1 Tononkira tao amin’ny tahirin-kiran’ny filohan’antoko-mpihira. Salamo.
Mihobia an’Andriamanitra, ry mponina eran-tany.
2Ihirao salamo Izy satria be voninahitra.
Tolory voninahitra Izy amin’ny fiderànareo.
3Lazao amin’Andriamanitra hoe:
«Endrey mampitolagaga ny asanao!
Lehibe dia lehibe tokoa ity herinao,
ka indro fa ikoizan’ny fahavalonao.
4Hiankohoka aminao anie ny mponina eran-tany,
sy hihira salamo ho Anao Andriamanitra,
eny, hihira salamo ho fanajana Anao!»
Fiatoana
5Tongava hizaha ny asan’Andriamanitra;
mitolagaga ny olombelona amin’ity ataony:
6ny ranomasina novany ho tany maina,
nitan’ny razanay an-tongotra ny ony.
Aoka hifaliantsika eto izany asany izany!
7Mahery Izy ka mifehy mandrakizay;
arahiny maso ny firenena isan-tokony
ka ny mpikomy dia tsy ho afa-mitraka.
Fiatoana
8Rey vahoaka, isaory ilay Andriamanitray,
ataovy maredona ny fiderana Azy,
9satria Izy no mahavelona aina anay;
tsy navelany ho solafa-mamindra izahay.
10Nozahanao toetra izahay, Andriamanitra ô,
nosedrainao toa volafotsy anaty memy,
11nampidirinao am-pandrika
sy novesaranao fitsapana.
12Olon-dratsy no navelanao hanosihosy anay;
izahay dia voatery namaky afo sy rano,
kanjo nafahanao ihany
sy nampahazoinao aina.
13Koa mitondra sorona eto an-tranonao aho
hanefako ny voady nataoko taminao,
14dia izay voady notononiko
fony izaho tao an-katerena.
15Biby matavy no atolotro hodorana,
ombilahy sy ondrilahy ary osilahy,
ka dia handraraka tsara ny etony.
Fiatoana
16Ianareo mpanaja an’Andriamanitra,
tongava daholo mba hihaino
fa hotantaraiko izay nataony tamiko.
17Vao nanomboka niantso Azy aho,
dia fiderana sahady no nambarako.
18Raha heloka no mamiko ka tsy nifonako,
dia tsy ho nihaino ahy akory ny Tompo.
19Kanefa nihaino Andriamanitra,
tena reny tokoa ny fivavako.
20Hisaorana anie Andriamanitra,
fa tsy mba nolaviny ny fivavako
ary tsy nalany tamiko ny fitiavany!
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.