Jôba 7 - Malagasy Bible Interconfessionelle

Ny valintenin’i Jôba (tohiny): mitaraina ny amin’Andriamanitra izy.

1Mafy tahaka ny asa fanompoana

ny fiainan’ny olombelona eto an-tany;

ary toy ny andron’ny mpikarama

no mahamàzana ny androny.

2Toy ny mpanompo mba maniry alokaloka izy

na tahaka ny mpikarama miandry ny karamany.

3Toy izany koa no nanjo ahy

am-bolana maro nahitam-pahoriana

ary alina nifandimby nizakam-pijaliana.

4Raha vao mandry aho,

dia manao anakampo hoe:

«Rahoviana aho no hifoha?»

Fa tsy mety tapitra ny alina,

ary mivadibadika aho mandra-maraina.

5Olitra sy hatina mifangaro vovoka

no mandrakotra ny tenako manontolo;

miempaka sady mandeha nana ny hoditro.

6Mandalo sy lany tsy misy fanantenana ny androko,

eny, mandalo faingana noho ny famahanan-tenona.

*

7Mba tsarovy, Andriamanitra ô,

fa tsio-drivotra miserana ny aiko;

tsy hahita fahasambarana intsony ny masoko.

8Ny masonao izay nijery ahy

dia tsy hahita ahy intsony;

rehefa hizaha ahy ianao,

dia tsy ho eo intsony aho.

9Ny rahona, rehefa misava, dia levona:

toy izany koa izay midina any an-toeran’ny maty

dia tsy mba hiakatra avy any intsony.

10Tsy hiverina any an-tranony intsony izy,

ary tsy hahalala azy intsony ny fonenany.

11Koa tsy hamehy vava hangina intsony aho,

fa misefosefo mafy ka tsy maintsy hiteny

ary tezitra anaty ka voatery hitaraina.

12Moa ve Ranomasimbe aho sa Dràgon-dranomasina

no dia ataonao tsara ambina, Andriamanitra ô?

13Raha ilay mandry eo am-parafara iny aho

ka mba manantena hahita fitoniana sy fampiononana,

14dia tonga ianao mampitahotra ahy amin’ny nofiratsy,

ary mampihorohoro ahy amin’ny fahitana.

15Ka dia aleoko kendainao ho faty

toy izay mitofezaka misarin-kàrana.

16Tsy tantiko intsony, fa tsy ho velona ela aho.

Zava-poana ihany ny androm-piainako!

Koa avelao hilamina amin’izao aho.

*

17Inona moa ny olona no dia omenao lanja lehibe

ka andrianin’ny fonao aoka izany?

18Tonga mitsidika azy isa-maraina ianao

sady mizaha toetra azy tsy an-kiato.

19Rahoviana no hitsahatra ny fijerenao ahy

mba hamelanao ahy vetivety hitelin-drora?

20Na dia ho nanota aza aho,

nampaninona anao moa izany,

ry Mpiambina ny olombelona ô?

Nahoana no dia nataonao lasibatra aho?

Efa tonga enta-mavesatra ho anao ve aho?

21Nahoana no tsy avelanao ny fahadisoako

ary tsy esorinao ny heloka vitako?

Fa indro efa ho faty aho

ka handry eo amin’ny vovoka;

ary hitady ahy fatratra Ianao

saingy efa tsy izy intsony aho amin’izay.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help