Isaià 1 - Malagasy Bible Interconfessionelle

FIZARÀNA VOALOHANY

1Fanambaràn’i Isaià, zanakalahin’i Amôtsa, ny amin’i Joda sy i Jerosalema. Nanafaran’ny Tompo azy izany, tamin’ny andron’i Hozià sy i Jôtama ary i Ahaza sy i Hezekià mpanjakan’i Joda.

Vahoaka tsy mahalala na inona na inona

2Mihainoa, ry lanitra, ary mandrenesa, ry tany,

satria ny TOMPO no miteny hoe:

«Efa nitaiza sy nahalehibe zanaka Aho;

kanjo nikomy tamiko izy.

3Ny omby mahalala ny tompony manana azy,

ary ny boriky mahalala ny fihinanam-bilona

izay famahanan’ny tompony azy;

Fa i Israely tsy te hahalala na inona na inona;

eny, ny vahoakako tsy mba mahafantatra.»

Tsy misy tsy marary ny tanin’i Joda

4Loza! firenena mpanota ianao, ry Joda;

vahoaka mivesatra heloka ianareo,

solofon’ny mpanao ratsy, taranaka lomorina!

Nilaozanareo ny TOMPO,

nataonareo tsinontsinona ilay Masin’i Israely,

fa niamboho Azy ianareo.

5Aiza indray àry no tianareo hikapohana anareo

no mbola mikiry amin’ny ditranareo ihany ianareo?

Efa feno ratra avokoa ny loha,

ary marary ny fo manontolo.

6Hatrany am-paladia ka hatrany an-tampon-doha

dia tsy misy tsy marary:

ratra, dian-kapoka, fery vao,

tsy mbola nisy nanadio

na namehy na nanisy diloilo.

7Efa lao ny taninareo,

kilan’ny afo ny tanànanareo;

ny tany novolenareo aza

dia ny vahiny no nihinana

ny vokany teo anatrehanareo,

ka efa lao tokoa izany

tahaka ny faharavàn’i Sôdôma.

8I Jerosalema irery sisa no hany tafajoro,

toy ny tranotomboka ao anaty tanimboaloboka,

sy toy ny kitranotrano rantsan-kazo

ao anaty tanimbolin-kôkômbra,

ary toy ny tanàna efa atao fahirano.

9Raha tsy navelan’ny TOMPOn’izao rehetra izao

hisy olona vitsivitsy velona aina tamintsika,

dia ho efa tonga tahaka an’i Sôdôma

sy ho nitovy tamin’i Gômôra isika.

Fanompoam-pivavahana maharikoriko an’Andriamanitra

10Mihainoa ny tenin’ny TOMPO,

ry mpitondra lomorina tahaka an’i Sôdôma;

mandrenesa ny lalànan’ilay Andriamanitsika,

ry vahoaka ratsy toetra tahaka an’i Gômôra:

11«Hataoko inona moa, hoy ny TOMPO,

ireo sorona marobe atolotrareo?

Efa mankaleo Ahy mihitsy

ny ondrilahy atao sorona dorana manontolo

sy ny saboran-janak’omby nafahy.

Tsy ankasitrahiko intsony na ny ran’ombilahy

na ny ran’ny zanak’ondry na ny ran’osilahy.

12Ianareo izay tonga hiseho eto anatrehako,

moa Izaho ve no nangataka anareo

hanitsakitsaka ny kianjan’ny tempoliko?

13Atsaharo ny mitondra fanatitra fa tsy ilaina akory;

maharikoriko Ahy ny eton’ny soronareo;

atsaharo ny fankalazana ny tsinam-bolana

sy ny sabata ary ny fetim-piangonana.

Tsy zakako ny fanompoam-pivavahana mifangaro heloka.

14Halako ny fankalazanareo ny tsinam-bolana

sy ny fombam-pivavahanareo manetriketrika;

toy ny enta-mavesatra amiko ireny

ka sasatry ny mitondra azy Aho.

15Raha manandra-tanana hivavaka ianareo

dia hitampi-maso tsy hijery Aho.

Na manao vavaka maro aza ianareo,

dia tsy hihaino akory Aho,

satria feno ra ny tananareo.

16Koa misasà ary midiova ianareo;

esory tsy ho hitako intsony

ny asa ratsy fanaonareo,

atsaharo ny manao ratsy.

17Mianara hanao ny tsara,

tadiavo ny rariny,

avoty izay voan’ny tsindry hazo lena,

ento ara-drariny ny kamboty,

tsarao ny adin’ny mpitondratena.

Raha mbola hikomy ihany ianareo, dia...

18«Avia fa hifandahatra isika, hoy ny TOMPO.

Na dia mena midorehitra aza ny fahotanareo,

dia ho fotsy tahaka ny oram-panala,

na dia mangatrakatraka tahaka ny jaky aza ireny,

dia ho tahaka ny volon’ondry fotsy.

19Raha manaiky ianareo ka mankatò,

dia hihinana ny vokatra tsara avy amin’ny tany.

20Fa raha mandà kosa ianareo ka mikomy,

dia ny sabatra no handripaka anareo.»

Izany no nambaran’ny TOMPO.

Ny fanadiovana an’i Jerosalema

21Ahoana no nahatonga janga ity tanàna nahatoky?

Feno rariny anefa tao taloha

sady nitoeran’ny fahamarinana;

fa ankehitriny kosa mpamono olona no ao.

22Toa volafotsy nanjary tain-drendrika

ary toa divay voatapo-drano ianao, ry Jerosalema.

23Mpikomy ireo mpanapaka anao,

sady mpiray tsikombakomba amin’ny mpangalatra.

Samy tia tsolotra izy rehetra,

ary mpandray kolikoly avokoa.

Ny kamboty tsy entiny ara-drariny

ary ny adin’ny mpitondratena tsy tsarainy.

24Noho izany ny TOMPO Andriamanitr’izao rehetra izao,

Ilay Maherin’i Israely, dia manao teny hentitra hoe:

«Loza! hiala vonkina amin’ny mpanohitra Ahy Aho,

ary hamaly faty amin’ireo fahavaloko!

25Ry Jerosalema,

hahita raharaha amiko ianao:

hodioviko amin’ny afo ianao

mba hialan’ny tain-drendrikao

ary hoesoriko ny lotom-pirakao rehetra.

26Haveriko amin’ny laoniny ny mpitsaranao

ho tahaka ny mpitsara taloha,

ary koa ny mpanolotsainao

ho tahaka ny tamin’ny andro fahiny.

Amin’izay ianao dia hantsoina hoe

‹Renivohi-pahamarinana› sy ‹Tanàna mahatoky.› »

27Ho voavonjy i Tsiôna

rehefa mitandro ny rariny;

ary ho voavonjy ireo mponiny

niala tamin’ny toe-dratsy

rehefa mampihatra ny fahamarinana.

28Fa ny mpikomy sy ny mpanota kosa dia hiara-potika,

ary izay mahafoy ny TOMPO dia ho levona.

29Tena ho diso fanantenana ianareo

ny amin’ireo hazo terebinta izay nolalainareo;

eny, ho menatra ianareo

ny amin’ireo toerana nofidinareo

hanaovana ny fombafomban-tsampy.

30Fa ho tahaka ireo hazo terebinta

mihintsan-dravina ianareo

sy ho tahaka ireo toerana tsy misy rano.

31Ho toy ny vohavoha ny lehilahy mahery

ary ho toy ny kilalaon’afo ny asany

hodorana miaraka izy roa tonta

ka tsy misy hamono ny afo.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help