indray

24Dia nitsahatra ny asa fanorenana ny tranon’Andriamanitra tao Jerosalema; ary naharitra hatramin’ny taona faharoa nanjakàn’i Dariôsa, amperôran’i Persia, izany fiatoana izany.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help