1Aza manao ratsy, dia tsy hiharan’ny ratsy ianao.
2Halaviro ny tsy an-drariny, dia hihataka anao izany.
3Anaka, aoka ianao tsy hamafy amina toerana
izay voasoritsoritry ny tsy rariny,
raha tsy te hijinja zavatra
impito heny toraka izany ianao!
4Aza mangata-pahefana amin’ny Tompo
na toeram-boninahitra amin’ny mpanjaka.
5Aza miseho ho marina
eo anatrehan’ny Tompo,
na miseho ho hendry
eo anatrehan’ny mpanjaka.
6Aza maniry ho tonga mpitsara ianao
raha tsy afa-mamongotra ny tsy an-drariny,
fandrao ho raiki-tahotra ianao
eo anoloan’ny manampahefana
ka ho voatohintohina ny tsy fiangaranao.
7Aza manisy ratsy ny vondron’olona iray tanàna
fa hanambanianao tena eo anivon’ny besinimaro izany.
8Aza averinao indroa ny fahotanao,
fa ny voalohany aza efa mahameloka anao.
9Aza manao hoe: «Ny hamaroan’ny fanatitro
no hojeren’Andriamanitra Avo Indrindra;
ka rehefa atolotro Azy ireny, dia horaisiny.»
10Aza matahotahotra rehefa mivavaka ianao
ary aza atao tsirambina ny fiantrana.
11Aza latsalatsana ny olona ory fo,
satria eo hatrany ilay Andriamanitra
Izay manetry sady manandratra koa.
12Aza mamoron-dainga hamelezana ny mpiray tampo aminao;
aza manao toy izany koa hamelezana ny sakaizanao.
13Mitandrema mba tsy hilaza lainga na oviana na oviana,
fa ny tamana amin’ny lainga dia tsy mahasoa velively.
14Aza mba be teny amin’ny fivorian’ny loholona,
ary aza mamerimberin-teny amin’ny vavakao.
15Aza mankahala ny asa manasatra na ny asa tany
satria ilay Avo Indrindra no nanorina ireny ho antsika.
16Aoka ny tenanao tsy hirotsaka
ho anisan’ny andian’olona mpanota;
tsarovinao fa tsy ho ela akory
ny fahatezeran’Andriamanitra.
17Aoka ianao hanetry mafy ny fanahinao,
fa afo sy kankana no sazin’ny tsy mpivavaka!
Ny havana aman-tsakaiza18Aza atakalonao tombontsoa ny sakaiza
ary koa ny tena mpiray tampo aminao,
na dia volamena avy any Ofîra aza no hatolotra anao.
19Aza midify tsy hanambady vehivavy hendry sy tsara fo,
fa sarobidy mihoatra noho ny volamena ny hasoany.
20Aza ratsy fitondra mpanompo azo antoka amin’ny asany
na mpikarama mahafoy tena amin’ny tokony hataony.
21Aoka hotiavin’ny tenanao ny mpanompo mahira-tsaina;
ary aza lavinao ny handefa azy ho olona afaka.
22Raha manana biby fiompy ianao,
dia aoka hikolokolo azy;
ary raha mahasoa anao ireo,
dia tehirizo ao aminao.
23Raha manana zanakalahy ianao,
dia aoka hanabe azy;
ary ampianaro hanaiky izy ireny,
manomboka amin’ny fahatanorany.
24Raha manana zanakavavy ianao,
dia tandrovy ny hahavirijiny ny tenany;
ary aoka ianao tsy halemy paika loatra aminy!
25Ampanambadio ny zanakao vavy,
dia ho afaka adidy lehibe ianao;
nefa lehilahy mahira-tsaina no omeo azy.
26Raha vehivavy araka ny fonao no vadinao,
dia aza roahina izy;
fa raha vehivavy izay halakalanao kosa,
dia aza mitoky aminy ianao.
27Omeo voninahitra amin’ny fonao manontolo ny rainao;
ary aza hadinoina ny fijaliana niaretan-dreninao.
28Tsarovy fa izy ireo no nahitanao masoandro,
ka inona no hamalianao ny soa nataony taminao?
Adidy amin’ny mpisorona29Hajao amin’ny fo manontolo ny Tompo
ary omeo haja lehibe ny mpisorony.
30Tiava amin’ny herinao manontolo Ilay Mpahary anao
ary aza atao tsirambina ireo mpandraharahany.
31Hajao ny Tompo; ary omeo voninahitra ny mpisorony
ka tolory ny anjarany araka izay voadidy hataonao:
dia ny voaloham-bokatra sy ny sorona fanalana ny ota,
ny sorok’ireo biby izay natolotra ny Tompo,
ary ny fanatitra sy santa-bokatra voatokana.
Adidy amin’ny mahantra32Atsory ny tananao hanasoa ny mahantra,
dia hihatra feno aminao ny tsodrano azonao.
33Aoka ny velona rehetra no hohasoavin’ny fanomezanao;
ary aza lavinao koa ny hanisy soa ny maty hahatsara levina azy.
34Aza midify tsy hankeo amin’izay mitomany,
ary miaraha ory amin’izay ory.
35Aza misalasala ny mamangy marary;
ny asa toy ireo manko no hitiavana anao.
36Amin’ny ataonao rehetra, tsarovy ny hiafaranao,
dia tsy hanota na oviana na oviana ianao.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.