Jeremià 31 - Malagasy Bible Interconfessionelle

*

1«Rehefa tonga izany fotoana izany, hoy ny teny hentitry ny TOMPO, dia ho Andriamanitry ny foko israelita rehetra Aho, ary izy ho vahoakako.»

Ny fiverenan’ireo sisa velona amin’i Israely

2Izao no lazain’ny TOMPO:

«Tany an-taniefitra no nanehoako hatsaram-po

ny vahoaka sisa tsy matin’ny fandringanana.

Hizotra milamina amin’izay i Israely.

3Hoy izy hoe:

‹Avy lavitra ny TOMPO no tonga niseho tamiko.›

ka hoy ny navaliko azy:

‹Fitiavana mandrakizay no itiavako anao

ka famindrampo no itaomako anao hanatona Ahy.

4Haoriko indray ianao, ry Israely mamiko,

ka ho voaorina;

hiravahanao indray ny ampongatapakao

hanentananao ireo mpandihy mitotorebika.

5Hambolenao voaloboka indray

eny amin’ny havoanan’i Samaria

ka ireo mpamboly no hioty

ny vokatry ny famboleny.

6Fa ho avy indray ny andro

izay hiantsoan’ireo mpiambina

eny an-tendrombohitr’i Efraîma hoe:

Andeha isika hiakatra any Tsiôna

ho eo anilan’ny TOMPO Andriamanitsika!› »

*

7Manaova horakora-pifaliana ho an’i Israely;

mihobia an’Ilay filohan’ireo firenena,

ataovy antso avo ny dera ka lazao hoe:

«Ny TOMPO mamonjy ny vahoakany,

dia ny sisa velona amin’i Israely!»

Satria izao no lazain’ny TOMPO:

8«Haveriko avy any an-tany avaratra izy

ary hangoniko avy any am-bazan-tany.

Ao avokoa mbamin’ny jamba sy ny mandringa,

ary ny bevohòka sy ny tera-bao.

Eny, vahoaka be no hiverina.

9Tonga am-pitomaniana izy

ka narahiko sady nampiononiko.

Any amin’ny lemaka misy rano no hitarihako azy

ary lala-mahitsy no hizorany

ka tsy ho tafintohina izy.

Ho Ray Aho amin’i Israely,

ary ho lahimatoako i Efraîma.»

10Mihainoa ny tenin’ny TOMPO, ianareo firenen-kafa,

ambarao any amin’ireo nosy lavitra any izany

ka lazao hoe: «Nampiely an’i Israely ny Tompo;

fa izao manangona azy Izy ary miambina azy

tahaka ny ataon’ny mpiandry amin’ny andian’ondriny.»

11Fa efa nanavotra ny olon’i Israely ny TOMPO

ka nanafaka azy tamin’ireo mahery noho izy.

12Ho avy ireo ka hanao horakora-pifaliana

ao amin’ny havoanan’i Tsiôna;

ho miramirana endrika izy

amin’ny zava-tsoa homen’ny TOMPO:

dia ny vary sy divay vaovao ary diloilo,

mbamin’ny ondry sy osy ary omby.

Ho velombelona toy ny saha vonton-drano izy

ka tsy mba hihamalazo intsony.

13Dia hitotorebika handihy ny zatovovavy;

toy izany koa ny tovolahy sy ny antitra.

Fa hoy ny teny hentitry ny TOMPO hoe:

Hovako ho fifaliana ny alahelony,

ka hampiononiko sy hampiravoako izy

mba ho afaka amin’ny fahoriany.

14Hovokisako zava-matavy ny mpisorona

ary hofenoiko zava-tsoa ny vahoakako.

*

15Izao no lazain’ny TOMPO:

Nisy fitarainana heno tao Ramà,

dia fitomaniana sy fidradradradrana mafy.

I Rahely no mitomany ny zanany;

ka tsy mety nampiononina izy

satria tsy eo intsony ny zanany.»

16Kanefa izao no lazain’ny TOMPO azy:

«Atsaharo ny fitarainanao

ary fafao ny ranomasonao

fa hovaliako soa ny fisasaranao,

hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO.

Satria ireny zanakao ireny

dia hiverina avy any an-tanin’ny fahavalony.

17Koa misy fanantenana ho an’ny taranakao,

hoy ny teny hentitra ambarako,

hiverina ao an-tanindrazany ny zanakao.

18Reko tsara mihitsy ny olon’i Efraîma

nitaraina hoe: ‹TOMPO ô, nofaizinao izahay

ary dia manaiky hofaizinao

tahaka ny ombilahy tanora tsy tena folaka.

Nefa ampodio aminao izahay

mba hiverenanay tokoa aminao,

satria Ianao, TOMPO ô, no Andriamanitray.

19Eny, niodina taminao izahay

nefa anenenanay kosa izany.

Nampahafantarinao anay ny fahadisoanay,

ka mandondon-tratra izahay ankehitriny.

Menatra sady mangaihay ny tenanay;

manala baràka anay ny fahatanoranay

ka hozakainay ny vokany.›

20I Efraîma no zanakalahy mamiko,

hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO,

zanaka malalako indrindra izy.

Isaky ny manameloka azy Aho,

dia mahatsiaro azy hatrany

ka manjary mangoraka azy

ary dia mamindrafo aminy tokoa.

