Kôheleta 6 - Malagasy Bible Interconfessionelle

1Nahita zava-dratsy hafa mampahory aho teto ambonin’ny tany, ary mitambesatra amin’ny olombelona izany:

2dia olona omen’Andriamanitra vola aman-karena sy voninahitra ka manana izay rehetra iriny; kanefa tsy avelan’Andriamanitra hihinana amin’ny fananany izy fa olon-kafa no mitavana izany. Zava-poana sy zava-dratsy mampahory koa izany.

3Afaka miteraka zazalahy zato sy miaina an-taona maro ny olona iray. Saingy, na dia miaina an-taona maro aza izy, kanefa tsy mba voky fahasambarana sy tsy mahazo levenana, dia hoy aho hoe: ny zazarano aza sambatra kokoa noho izy.

4Fa na dia zava-poana aza ny nahatongavan’io zazarano io ka tao anaty haizina no nahalasanany ary tsy hotsarovana intsony izy;

5na tsy hitany na fantany akory aza izay masoandro, dia miadana kokoa noho ilay ela velona teo izy.

6Tsy ilaina akory ny miaina, na dia ho tratra arivo taona indroa aza, raha tsy mahita fahasambarana. Satria fahafatesana no fiafaran’ny fiainana rehetra.

7Miasa ny olona mba hampitony ny filàny saingy tsy mety afa-po izy.

8Fa inona no soa azon’ny hendry miohatra amin’ny adala? Inona no soa azon’ny olo-mahantra izay mahay miavo-tena eo amin’ny fiainana?

9Aleo mifaly amin’izay ananana hitan’ny maso toy izay manaiky harebirebin’ny faniriana, satria zava-poana sy manenji-drivotra koa izany.

Anatra mba ho hendry

10Izay rehetra misy dia efa voalaza anarana hatry ny ela ary iaraha-mahalala ny atao hoe olombelona; kanefa tsy azony atao ny mifandahatra amin’izay mahery noho izy.

11Fa arakaraka ny mahabe ny teny no mahabe ny zava-poana. Koa inona no soa azon’ny olona amin’izany?

12Mamakivaky ny fiainana toy ny fihelin’ny aloka ny olona. Iza no mahafantatra izay mahasoa ny olona amin’izao fiainana izao mandritra ny fotoana fohy iainany? Tsy misy hahalaza amin’ny olona izay zavatra hitranga eto ambonin’ny tany aorian’ny fahalasanany.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help