1Noho ny fanampian’ny Tompo nitantana azy, dia azon’i Joda Makabeo sy ireo namany indray ny tempoly sy ny tanàna Jerosalema.
2Noravany ny alitara natsangan’ny hafa firenena teo an-kianja mbamin’ireo tsatokazo fanompoan-tsampy.
3Dia nanadio ny tempoly izy ary nanangana alitara vaovao; avy eo namelona afo tamina vato kilonjy izy ka nahazo afo ho an’ny fatan’ny alitara, ary nanolotra sorona indray fa roa taona izay no niatoany. Nandoro ditin-kazo manitra hanetona koa izy ary nampirehitra ireo jiro sy nandahatra ny mofo fanolotra ho an’Andriamanitra.
4Vita izany, dia nihohoka tamin’ny tany izy, ka nivavaka tamin’ny Tompo mba tsy hampidi-doza toy izany aminy intsony; nangataka izy mba hofaiziny araka ny mety, raha mbola manota ihany, fa tsy hatolony an’ireo firenena mpaniratsira an’Andriamanitra sady barbarianina.
5Tamin’ny volana Kisleo, andro faha-25, no nanimbazimban’ireo hafa firenena ny tempoly, ka tamin’io andro io koa no nanadiovana azy.
6Fankalazana naharitra valo andro tahaka ny fanao amin’ny fetin’ny Tranotomboka no natao. Ka tsaroan’i Joda sy ireo mpomba azy fa andro vitsivitsy talohan’izay, dia tany an-tendrombohitra tany izy nandritra ny fetin’ny Tranotomboka, ary tao anaty zohy no nitoetra toy ny bibidia.
7Noho izany, dia nitondra fehezan-dravina sy sampankazo aman-tsampandrofia ireo sady nanandratra hira fiderana ho an’Ilay Andriamanitra namela azy hanatontosa tsara ny fanadiovana ny tempoly.
8Naraikitra ho didy voafidy sy lany eran’ny besinimaro ny hankalazan’ny firenena jiosy manontolo isan-taona izany fety izany.
Nandimby an-drainy i Antiôkosa Eopatôra9Toy izany àry no fomba nahafatesan’ilay Antiôkôsa nantsoina hoe Epifana.
10Dia indro kosa hasehoko izao ny amin’i Antiôkosa Eopatôra, zanakalahin’io mpankahala ny fivavahana jiosy io, ka hotantaraiko fohifohy ny loza vokatry ny ady nataony.
11Nony nandray ny fahefana maha mpanjaka i Eopatôra, dia nanendry ho praiministra an’i Lisià izay governora faratampon’i Kôilà-Siria sy i Fenisia
12nandimby an’i Ptôlemeo natao hoe koa Makrôna. Ity Ptôlemeo ity no governora voalohany nitandro ny hitsiny tamin’ny Jiosy taorian’ny zavatra tsy an-drariny nanjo azy ireo ary nikely aina hitondra azy tsy misy raorao.
13Kanjo izany indrindra no niampangan’ireo «sakaizan’ny mpanjaka» azy teo anatrehan’i Eopatôra. Sady imbetsaka izy no nandre ny tenany antsoina hoe mpamadika, satria nanankinan’i Filômetôra ny nosy Sipra izy kanefa nandao an’io nosy io mba hiandany amin’i Antiôkôsa Epifàna. Very haja ny fahefana nananany ka namono tena ho faty tamin’ny poizina izy.
Ny namelezan’i Joda Makabeo ny toera-mafin’i Idomea(Jereo 1 Mak 5.1-8)14Fony tonga governoran’i Idomea i Gôrjià, dia naka miaramila mpikarama an’ady ary nanararaotra izay fotoana azony namelezana ny Jiosy.
15Tetsy an-daniny koa ny Idomeanina izay nitana tranomimanda tsara toerana, dia nanelingelina ny Jiosy. Noraisiny rahateo izay voaroaka hiala tao Jerosalema ary niezahany izay hahavelona ny ady.
16Ry i Joda Makabeo sy ny namany, rehefa avy nivavaka sy nangataka tamin’Andriamanitra hanampy azy, dia niroatra namely ireo tranomimandan’ny Idomeanina.
17Nanaovany fananihana mahery vaika ireny, ka azony terỳ; voatosiny avokoa izay niady teo ambony manda, novonoiny avokoa izay rehetra tojo ny tanany, ka tsy latsaka ny antokon-tafika roapolo no maty.
18Nisy antokon-tafika sivy koa farafahakeliny no nialoka tao amin’ny tranomimanda anankiroa nisy tilikambo mafy dia mafy sady nanana izay ilainy rehetra hiaretana fahirano.