*

21Manangàna mari-dalana ho anao

ka asio orim-bato eny amoron-dalana;

hevero ny lalana efa nodiavinao,

dia ny lalana efa narahinao,

ka miverena, ry Israely malala,

miverena amin’ireo tanànanao.

22Mandra-pahoviana ianao

no mbola hiriorio etsy sy eroa,

ry zanakavavy mpikomy?

Fa ny TOMPO efa namorona

zava-baovao eto an-tany:

ny vehivavy indray no

manenji-dehilahy.

Fanarenana sy fanekempihavanana vaovao

23Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao sady Andriamanitr’i Israely: «Rehefa hanova ny anjaran’ity tanin’i Joda sy ireto tanànany Aho, dia hotononina indray ny fiteny hoe:

‹Hitahy anao anie ny TOMPO

ry Tsiôna tendrombohitra masina,

fonenan’ny famonjena!›

24«Amin’izay ny olona tambanivohitra sy an-tanàn-dehibe ao Joda dia hiara-monina eo amin’ny tany, isan’izany ireo tantsaha sy ireo mpiompy mifindrafindra lasy miaraka amin’ny biby fiompiny.

25Fa hampahereziko ireo efa reraka, ary homeko izay ilainy ireo rehetra efa trotraka. (

26Izany no hilazana hoe: ‹Nony nifoha aho, dia hitako fa nahasoa ahy ny torimasoko.›)

27«Indro avy ny andro, izay hanapariahako olona sy biby fiompy manerana ny fanjakan’i Israely sy i Joda tahaka ny fanapariahana voa afafy eo an-tanimboly. Teny hentitra avy amiko TOMPO izany.

28Mandraka ankehitriny dia nilofo namely azy Aho, mba hanongotra sy hanjera, hanapotika sy handrava, ary hanisy ratsy azy. Fa izao kosa hilofo hanasoa azy Aho mba hanarina sy hampiorina; teny hentitra avy amiko TOMPO izany.

29Amin’izay dia tsy hisy hamerina intsony izao ohabolana izao: ‹Ny ray aman-dreny no nihinana voaloboka marikivy, ka ny zanany no madilo nify.›

30Fa raha misy tokoa ny mihinana voaloboka marikivy, dia izy ihany no hadilo nify; samy ho fatin’ny fahadisoany avy ny olona tsirairay.

31«Indro avy ny andro, izay hanaovako fanekempihavanana vaovao amin’ny vahoakan’i Israely sy ny vahoakan’i Joda. Teny hentitra avy amiko TOMPO izany.

32Kanefa tsy hitovy amin’ilay fanekempihavanana nataoko tamin’ireo razany fony Aho nandray an-tanana hamoaka azy avy tany Ejipta izany. Fa nivadihan’ireo iny, kanefa Izaho no tompony; teny hentitra avy amiko TOMPO izany.

33Fa izao no fanekempihavanana hataoko amin’ny vahoakan’i Israely, aorian’izany andro izany: Hapetrako ao an’eritreriny ny lalànako ary hosoratako ao am-pony, ka ho Andriamaniny Aho ary izy ho vahoakako. Teny hentitra avy amiko TOMPO izany.

34Tsy mila hanatona ny namany na mpiray tampo aminy intsony izy mba hampianatra ireny hahalala Ahy TOMPO; fa hatramin’ny kely indrindra ka hatramin’ny lehibe indrindra dia samy hahalala Ahy avokoa izy rehetra, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO. Fa havelako ny fahadisoany ary tsy hotsarovako intsony ny helony.»

*

35Iza no mametraka ny masoandro

ho fanazavana amin’ny antoandro?

Iza no mandidy ny volana aman-kintana

ho fanazavana amin’ny alina?

Iza no manetsika ny ranomasina

mba hampisafoaka ny onjany?

Ny TOMPOn’izao rehetra izao no anarany.

Fa izao no lazain’io TOMPO io:

36«Raha tàhiny tsy manan-kery intsony

ireo lalàna voajanahary ireo eo anatrehako,

dia hitsahatra tsy ho firenena intsony

ny taranak’i Israely eo anatrehako.

Teny hentitra avy amiko TOMPO izany.

37Raha misy maharefy ny haavon’ny lanitra, hoy AHO,

na afaka hahafantatra ny halalin’ny tany,

dia holaviko i Israely manontolo

noho ny ratsy rehetra nataony,

hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO.»

*

38Hoy ny teny hentitry ny Tompo hoe: «Indro avy ny andro, izay hananganana indray ny mandan’i Jerosalema ho voninahitro, manomboka amin’ny tilikambon’i Hananela ka hatrany amin’ny vavahady an-jorony.

39Hofaritana ny faritra vaovaon’ny tanàna, ka miankandrefana hatreny amin’ny havoanan’i Gareba, avy eo dia mihodina mankany Gôhà.

40Dia mihazo ny lohasaham-paty aman-davenona manontolo sy ny faritra midadasika rehetra hatrany amin’ny ranon-driakan’i Kidrôna, ary tafapaka eo amin’ny zoron’ny vavahadin’ny soavaly any atsinanana. Ireo tany rehetra ireo dia hatokana ho Ahy TOMPO ka tsy hisy hanesorana na horavana intsony na oviana na oviana.»

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help