Jodita 10 - Malagasy Bible Interconfessionelle

Nankany amin’ny tobin’ny fahavalo i Jodita

1Rehefa nitsahatra niantso vonjy tamin’ilay Andriamanitr’i Israely i Jodita ka nahavita ireo teny rehetra ireo,

2dia niarina avy teo am-piankohofana izy ary niantso ilay mpanompovaviny. Dia nidina izy nankao anaty trano izay tsy itoerany afa-tsy amin’ny andro sabata sy amin’ny fankalazana.

3Nesorin’i Jodita ny akanjo malailay fitàfiany sy ny akanjo maha mpitondratena azy. Dia nandro izy ary nihosotra ilomanitra sarobidy; avy eo izy namboatra volo ary nametaka fehiloha teo sy nitafy ny akanjo tsara fitòndrany fony fahavelon’i Manase vadiny.

4Dia namehy kapa izy ary nametraka firavaka isan-karazany: fehivozona sy fehin-tanana, ary peratra sy kavina mbamin’ny haingo rehetra fanaony. Dia nirenty tsara tokoa i Jodita mba hahasarika ny mason’ireo lehilahy rehetra hahita azy.

5Nomeny hoentin’ilay mpanompovaviny kosa ny divay iray siny hoditra sy ny menaka iray tavoara. Nisy kitapo iray nofenoin’i Jodita lafarinina ôrza sy mofomamy miharo voankazo maina ary mofo sy frômazy; nofonosiny tsara ireo vatsy rehetra ireo ary nankininy koa tamin’ilay mpanompovaviny.

6Avy eo izy roa vavy dia nizotra nankany am-bavahadin’ny tanàna; ka hitany teo i Hozià mbamin’izy roa lahy loholon’ny tanàna, dia i Kabry sy i Karmy, izay teo amin’ny toeram-piambenana.

7Rehefa nahita an’i Jodita niova bika sy nisolo fitafiana toy izany izy telo lahy, dia variana tamin’ny hatsaran-tarehiny ka niteny taminy hoe:

8–Enga anie ilay Andriamanitry ny razantsika hanome fahombiazana anao ary hamela anao hanatanteraka izay kendrenao hatao mba ho voninahitry ny vahoaka Israely sy ho fisandratan’i Jerosalema.

9Dia niondrika nitsaoka an’Andriamanitra i Jodita ary niteny tamin’izy telo lahy hoe:

–Asaovy vohaina ny vavahadin’ny tanàna mba hahazoako mandeha any ivelany hanatontosa ny zavatra efa noresahiko taminareo.

Dia nodidian’izy telo lahy ireo zatovo mpiambina mba hamoha vavahady an’i Jodita araka ny fiangavian-dravehivavy.

10Dia nataon’ireo izany; ary lasa nivoaka ny tanàna i Jodita niaraka tamin’ilay mpanompovaviny. Ny vatan-dehilahin’i Betolia dia nijery an-dravehivavy hatrany mandra-pahatafidiny ny tendrombohitra ka nirosoany hamakivaky ny lohasaha. Avy eo dia tsy tazany intsony izy.

11Nandroso mahitsy nanara-dohasaha izy roa vavy ka notsenain’ny miaramila asirianina antoko-mpiambina lohalaharana.

12Najanon’ireo i Jodita ka nanontaniany hoe:

–Lafin’iza ianao, ary avy aiza ka ho aiza?

Dia novaliany hoe:

–Vehivavy anisan’ny Hebreo aho, ary nandositra avy any aminy satria fantatro fa efa hatolotra ho rembinareo izy.

13Tonga hifanatrika amin’i Hôlôferna filohan-tafikareo aho mba hampahalala azy ny tena toe-javatra. Hasehoko azy ny lalana tokony hizorany mba hifehezany ny faritra be tendrombohitra manontolo; ka tsy hisy hahafatesana ny miaramilany na dia anankiray aza.

14Nihaino an’i Jodita ireto miaramila sady nandinika ny tarehiny; ka hitany ho mahavariana tokoa ny bikany. Ary hoy ireo taminy:

15–Namonjy ny ainao ianao amin’izao dodona hifanatrika amin’ny mpifehy anay izao. Koa mandehana ianao mankany an-tranolainy. Hiara-dia aminao ny sasany aminay mba hanolotra anao ho eo ambany fahefàny.

16Rehefa tonga eo anoloan’i Hôlôferna ianao, dia aza matahotra ao am-ponao; fa avereno ny zavatra voalazanao taminay, dia ho tsara fitondra anao izy.

17Tamin’izay ireo mpiambina no nanendry andia-miaramila anisan’ny antokony mba hiara-dia amin’i Jodita sy ilay mpanompovaviny ka hitarika azy hankany amin’ny tranolain’i Hôlôferna.

18Tao amin’ny toby manontolo dia nirohotra nitangorona ny olona, satria niampitampita isan-tranolay ny fanambaràna fa hoe tonga i Jodita. Nohodidin’ireo olona ireo ravehivavy fony izy mbola teo ivelan’ny tranolain’i Hôlôferna, nandritra ny nampandrenesana an’ilay filohan-tafika.

19Nigaga ny bikan’i Jodita ny olona ary nigaga koa ny Israelita noho ny aminy, ka nifampilaza hoe:

–Ahoana no hanivaivaina firenena izay manana vehivavy bikana toy itony? Hampidi-doza ny mamela Israelita ho velona aina, na dia anankiray monja; izay sisa tavela eo dia mety handodoka ny tany manontolo.

20Dia nivoaka ny tranolay ireo mpiambina an’i Hôlôferna ary koa ireo rehetra manamboninahiny, ka nampiditra an’i Jodita hankao an-tranolay.

21Tamin’izay i Hôlôferna dia niala sasatra teo am-parafarany, tao ambany voaly aro moka, dia voaly vita tamin’ny karazan-damba jaky sarobidy, voahaingo volamena sy emeralda ary vatosoa hafa koa.

22Rehefa nampandrenesina azy ny amin’i Jodita, dia nandroso nankeny am-baravaran’ny tranolay izy, ka nisy fanilo volafotsy nentina nialoha lalana azy.

23Vantany vao tonga teo anoloan’i Hôlôferna sy ireo manamboninahitra kosa i Jodita, dia ny besinimaro no nigaga ny hatsàran’ny bikany; niondrika hatramin’ny tany ravehivavy teo anoloan’ilay filohan-tafika, fa natsangan’ireo mpanompo.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help