Salamo 7 - Malagasy Bible Interconfessionelle

SALAMO Tompo ô, omeo rariny aho

1 Fitarainana nataon’i Davida. Nohirainy teo anatrehan’ny TOMPO noho ny amin’i Kosy ilay Benjaminita.

2TOMPO Andriamanitro ô,

Ianao no fialofako.

Mba vonjeo re aho ary afaho

amin’izay rehetra manenjika ahy.

3Raha tsy izany, dia hamiravira ahy

tahaka ny fanaon’ny liona izy,

ka tsy hisy hanafaka

na hanaisotra ahy eny aminy.

4TOMPO Andriamanitro ô, raha nahavita

izany anaratsiany ahy izany aho,

raha nanao heloka ny tanako,

5raha namaly ratsy ny mpanasoa ahy aho

na nandroba an’ireo mpampahory

izay mandrafy ahy tsy amin’antony,

6dia aoka ny fahavaloko

hanenjika ahy ka hahatratra ahy!

Aoka hohoseny an-tany mbola velona aho,

ka hotarihiny am-bovoka ny hajako!

Fiatoana

7TOMPO ô, mirotsaha an-tsehatra Ianao.

Aoka hirehitra tokoa ny fahatezeranao!

Tohero ireo fahavaloko misafoaka;

mijoroa re Ianao mba hanampy ahy,

amin’ny fitsarana marina avoakanao.

8Aoka ireo firenena hivory hanotrona Anao;

ary makà toerana hanerinerina azy Ianao

eo amin’ilay sezafiandriananao.

9TOMPO ô, Ianao no mpitsara ireo firenena;

koa tsarao aho, ry TOMPO Avo Indrindra,

fa tia rariny aho ary tsy manan-tsiny.

10Ampitsaharo ny haratsian’ireo olon-dratsy,

ampioreno mafy kosa izay tia rariny;

fa Andriamanitra marina Ianao

no mahalala ny ao am-po tsy miloaka.

11Ny ampinga miaro ahy dia Andriamanitra,

ilay Mpamonjy an’ireo mahitsy fo.

12Mpitsara mitandro ny rariny Andriamanitra,

ka rahonany mandrakariva ny olon-dratsy.

13Koa raha tsy miala amin’ny ratsy ireo,

dia handrani-tsabatra Andriamanitra

sady hanenjan-tsipîka

ka hikendry hamely.

14Fiadiana mahafaty no omaniny,

dia zana-tsipîka mandoro.

15Indreo kosa ny mpiteti-dratsy:

loza no saintsaininy

lainga sy fitaka no aterany.

16Mihady lavaka lalina tokoa izy,

nefa izy ihany no mianjera ao.

17Ny loza nomaniny

dia mitsingerina eo an-dohany;

ary ny herisetra notetehiny

dia miantonta eo an-tampon-dohany.

18Hidera Anao aho, TOMPO ô,

fa mitandro ny rariny Ianao;

ary hankalaza ny anaranao amin-kira aho,

ry TOMPO Avo Indrindra ô.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help