Salamo 21 - Malagasy Bible Interconfessionelle

SALAMO Mahazo matoky ny Tompo ny mpanjaka

1 Tao amin’ny tahirin-kiran’ny filohan’antoko-mpihira. Salamo nataon’i Davida.

2TOMPO ô, ny herinao no ifalian’ny mpanjaka

ary ny fandresenao no iravoany aoka izany.

3Nomenao azy izay zavatra nirîny

ary tsy nolavinao izay nangatahiny taminao.

Fiatoana

4Eny, notsenainao fitahian-tsoa izy

ka fehiloha volamena no nasatrokao ny lohany;

5ny fiainana nangatahiny nomenao azy,

dia andro mitandavana mandrakizay.

6Noho ny fandresenao dia lehibe ny voninahiny:

fiandrianana sy laza no arakotrao azy.

7Fa ataonao heni-pitahiana hatrany izy

ary ampifalînao amin’ny fanatrehanao.

8Eny, ny TOMPO no itokian’ny mpanjaka,

hany ka tsy hangozohozo akory izy

satria tia azy ilay Avo Indrindra.

9Ry Andriamanitra Mpanjaka ô,

ho azonao ny fahavalonao rehetra

ary ho eo am-pelatananao

ireo rehetra mpankahala Anao.

10Raha vao hiseho fotsiny Ianao,

dia ho toy ny afo mijoalajoala handevona azy.

–Eny, hofongoran’ny TOMPO amin’ny hatezerany anie ireny

tahaka ny andevonan’ny afo ireo zavatra dorana!–

11Hofoananao tsy ho eto an-tany ny taranany,

ka hoesorinao tsy ho eo amin’ny olombelona.

12Raha mikasa hanisy ratsy anao ireny

na mitady hanohitra, dia tsy hahomby;

13fa tifirinao amin’ny zana-tsipîka izy

ary ataonao rifatra mandositra.

14Misandrata, TOMPO ô, amin’izato herinao

fa hankalazainay an-kira ny fandresenao.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help