Jeremià 15 - Malagasy Bible Interconfessionelle

Famaizana tsy azo ivalozana

1Ary hoy ny TOMPO tamiko:

–Na dia i Mosesy sy i Samoela aza no mitsangana manelanelana eto amiko, dia tsy handefitra amin’ity vahoaka ity Aho. Roahy hiala eto anatrehako izy mba handeha any!

2Ary raha misy manontany anao hoe: «Hankaiza àry izahay?», dia hovalianao hoe: Izao no lazain’ny TOMPO:

Raha misy natao hasian’ny areti-mandringana,

dia hasian’ny areti-mandringana izy;

raha misy natao ho fatin’ny sabatra,

dia ho fatin’ny sabatra izy;

raha misy natao hiharan’ny mosary,

dia hiharan’ny mosary izy;

raha misy natao ho amin’ny fahababoana,

dia hankany amin’ny fahababoana izy.

3Karazan-javatra efatra no hotendreko hamely azy, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO: ny sabatra handringana azy, ny alika hitarika azy lavitra ary ny voromahery mbamin’ny bibidia hihinana sy handripaka azy;

4hany ka hataoko mampivarahontsana izy any amin’ny fanjakana rehetra eran-tany. Noho ny amin’i Manase, zanakalahin’i Hezekià sady mpanjakan’i Joda, no nahatonga izany, dia vokatry ny ratsy nataony tao Jerosalema.

Tofoka ny Tompo

5Iza no hangoraka anao, ry Jerosalema?

Iza no hitsetra anao?

Iza no hisahirana hanantsafa anao?

6Ianao no nandao Ahy sy niamboho Ahy,

hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO.

Koa nahinjitro hamely anao ny tanako

mba handevona anao

fa efa sasatry ny mandefitra Aho.

7Naparitako tamin’ny fitaovana fikororohana

ny tao amin’ny isan-tanàna teo amin’ny tany,

tsy nomeko zanaka fa naringako ny oloko,

nefa tsy novany ny fitondrantenany.

8Ny mpitondratenany dia nohamaroiko

noho ny fasika amoron-dranomasina.

Na dia mitataovovonana aza ny andro,

dia nitondrako mpandringana tao aminy

handripaka ny renin’ireo zatovo mpiantafika

ary nazerako tampoka teo aminy

ny hovitra noho ny tahotra

9Nihareraka ilay niteraka fito,

ka misefosefo fiaina;

nilentika antoandrobe ny masoandrony,

ka menatra sy afa-baràka izy.

Ary izay sisa velona dia hatolotro

haringana eo anatrehan’ny fahavalony.

Izany no teny hentitra avy amiko TOMPO.

Fitarainan’i Jeremià sy valintenin’ny Tompo (Jeremià)

10Lozako, ry Neny nahitako masoandro!

Tsy misy olona toherina

sy ilàna ady hoatra ahy

eto amin’ny tany manontolo.

Tsy nampanjana-bola aho

na nisambotra volan’olona,

nefa ozonin’ny olon-drehetra.

11Eny, aoka ho voaozona aho, TOMPO ô,

raha tsy nanompo tsara Anao,

raha tsy nitalahoako ho an’ny fahavaloko Ianao

tamin’ny fotoanan’ny loza amam-pahoriany.

12Moa mety ho tapaka ve ny vy,

dia ny vy avy ao avaratra na ny halimo?

(Ny Tompo)

13Ry Joda, ny harenao sy ny zava-tsoanao

dia hatolotro horobaina;

ho valin’ny heloka rehetra nataonao

manerana ny taninao manontolo izany.

14Hampanompoiko ny fahavalonao ianao

any amin’ny tany tsy fantatrao;

fa mipoitra ny afom-pahatezerako

ka handoro anao no irehetany.

(Jeremià)

15TOMPO ô, fantatrao tsara ny amiko.

Tsarovy aho ary mirotsaha an-tsehatra

hamaly faty ireo mpanenjika ahy.

Aza andeferana izy, fandrao ho faty aho.

Satria aoka ho fantatrao

fa noho ny aminao no itondrako latsa.

16Hitako ireo teninao ka nohaniko;

ny teninao no fifaliako

sy firavoravoan’ny foko,

satria efa natokana ho Anao aho,

ry TOMPO Andriamanitr’izao rehetra izao.

17Tsy nipetraka hamalifaly ny tenako

teo amin’ny fivorian’ny mpikorana aho,

fa noteren’ny herinao hitoetra irery

satria nofenoinao ny fahatezeranao.

18Nahoana no mitohy ny fijaliako?

Nahoana no tsy mety sitrana ny feriko

sady tsy andairam-panafody?

Ho tonga mamitaka ahy Ianao

toy ny mason-dranotrambo

ka tsy azo antoka hisy rano.

19Momba izany, dia izao no lazain’ny TOMPO:

Raha miverina amiko ianao,

dia horaisiko indray ka hanompo eo anatrehako.

Raha milaza izay tokony holazaina ianao

fa tsy miteniteny foana,

dia ho mpitondrateniko.

Hiverina aminao indray ireo olon’i Joda,

fa tsy ianao no hiverina any aminy.

20Hataoko manda varahina mafy ianao

manoloana ity vahoaka ity.

Hiady aminao izy

fa tsy hahatohitra anao,

satria miaraka aminao Aho

mba hamonjy sy hanafaka anao,

hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO.

21Eo an-tanan’olon-dratsy ianao no hafahako

ary eo an-tanan’ny mpampahory no havotako.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help