Salamo 88 - Malagasy Bible Interconfessionelle

SALAMO Voatondro roa no tsy nahafaty ahy

1 Tononkira. Salamo nataon’ny terak’i Kôra. Tao amin’ny tahirin-kiran’ny filohan’antoko-mpihira. Hohiraina amin’ny feo malahelohelo. Tononkalo fananarana avy amin’i Hemàna zanakalahin’i Zerà

.

2Ry TOMPO Andriamanitra mpamonjiko ô,

miantso vonjy aminao aho na andro na alina.

3Aoka ho tonga eo anatrehanao ny fivavako;

atongilano ny sofinao hihaino ny tarainako.

4Eny, tofoky ny fahoriana aho,

ary efa ambavahaona ny aiko.

5Heverina ho isan’ireo afaka aina

izay efa midina mankany am-pasana aho

sady tahaka ny olona tsy manan-kery intsony.

6Any amin’ny maty no anjara toerako

toy ireo faty mitsitra ao am-pasana,

izay tsy tsaroanao intsony

sady tsy ombàn’ny fiarovanao.

7Napetrakao any am-paran’ny lavaka aho,

any amin’ny haizina tsy hita noanoa.

8Nanindry mafy ahy ny fahatezeranao

toy ny onjan-drano nanotofanao ahy.

Fiatoana

9Nampanalavirinao ahy ireo namako;

izaho dia nataonao nankaloiloy azy.

Voahidy tao amin’ny fahoriako aho,

ka tsy tafavoaka intsony.

10Jembin’ny alahelo ny masoko.

TOMPO ô, miantso vonjy aminao isan’andro aho

ka manandra-tanana hivavaka aminao.

11Hanao zava-mahagaga ho an’ny maty ve Ianao?

Hitsangana indray ve ireny mba hidera Anao?

Fiatoana

12Ny fitiavanao ve hotantaraina any amin’ny maty

ary ny fahamarinanao hovisavisaina

any amin’ny toeram-pahaverezana?

13Ny zava-mahagaga vitanao ve

ho fantatra any amin’ny haizina?

Ary ny fitandroanao ny rariny ve

ho fantatra any amin’ny tany fanadinoana?

14Izaho kosa, TOMPO ô, miantso vonjy aminao;

vao maraina dia efa eo anatrehanao ny tarainako:

15TOMPO ô, nahoana no nanary ahy Ianao

ka tsy mety mijery ahy akory?

16Hatramin’ny fahazazàko

dia nahantra saika maty aho

ary very hevitra dia very hevitra

itambesaran’ny fampihorohoroanao.

17Safotry ny fahatezeranao aho

ary reraky ny fampitahoranao;

18toy ny rano nandifotra ahy isan’andro ireny

ka indray nanemitra ahy hatraiza hatraiza.

19Nampanalavirinao ahy ireo sakaizako

ka ny haizina sisa no hany namako.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help