1Izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: «Ny vavahady atsinanana amin’ny kianja anatiny dia ho voahidy mandritra ny enina andro iasana, fa hivoha kosa izy amin’ny andro sabata sy amin’ny fetin’ny tsinambolana.
2Hiditra avy any an-kianja ivelany manko ny printsy filoha ka hamakivaky ny lalantsaran’ny vavahady. Dia hijoro eo an-tokonam-bavahady izy mandritra ny anoloran’ny mpisorona ny sorona dorana manontolo sy ny sorom-pihavanana nateriny. Dia hiankohoka eo an-tokonam-bavahady eo ny printsy vao handeha, ary tsy hohidina ny varavarana raha tsy efa hariva.
3Fa amin’ny andro sabata sy amin’ny fetin’ny tsinambolana dia ho tonga eo anoloan’io vavahady io ny vahoaka mba hiankohoka amiko TOMPO.
4«Amin’ny andro sabata dia zanak’ondry enina sy ondrilahy iray samy tsy misy kilema no haterin’ny printsy filoha amiko TOMPO mba hatao sorona dorana manontolo.
5Ankoatra ireo dia hitondra fanatitra varimbazaha telopolo kilao isaky ny ondrilahy iray izy, ary varimbazaha araka izay heveriny ho mety isaky ny zanak’ondry; dia hampiany diloilo enina litatra isaky ny varimbazaha telopolo kilao izany.
6Amin’ny andron’ny tsinambolana dia hanolotra ombilahy iray sy zanak’ondry enina ary ondrilahy iray samy tsy misy kilema izy.
7Hampanarahiny fanatitra varimbazaha telopolo kilao isaky ny ombilahy iray na ondrilahy iray, ary varimbazaha araka izay heveriny ho mety isaky ny zanak’ondry; dia hampiany diloilo enina litatra isaky ny varimbazaha telopolo kilao izany.
8Lalana iray ihany no hidiran’ny printsy filoha sy hivoahany mamakivaky ny lalantsaran’ny vavahady.
9Fa rehefa ny vahoaka kosa no tonga hiankohoka amiko TOMPO amin’ny fotoan-dehibe, izay miditra amin’ny vavahady avaratra dia hivoaka amin’ny vavahady atsimo; ary izay miditra amin’ny vavahady atsimo dia hivoaka amin’ny vavahady avaratra. Tsy hisy olona hiverina amin’izay vavahady nidirany fa samy hivoaka amin’ny vavahady an-daniny.
10Ny printsy filoha koa dia tokony hiditra ny tempoly rehefa miditra ao ny vahoaka, ary tokony hivoaka ny tempoly rehefa mirava ny vahoaka.»
Fitsipika ny amin’ny sorona samihafa11«Amin’ny fotoan-dehibe sy ny andro fety dia varimbazaha telopolo kilao no hatao fanatitra isaky ny sorona ombilahy iray na ondrilahy iray, ary varimbazaha araka izay heverina ho mety isaky ny zanak’ondry; dia hampiana diloilo enina litatra isaky ny varimbazaha telopolo kilao izany.
12«Raha tàhiny kosa ny printsy filoha no te hanao sorona an-tsitrapo amin’ny TOMPO, na sorona dorana manontolo io na sorom-pihavanana, dia tokony hovohana ho azy ny vavahady atsinanana. Hanolotra ireo sorona tahaka ny fanao amin’ny andro sabata izy; ary rehefa tafavoaka izy, dia hohidina ny vavahady.
13«Isan’andro isan’andro dia zanak’ondry iray taona tsy misy kilema no hatao sorona dorana manontolo amin’ny TOMPO, ka isa-maraina no hanolorana azy.
14Isa-maraina koa no hanolorana amin’ny TOMPO koba lafarinina dimy kilao vontosana diloilo roa litatra; fanatitra vokatry ny tany atao amin’ny Tompo izany, ary lalàna raikitra hatrany hatrany.
15Ny zanak’ondry sy ny koba ary ny diloilo dia hatolotra ny Tompo isa-maraina ho sorona dorana manontolo isan’andro.»
Ny lova ho an’ireo zanaky ny printsy filoha16Izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: «Raha manome ampahan’ny taniny ho an’ny anankiray amin’ny zanany lahy ny printsy filoha, dia ho lovan’io zanany lahy io sady ho lovan’ny taranany koa izany.
17Fa raha manome ampahan’ny taniny ho an’ny iray amin’ny mpanompony kosa ny printsy filoha, dia ho an’ilay mpanompo ambara-pahatongan’ny taona fanafahana izany, kanefa avy eo dia haveriny aminy ihany. Fa ny ampahan-tany nomen’ny printsy filoha ho an-janany ihany no lasa fananan’ireo.
18Tsy mahazo maka izay anjara lovan’ny vahoaka ny printsy filoha ka hanaisotra azy amin’ny zarataniny. Fa izay ho anjaran’ny zanany lahy dia halainy eo amin’ny taniny manokana, mba tsy hisy olona anisan’ny vahoakako ho voaroaka amin’ny zarataniny.»
Ny toerana fandrahoana ao amin’ny tempoly19Avy eo dia nentin-dralehilahy niditra tamin’ny fidirana teo akaikin’ny vavahady aho hankao amin’ireo efitrano mitodika mianavaratra izay voatokana ho an’ny mpisorona. Natorony ny toerana iray terỳ amin’ny farany andrefana aho,
20sady nilazany hoe: «Io no toerana fampangotrahan’ny mpisorona ny henan’ireo biby natao sorom-panonerana sy sorona fanalana ny ota, ary eo koa no fandrahoany ireo fanatitra vokatry ny tany. Amin’izay dia tsy hisy zava-masina hoentina any amin’ny kianja ivelany mba tsy hotandindomin-doza ny sarambabem-bahoaka.»
21Avy eo dia nentin-dralehilahy hankany amin’ny kianja ivelany aho ary nampandaloviny teo anoloan’ny zorony efatra; ary isaky ny zorony dia nisy tokotany iray avy.
22Kely ireo tokotany efatra ireo ary efajoro mitovy refy ka roapolo metatra ny lavany ary 15 metatra ny sakany.
23Samy voafefy rindrim-bato ny tokotany tsirairay avy; ary teo am-pototr’io rindrim-bato io dia nisy fatana maro naorina sady nifanohy manodidina.
24Ary hoy ralehilahy tamiko: «Ireto no toerana fandrahoana, ka eo ny mpandraharahan’ny tempoly no mampangotraka ny henan’ireo biby aterim-bahoaka hatao sorona.»
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.