Fahendrena 16 - Malagasy Bible Interconfessionelle

1Izany no antony namaizana ara-drariny ireo Ejiptianina ireo tamin’ny biby mitovy amin’izay nivavahany ihany sy nampijaliana azy tamin’ny biby maro sesehena.

2Fa ny vahoakanao, Tompo ô, tsy mba nataonao toy izany fa nosoavinao kosa; ary hampitony ny hanoanany mivaivay, dia sakafo mafilotra papelika no nomaninao ho azy.

3Koa na dia lian-kihinana aza ireo fahavalonao, dia tsy nazoto homana nahita ireo biby ratsy nalefa hamely azy; fa ny olonao kosa, na dia sendra tsy fisiana vetivety aza, dia nahazo sakafo matsiro.

4Mosary tsy azo ihodivirana no tsy maintsy nampijaliana ireo mpampahory, fa ampy ho an’ny vahoakanao kosa ny nanehoana ny fampijaliana ireo fahavalony.

Ireo biby mahafaty sy ilay Andriamanitra mamonjy

5Marina fa romotra namely ny vahoakanao ny biby misy poizina ka maro no maty voakaikitry ny menarana miolikolika. Kanefa tsy naharitra hatramin’ny famongorana azy ny fahatezeranao.

6Ho fampitandremana no namelanao azy hitebiteby fotoana fohy, Tompo ô; dia nahazo mari-pamonjena izy mba hahatsiarovany ny didin’ny lalànanao.

7Fa izay nitodika tamin’izany marika izany dia sitrana, tsy noho ilay zavatra nojereny akory fa noho Ianao Mpamonjy ny olona rehetra.

8Koa noporofoinao tamin’ny fahavalonay fa Ianao no manafaka amin’ny ratsy isan-karazany.

9Ireo moa dia maty voakaikitry ny valala sy ny lalitra, ka tsy hita izay fanafody hamonjena ny ainy, satria mendrika hofaizin’ny biby toy izany izy.

10Fa ireo zanakao kosa tsy mba resin’ny kaikitr’ireo bibilava misy poizina, satria tonga namonjy sy nanasitrana azy ny fitiavanao.

11Mba hahatsiarovany ny teninao no nahavoatsindrona azy, kanefa dia nalaky voavonjy izy fandrao hadinony tanteraka izany ka ho very anjara amin’ny soa ataonao izy.

12Ary tsy mba ahitra na menaka ahosotra, Tompo ô, namerim-pahasalamana azy, fa ny Teninao izay mahasitrana ny rehetra.

13Satria manam-pahefana amin’ny fiainana sy ny fahafatesana Ianao, ka mampidina hatrany am-bavahadin’ny toeran’ny maty sady mampiakatra avy any indray.

14Noho ny haratsiam-panahin’ny olona, dia mety hainy ny mamono mahafaty kanefa tsy hainy kosa ny mamerina indray ny aina efa lasa na ny manafaka izay fanahy voagadran’ny toeran’ny maty.

Ny havandra sy ny mana

15Tsy azo atao anefa ny miala amin’ny fahefànao.

16Koa nokapohin’ny sandrinao mahery ireo hafa firenena izay nandà tsy hahalala Anao fa nianjadian’ny oram-be mivatravatra sy havandra aman’oram-baratra tsy mifaditrovana izy, ary nolevonin’ny afo.

17Ary ny mahagaga indrindra dia izao: vao mainka niredareda ny afo tao amin’ny rano izay mamono ny zavatra rehetra, satria miady ho an’ny olo-marina izao tontolo izao!

18Mbetika anefa dia nihamalefaka ny lelafo mba tsy handevona ireo biby nalefa hamely ny tsy mpivavaka ka hahafantarany kosa fa manaraka azy hatrany ny fitsaranao, Andriamanitra ô.

19Mbetika mahery vaika tsy toy ny fahita ny firedaredan’ny afo, na dia ao afovoan’ny rano aza, mba handevona ny vokatra amin’io tany voaozona io.

20Ny vahoakanao kosa anefa tsy mba toy izany, fa novokisanao hanin’anjely; koa na dia tsy misasatra aza izy, dia nomenao mofo voavoatra avy any an-danitra izay manan-tsiro isan-karazany sady zahaza ny fitiavan’ny tsirairay.

21Izany sakafo avy aminao izany dia maneho ny halemem-panahinao amin’ireo zanakao sady mifanaraka amin’ny fanirian’izay mihinana azy no mifanentana koa amin’ny fitiavan’ny tsirairay.

22Fa na dia tahaka ny oram-panala sy ny ranomandry aza izy, dia nahatanty ny afo ka tsy niempo; izany no hahafantaran’ny vahoakanao fa nandevona ny vokatr’ireo fahavalo ny afo izay nirehitra sy nitselatra tao anaty havandra aman’orana.

23Ho setrin’izany kosa, mba hahafahan’ny olo-marina mivelona, dia nanadino ny maha hery mpandrava azy izany afo izany.

24Satria ny voaary izay vonon-kanompo Anao Mpahary azy dia manampatra ny heriny hamaizana ny ratsy fanahy, fa milefaka kosa ho fanasoavana ireo matoky Anao.

25Izany no nanekeny izay mety ho fiovana rehetra ka nanompoany ilay fanomezana avy taminao izay hamelona ny besinimaro araka ny fanirian’izay mila izany.

26Avy amin’izany, Tompo ô, no hianaran’ireo zanakao tianao ireo, fa tsy ny vokatry ny namboleny akory no mamelona ny olona, fa ny teninao no mitahiry ny mino anao.

27Io sakafo izay tsy mety levon’ny afo io, dia mora miempo nony voataniky ny tana-masoandro kely fotsiny.

28Tianao hampianarina hifoha alohan’ny masoandro izahay mba hisaotra Anao sy hivavaka aminao alohan’ny andro miposaka.

29Fa ny fanantenàn’ny olona tsy mahay mankasitraka kosa dia hiempo toy ny fanalan-dririnina sy hanjavona toy ny rano tsy ilaina.

Ny haizina sy ny andry afo
Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help