1 Hira fiakarana.
Sambatra izay rehetra manaja ny TOMPO
sy manaraka ny sori-dàlana nataony.
2Ny vokatry ny asanao tokoa no hivelomanao
ka sambatra sy ambinina ianao!
3Ny vadinao eo an-tranonao
dia toy ny voaloboka mahavokatra;
ny zanakao manodidina ny latabatrao
dia toy ny solofon’ôliva.
4Eny, toy izany no itahiana
ny lehilahy manaja ny TOMPO!
5Hitahy anao avy ao Tsiôna anie ny TOMPO,
ka amin’ny andro rehetra iainanao
no hahitanao ny hasambaran’i Jerosalema
6sy hahitanao ny zafikelinao!
Ny fiadanana anie
ho an’i Israely!
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.