Nomerỳ 1 - Malagasy Bible Interconfessionelle

I ISRAELY TAO AN’EFITR’I SINAYFanisana voalohany ny fokon’i Israely

1Izao no nolazain’ny TOMPO tamin’i Mosesy tany an-taniefitr’i Sinay, tao amin’ny Tranolay fihaonana, ny andro voalohan’ny volana faharoa tamin’ny taona faharoa nialan’ny Israelita tany Ejipta:

2–Ataovy ny fanisana ny fiangonan’ny Israelita rehetra araka ny fokony sy ny fianakaviany avy, ka raiso tsirairay ny anaran’ny lehilahy rehetra,

3dia izay vatan-dehilahy feno roapolo taona no ho miakatra ka mahatam-piadiana. Ianao sy i Aharôna no hanisa ireo araka ny tafika misy azy avy.

4Aoka hisy lehilahy anankiray isam-poko, dia lehilahy izay tokony ho filoham-pianakaviana, mba hanampy anareo.

5Ireto avy ny anaran’ireo lehilahy hanampy anareo:

i Elitsora zanak’i Sedeòra no avy amin’ny fokon’i Reobena;

6i Selomiela zanak’i Tsorisaday no avy amin’ny fokon’i Simehôna;

7i Nahasôna zanak’i Haminadaba no avy amin’ny fokon’i Joda;

8i Natanaela zanak’i Tsohara no avy amin’ny fokon’i Jisakara;

9I Eliaba zanak’i Helôna no avy amin’ny fokon’i Zebolòna;

10i Elisamà zanak’i Hamihoda no avy amin’ny fokon’i Efraîma zanak’i Jôsefa;

i Gamaliela zanak’i Pedahatsoro no avy amin’ny fokon’i Manase zanak’i Jôsefa;

11I Abidàha zanak’i Gidehônỳ no avy amin’ny fokon’i Benjamîna;

12i Ahihezera zanak’i Hamisaday no avy amin’ny fokon’i Dana;

13i Pagihiela zanak’i Hôkrana no avy amin’ny fokon’i Asera;

14i Eliasafa zanak’i Dehoela no avy amin’ny fokon’i Gada;

15Ahira zanak’i Henàna no avy amin’ny fokon’i Naftalỳ.

16Ireo no filoham-pianakaviana voafidin’ny fiangonana sady filohan’ny miaramilan’i Israely ihany koa.

17Nalain’i Mosesy sy i Aharôna ho lefiny ireo olona voatonona anarana ireo,

18ka novoriny ny fiangonana manontolo tamin’ny andro voalohan’ny volana faharoa, dia nosoratany ny anaran’ny lehilahy israelita rehetra feno roapolo taona no ho miakatra araka ny fianakaviany sy ny fokony avy,

19mifanaraka amin’ny nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy. Tao an-taniefitr’i Sinay no nanaovany ny fanisana.

20-43Ny isam-pokon’i Israely no nanaovam-panisana araka ny tarika sy ny fianakaviany avy, ka nanoratana ny anaran’ny lehilahy rehetra feno roapolo taona no ho miakatra ka mahatam-piadiana. Natomboka tamin’ny fokon’i Reobena lahimatoan’i Jakôba izany. Toy izao manaraka izao ny isa azo:

Ny fokon’i Reobena:

46 500

Ny fokon’i Simehôna:

59 300

Ny fokon’i Gada:

45 650

Ny fokon’i Joda:

74 600

Ny fokon’i Jisakara:

54 400

Ny fokon’i Zebolòna:

57 400

Ny fokon’i Efraîma zanakalahin’i Jôsefa:

40 500

Ny fokon’i Manase zanakalahin’i Jôsefa:

32 200

Ny fokon’i Benjamîna:

35 400

Ny fokon’i Dana:

62 700

Ny fokon’i Asera:

41 500

Ny fokon’i Naftalỳ:

53 400

44Ireo no vokatry ny fanisam-bahoaka izay nataon’i Mosesy sy i Aharôna ary izy roambinifolo lahy filoham-pianakaviana solotenan’ny fokony avy.

45Ka ny lehilahy israelita voaisa, feno roapolo taona no ho miakatra ka mahatam-piadiana,

46dia 603 550 no fitambarany.

Ny andraikitra manokana nosahanin’ny fokon’i Levỳ

47Fa tsy mba natao fanisana niaraka tamin’ny Israelita hafa ny Levita.

48Hoy manko ny TOMPO tamin’i Mosesy:

49«Aza isaina ny fokon’i Levỳ, ary aza anaovana fanisana miaraka amin’ny Israelita hafa izy.

50Fa ampiandraiketo azy kosa ny fitandremana ny Fonena-masina izay nametrahana ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana ary koa ny fanaka sy ny kojakoja rehetra momba azy. Ireo no hitondra ny Fonena-masina mbamin’ny fanaka rehetra momba azy sy hanao fanompoam-pivavahana ao aminy ary hitoby manodidina azy.

51Rehefa hiainga kosa ny Fonena-masina, dia ny Levita no hangorona azy; ary rehefa hijanona ny Fonena-masina, dia ny Levita no hanangana azy. Fa izay olon-kafa mitady hanatona eo dia hatao maty.

52Ny Israelita dia samy hitoby eo amin’ny tobiny avy sy eo akaikin’ny vondron-tafiny avy.

53Fa ny Levita kosa dia hitoby manodidina ny Fonena-masina mba tsy hirehitra amin’ny fiangonan’ny Israelita ny fahatezerako.»

54Notanterahin’ny Israelita avokoa izany, araka izay efa nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help