1Izao no lazain’ny TOMPO:
«Tandremo ny rariny ka manaova ny marina,
satria akaiky ho tonga ny famonjeko
ary efa hiharihary ny fanafahako.
2Sambatra ny olona manatanteraka izay lazaiko
sy mifikitra mafy amin’izany,
ka mitandrina ny sabata fa tsy manimbazimba azy,
ary mitandrina ny tanany tsy hanao ratsy.»
3Aoka ny hafa firenena efa miraiki-po amin’ny TOMPO
tsy hanao anakampo hoe:
«Hoesorin’ny TOMPO tokoa aho
tsy ho anisan’ny vahoakany.»
Ary aoka ny eonòka tsy hanao anakampo hoe:
«Indro efa hazo maina aho.»
4Satria izao no lazain’ny TOMPO:
«Ny eonòka mitandrina ny sabatako
ka mifidy ny hanao izay sitrako
sy mifikitra mafy amin’ny fanekempihavanako,
5dia hanokanako takela-bato misy ny anarany
eo amin’ny rindrin’ny tempoliko.
Izany no tsara kokoa ho azy
noho ny zanakalahy sy zanakavavy maro.
Hampitoeriko eo mandrakizay ny anarany
ka tsy hisy na inona na inona hahakosoka azy.»
6Ho an’ny hafa firenena miraiki-po amin’ny TOMPO
mba hanao fanompoam-pivavahana aminy
sady tia Azy ary tonga mpanompony
dia izao no teny hentitra ataon’ny TOMPO aminy:
«Raha mitandrina ny sabata izy
ka tsy manimbazimba azy
sy mifikitra mafy amin’ny fanekempihavanako,
7dia hoentiko eo an-tendrombohitro masina,
ka hampifalîko ao an-trano fivavahana amiko;
ny sorona isan-karazany hatolony
dia hankasitrahiko eo ambonin’ny alitarako;
satria ny tranoko hatao hoe:
‹Trano fivavahana ho an’ny firenena rehetra.›
8Izaho Tompo ANDRIANANAHARY,
Ilay nanangona ny vahoaka Israely tafaely,
dia mbola manao teny hentitra hoe:
‹Efa nanangona Aho, nefa mbola hanangona hafa koa›. »
Ireo tompon’andraikitra tsy mendrika9Ianareo bibidia rehetra any an-tsaha
sy ianareo bibidia rehetra any an’ala,
avia hanao fihinanam-be!
10Jamba avokoa ireo mpiahy ny vahoaka Israely
ka samy tsy mahalala na inona na inona.
Alika moana izy rehetra ka tsy mahavòvò,
fa manonofy fotsiny sy mitsotsotra
satria ny matory no tiany.
11Alika tendan-kanina koa ireo
ka tsy mahalala voky na oviana na oviana,
nefa dia lazaina hoe mpiandry!
Tsy mahay mandinika akory ireo
fa samy manaraka ny lalany avy
ary samy mikendry ny tombontsoany avy.
12«Avia ianareo, hoy izy
fa haka divay isika
ary hiboboka fisotro mahery!
Ho toraka ny androany ihany koa ny rahampitso,
fa mbola be dia be ny sisa hosotroina.»
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.