Jeremià 17 - Malagasy Bible Interconfessionelle

Atsikafon’ny Tompo ny heloky ny vahoakan’i Joda

1Ny fahotan’ireo vahoakan’i Joda dia voasoratra

tamin’ny vy sy diamondra fanoratana.

Tahaka ny voasokitra soratra amin’ny vatofisaka

no mahavoasokitra izany ao am-pony

sy eny an-joron’ny alitarany

;

2ka ho marika hiampangana azy ireo alitarany

sy ireo tsatokazo fanajany an’i Aserà,

eny akaiky hazo maitso sy eny ambony havoana

3ary eny antampon-tendrombohitra any an-tsaha.

Hatolotro horobaina avokoa

ny fanananao sy ny haren-tsarobidinao,

mbamin’ireo toeran-tsampinao koa aza

ho valin’ny ota nataonao

tao amin’ny faritaninao manontolo.

4Ary tsy maintsy hafoinao

ny zaratany izay nomeko anao.

Hampanompoiko ny fahavalonao

any amin’ny tany tsy fantatrao ianao,

satria narehitrao ny afom-pahatezerako

izay hirehitra mandrakizay.

Ny fialofana azo antoka sy ny fialofana sandoka

5Izao no lazain’ny TOMPO:

–Voaozona izay mitoky amin’olombelona

sy miantehitra amin’ny nofo ho heriny

ka mampiala ny fony amiko.

6Ho tahaka ny anjavidy ao an-tany hay izy

ka tsy hahita ny soa ho avy;

hitoetra an-tsaham-bato any an-taniefitra izy

dia eo amin’ny tanin-tsira tsy azo onenana.

7Fa hotahîna izay mitoky amiko

ka manana Ahy TOMPO ho fialofany.

8Ho tahaka ny hazo ambolena eo amoron-drano izy

ka misandraha-paka eo akaikin’ny renirano.

Tsy misy atahorany na avy aza ny hafanana,

ary maitso hatrany ny raviny;

Na dia amin’ny taonan’ny hain-tany aza,

tsy manahy izy fa mamokatra hatrany.

9–Tsy misy zavatra mamitaka

hoatra ny fon’olombelona.

Tsy azo sitranina izy,

ary tsy misy mahafantatra ny aminy.

10–Izaho TOMPO kosa

dia mahita ny ao am-po

sy mamantatra ny ao an’eritreritra.

Koa araka ny fitondrantenany

sy ny vokatry ny asany avy

no hamaliako ny olona.

11Tahaka ny akoho mikotrika atodin-gana,

toy izany izay manangon-karena tsy ara-drariny:

eo antenatenan’androny izy

no hilaozan’izany hareny izany,

ka ho lasa adala no iafarany.

Ny Tompo no hany loharanom-piainana

12Sezafiandrianana be voninahitra

sady miteronterona hatrany am-boalohany

no tempoly masina ho antsika.

13Ry TOMPO fanantenàn’i Israely ô,

ho menatra izay rehetra mandao Anao.

Voasoratra anarana eo am-bovoka

izay nihataka taminao,

noho izy efa nandao Anao,

ry TOMPO loharano velona ô.

Vavak’i Jeremià

14TOMPO ô, sitrano aho, dia ho sitrana;

vonjeo aho, dia ho voavonjy,

fa antony hiderako Anao izany.

15Indreo ny besinimaro milaza amiko hoe:

«Aiza ihany ity tenin’ny TOMPO?

Aoka ho tanteraka amin’izay izany!»

16Tsy izaho no nanery Anao

hanafaingana ny loza, Tompo ô,

na nirary hiavian’ny antambo.

Fantatrao tokoa izany,

satria niharihary teo anatrehanao

izay hafatra naloaky ny molotro.

17Aoka tsy ho fampitahorana ahy Ianao

fa Ianao no fialofako

amin’ny androm-pahoriana!

18Aoka ireo mpanenjika ahy no ho menatra

fa tsy ny tenako velively;

aoka ireo no ho trotraka, fa tsy izaho.

Ataovy tonga aminy ny andro mandoza,

ary potipoteho tanteraka izy.

Antso ho fanajana ny andro sabata

19Izao no voalazan’ny TOMPO tamiko:

–Mandehana, ka mijoroa eo amin’ny vavahadim-bahoaka izay fandalovan’ny mpanjakan’i Joda raha miditra sy mivoaka ny tanàna izy; ary hanaovanao toy izany koa amin’ny vavahady rehetra eto Jerosalema.

20Ka lazao amin’ny mpandalo hoe: «Mihainoa ny tenin’ny TOMPO ianareo mpanjakan’i Joda sy ianareo rehetra vahoakan’i Joda ary ianareo rehetra mponina eto Jerosalema izay miditra amin’ireto vavahady ireto.

21Izao no lazain’ny TOMPO: Mitandrema tena ianareo mba tsy hitondra entana amin’ny andro sabata ka hampandalo azy amin’ireo vavahadin’i Jerosalema ireo.

22Aza mitondra entana mivoaka ny tranonareo amin’ny andro sabata na manao raharaha akory amin’izany; fa atokany ho Ahy ny andro sabata tahaka izay efa nandidiako ny razanareo.

23Nefa tsy nihaino izy na nampandry sofina fa nanamafy hatoka; eny, tsy nihaino izy fa nandà ny fampitandremako.

24«Ianareo kosa, mihainoa Ahy tsara, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO. Aza mampandalo entana amin’ireo vavahadin’ny tanàna ireo amin’ny andro sabata; fa atokany ho Ahy izany andro izany ka aza manao raharaha akory ianareo.

25Amin’izay ireo mpanjaka mipetraka eo amin’ny sezafiandrianan’i Davida ka mandeha mitaingin-tsoavaly na kalesy sy ireo mpitondra sy ny vahoakan’i Joda ary ireo mponina rehetra eto Jerosalema dia hahazo hiditra amin’ireo vavahady ireo hatrany; ary ity tanàna ity dia honenana mandrakizay.

26Amin’izay dia ho avy ireo olona avy amin’ny tanànan’i Joda sy ny manodidina an’i Jerosalema mbamin’ny faritanin’i Benjamîna ary koa ireo olona avy eny amin’ny lemak’i Sefelà sy ny tany be tendrombohitra mbamin’ny faritr’i Negeba; ka hankao an-tempoly izy hanolotra sorona dorana manontolo sy sorona hafa, hanolotra fanatitra hanina sy vovo-javamanitra nafangaro ary sorom-pisaorana.

27Fa raha tsy mihaino Ahy kosa ianareo ka tsy manokana ny andro sabata ho Ahy fa mbola mitondra entana mandalo amin’ireo vavahadin’i Jerosalema ireo amin’ny andro sabata ihany, dia handrehetako afo ao anaty tanàna; ka handevona ireo tranony tsara tarehy izany afo izany sady tsy ho faty.»

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help