Jôba 29 - Malagasy Bible Interconfessionelle

Valin-teny farany nataon’i Jôba: E! ireo andro soa fahiny!

1Dia mbola nandahatra ihany i Jôba ka nanao hoe:

2Iza re no hamerina amiko indray ireny volana taloha

izay niainako teo ambany fiarovan’Andriamanitra,

3fony mbola nirehitra teo ambony lohako ny jirony

ka ny fahazavàny no nitari-dalana ahy tamin’ny alina?

4Tao anatin’ny andro fanambinana aho tamin’izay

ary narovan’ny fisakaizan’Andriamanitra ny fonenako,

5fony mbola niaraka tamiko ilay Tsitoha

ary nanodidina ahy ireo zanakalahiko.

6Tamin’izay no nilomanosako

tao anatin’ny harena miavosa

sy nikorianan’ny diloilo ho ahy

avy amin’ny vato famiazana ôliva.

*

7Raha nankeny am-bavahadin’ny tanàna aho

ka nandray ny toerako teo an-kianja,

8dia nahita ahy ny tanora ka nitsoatsoaka,

ary ny antitra nitsangana ka nijaridina teo.

9Nangina tsy nahateny ny lehibe

fa nitampim-bava fotsiny.

10Tankina koa ny feon’ireo mpanapaka

ka toa niraikitra tamin’ny lanilany ny lelany.

*

11Izay nandre dia nidera ahy;

ary izay nahita dia samy nankasitraka.

12Satria novonjeko ny mahantra

izay nitaraina tamiko

ary koa ny kamboty

tsy nanan-kianteherana.

13Tonga tamiko ny tsodranon’ny miala aina

ary dia nampifalifaliako ny fon’ny mpitondratena.

14Ny fahamarinana no akanjo fanaovako,

ny fitandroako ny rariny no ihaingako

tahaka ny lamba sy toy ny fehiloha.

15Nanjary maso ho an’ny jamba aho

ary tongotra ho an’ny malemy.

16Eny efa tonga ray ho an’ny mahantra aho;

ary nandray an-tanana ny olan’ireo vahiny.

17Nomontsaniko ny valanoranon’ny olon-dratsy

hanafahako izay voagejan’ny nifiny.

18Dia hoy aho hoe: «Ato amin’ny akaniko

no hialako aina toy ny feniksa ka hahamaro ny androm-piainako indray.

19Tahaka ny hazo manana faka azon-drano aho,

sady manana ny ravin-drantsana

izay handrian’ny ando amin’ny alina.

20Hohavaozina tsy tapaka ny voninahitro

ary ho toy ny tsipîka voahenjana ny heriko.»

*

21Nihaino ahy tamim-panantenana ny olona,

ka samy nangina teo am-pandraisana ny hevitro.

22Rehefa niteny aho dia tsy nisy namaly intsony,

ary nanenika azy tsikelikely ny teniko.

23Niandry ahy toy ny fiandry ranonorana izy,

ary toy ny mitanatana vava

miandrandra ny oran-dohataona.

24Raha nisy nila ho ketraky ny hakiviana ireo,

dia notolorako tsiky fampaherezana

ary tsy nahamaloka ny fahazavan’ny tavako.

25Nitarika azy sy nanoro lalana azy aho,

ka nahavatra niara-nitoetra taminy

toy ny mpanjaka milasy miaraka amin’ny tafiny

na toy ny olona mampionona ny tra-pahoriana.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help