Fitomaniana 2 - Malagasy Bible Interconfessionelle

Nirotsaka ho fahavalon’i Jerosalema ny Tompo

1Indrisy! Tezitra ny Tompo

ka nanaron-draho-mainty an’i Tsiôna.

Avy any an-danitra no nanjerany amin’ny tany

izay natao ho voninahitr’i Israely.

Tamin’ny androm-pahatezerany dia hadinony

fa i Tsiôna no fandiavan-tongony.

2Naripaky ny Tompo tsy nisy indrafo avokoa

ny fonenan’ireo taranak’i Jakôba.

Noravany tam-pahavinirana

ny tanànamimandan’i Joda.

Nazerany amin’ny tany sy nalany baràka

ny fanjakana sy ny mpitondrany.

3Tamim-pahatezerana mirehitra no nanapotehany

izay rehetra nampirehareha an’i Israely.

Nihemotra tsy niditra an-tsehatra Izy

teo anatrehan’ny fahavalo.

Nandrehitra afom-pahatezerana Izy

hamelezana ireo taranak’i Jakôba,

ka toa afo miredareda nandevona manodidina.

4Nanenjan-tsipîka toy ny fahavalo Izy

ary naninji-tanana ankavanana hitifitra.

Niseho toy ny rafilahy Izy ka nandripaka

ny zavatra rehetra mahafinaritra ny masonay.

Ny fahatezerany dia nararany toy ny afo

teo ambonin’ny tempolin’i Tsiôna.

5Tonga toy ny fahavalonay ny Tompo,

ka nandripaka an’i Israely;

nandripaka ireo lapany rehetra Izy

ary nandrodana ireo mandany

ka nampitombo sento sy taraina

manerana ny vahoakan’i Joda.

6Noravany ny zaridaina sy ny tranobongony,

nosimbany ny toeram-pihaonany.

Nataon’ny TOMPO hadino tao Tsiôna

ny andro fety sy ny sabata.

Tamin-katezerana mirehitra no nanesorany

ny mpanjaka mbamin’ny mpisorona.

7Nolavin’ny Tompo ny alitarany,

nilaozany ny Toeramasiny,

ary natolony ho eo an-tanam-pahavalo

ny mandan’ireo lapan’i Tsiôna.

Nisy akora lava tao an-tranon’ny TOMPO

tahaka ny amin’ny andro fety!

8Nanapa-kevitra ny TOMPO

fa handrava ny mandan’i Tsiôna.

Nampitoviany tantana ny rindrina voazera,

ka tsy nisalasala nandrodana Izy.

Nitrosina ny manda roa sosona

izay samy miara-mihasimba.

9Tototry ny tany ireo vavahadin’i Tsiôna;

nopotehina sy nomontsanina ny hidiny.

Ny mpanjaka sy ireo mpitondra

dia eo an-tanan’ny hafa firenena.

Tsy misy fampianaran’ny mpisorona intsony;

ary na ny mpaminany aza tsy mandray

hafatra avy amin’ny TOMPO.

10Mitorovoka amin’ny tany

sady mangina ny loholon’i Tsiôna;

norarahany vovoka ny lohany

sady mitafy gony izy.

Mitanondrika amin’ny tany

ireo tovovavin’i Jerosalema.

*

11Jembin-dranomaso ny masoko

ary mandevilevy ny fiontanako;

azon’ny famoizam-po aho

noho ny fahavoazan’ilay firenena mamiko,

fa matin-ketaheta ny zaza madinika sy minono

eny amin’ny kianjan’ny tanàna eny.

12Raha mitolefika toy ny olona maratra

eny an-kianjan’ny tanàna eny izy

na koa miala aina

eo am-pofoan-dreniny,

dia manontany an-dreniny hoe:

«Aiza izay hanina e?»

*

13Tsy haiko intsony izay holazaiko anao,

ry Jerosalema mamiko;

fa tsy misy azo anoharana izay manjo anao!

Inona no hampitahaiko aminao

mba hampiononako anao, ry Tsiôna mahonena?

Midadasika toy ny ranomasina ny ratranao;

ka tsy misy mahasitrana anao amin’izany.

14Hafatra mamitaka sy poaka aty

no nambaran’ny mpaminaninao taminao.

Tsy namaky bantsilana ny helokao izy

mba hiarovana anao tsy ho babo;

fa hafatra mamitaka sy manodoka

no nambarany taminao.

15Mitehaka noho ny faharavanao

izay rehetra mandalo amin’ity lalana ity,

velon-tsioka sy mihifikifi-doha izy

maneso anao, ry Jerosalema mamiko:

«Ity tokoa ve ilay tanàna natao hoe

‹fanaperana amin’ny hatsaran-tarehy›

sy ‹fifalian’ny tany tontolo›?»

16Misoka-bava hankaloza anao

ny fahavalonao rehetra,

velon-tsioka sy mihidy vazana izy

ary miteny hoe: «Nataontsika levona io!

Tonga izao ny andro nandrasantsika;

tratrantsika izany ary hitantsika ihany!»

17Nataon’ny TOMPO izay efa nosaintsaininy,

notanterahiny izay nambarany,

dia izay efa notapahiny hatry ny ela:

nandravarava Izy ka tsy niantra.

Nampitotorebika ny fahavalo Izy noho ny nanjo anao

ary nampiakatra ny reharehan’ny mpandrafy anao.

*

18Ny fon’ireo mponin’i Jerosalema

dia mitaraina amin’ny Tompo.

Andro aman’alina, ry mandan’i Tsiôna,

avelao ny ranomasonao hikoriana toy ny riaka.

Aza miato mihitsy ianao;

ary aza atsahatrao ny tomany.

19Mitsangàna, miantsoantsoa fitarainana

isan’ora fiambenana amin’ny alina.

Toy ny rano atosaka no amborahy

ny ao am-ponao eo anatrehan’ny Tompo.

Asandrato aminy ny tananao

hiangavy ho an’ny ain’ireo zanakao madinika

izay manary aina noho ny hanoanana

eny an-joron-dalana rehetra eny.

*

20TOMPO ô, jereo ka diniho

ity nanaovanao ny vahoakanao!

Vehivavy ve no handeha hihinana

ny zanany naterany sy nokoloiny?

Ny mpisorona sy ny mpaminany ve

dia hovonoina eo amin’ny Toeramasinao?

21Na antitra na tanora dia maty

mitsitsitra eny an-dalambe.

Ny tovolahiko sy ny tovovaviko

dia samy matin’ny sabatra.

Novonoinao tamin’ny androm-pahatezeranao izy,

naringanao tsy nisy fiantrana.

22Toy ny amin’ny andro fety, TOMPO ô,

dia nantsoinao ireo mpampihorohoro manodidina ahy;

ka tamin’ny androm-pahatezeranao

dia tsy nisy sisa velona na afa-nitsoaka,

fa ireo ankizy notezaiko sy nokoloiko

dia naripaky ny fahavaloko avokoa.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help