19I Simôna sy i Jôsefa ary i Zakeo mbamin’ireo namany ampy isa tsara no navelan’i Joda Makabeo hampikoy an’ireo; izy kosa lasa nankany amin’ny toerana nilana azy maika.
20Kanjo lian-karena loatra ny miaramilan’i Simôna ka nanaiky ny fanisiham-bola nataon’ny sasany mpiambina ny tranomimanda; dia nandray drakima fito alina ireo ka namela handositra ny voafahirano sasany.
21Rehefa nilazana izany zava-niseho izany i Makabeo, dia namory ny filohan’ny tafika navelany teo ary niampanga izay meloka satria nivarotra amam-bola ireo rahalahiny ka namela handeha ny fahavalo nitam-piadiana hamelezana azy.
22Dia nasain’i Joda novonoin-ko faty ireo mpamadika ireo; ary avy hatrany koa dia azony ny tranomimanda anankiroa.
23Tamim-pahombiazana no nitondrany ny fanafihana ka mihoatra noho ny antokon-tafika roapolo no naringany tamin’ireo tranomimanda anankiroa ireo.
Fandresena goavana azon’i Joda Makabeo tao Gezera24I Timôty, ilay efa resin’ny Jiosy teo aloha, dia namory miaramila vahiny betsaka sady naka mpitaingin-tsoavaly betsaka tany Azia, ary nandroso nombàn-tafika haka an’i Jodea indray.
25Nony mby akaiky io Timôty io, dia ny nivavaka tamin’Andriamanitra kosa no nataon’i Joda Makabeo sy ny namany; nohosenany vovoka ny lohany, ary nosikinany lasaka ny tenany;
26niankohoka teo am-pototry ny alitara izy, nangataka tamin’ny Tompo homba azy sy «ho fahavalon’ireo fahavalony ary ho rafin’ireo rafiny» araka ny voalaza mazava ao amin’ny bokin’ny lalàna.
27Vita ny fivavahany, dia noraisiny ny fiadiany; ka nivoaka an’i Jerosalema izy sy lasa lavidavitra ihany, ary efa mby teo akaikin’ny fahavalo vao nijanona.
28Ny ampitso, vao nazava ny andro, dia rafitra ny adin’izy roa tonta; ireto an-kilany moa dia ny fangatahana tamin’ny Tompo nomba ny herimpony no antoky ny fahombiazany amam-pandreseny; iretsy an-daniny kosa tsy naka mpitarika an’ady afa-tsy ny fisafoahan-kandramatra.
29Nony efa tena nangotraka iny ny ady, dia indreo hitan’ny fahavalo fa nipoitra avy an-danitra ireto olona dimy lahy mamirapiratra, nitaingin-tsoavaly voaisy sakam-bava volamena sady tonga nitarika ny Jiosy.
30Nataon’izy ireo teo afovoany i Joda Makabeo, dia narovany tamin’ny fiadiany ary nambenany tsy ho voaratra; fa ny fahavalo kosa nandefasany tselatra toy ny zana-tsipîka, hany ka jenjina sy nivadi-po ary dia nihahaka tao anaty korontana goavana.
31Miaramila an-tongotra nisy antokon-tafika roapolo sy andian-tafika dimy ary koa miaramila an-tsoavaly nisy andian-tafika enina no maty tamin’izany.
32Ny tenan’i Timôty aza lasa nitsoaka tao amin’ny toera-mafy anankiray voaambina tsara, atao hoe Gezera, izay Kereà no mpitari-tafika tao.
33Ry i Joda Makabeo sy ny namany kosa nanao fahirano azy tamin-kafanampo mifaly nandritra ny efatra andro.
34Natoky ny hamafin’ilay toerana ireo voafahirano, ka tsy nitsahatra naniratsira an’Andriamanitra sy namoaka vava fankahalana ny fivavahana jiosy.
35Vao nipoaka ny andro fahadimy, dia nisy zatovolahy roapolo tamin’ny miaramilan’i Joda Makabeo nirehi-pahatezerana tamin’izany faniratsirana an’Andriamanitra izany, ka niantoraka tamin-kasahiana nananika ny manda; izay fahavalo rehetra teo anoloany dia tamin-karomotana masiaka no namonoany azy ho faty.
36Ary niakatra avy any am-badika toy izany koa ny sasany ka namely ny voafahirano tandrify azy, ary nandoro ny tilikambo sy nandrehitra antontan-kitay hazo handorana velona an’ireo mpaniratsira an’Andriamanitra; iretsy voalohany kosa namaky ny vavahady sy nanokatra lalana hidiran’ny tafika sisa, izay nahazo ny tanàna.
37Tratra niery tao amin’ny lavaka famorian-drano anankiray i Timôty ka novonoina ho faty; ary natao toy izany koa i Kereà rahalahiny sy i Apôlôfàna.
38Rehefa vita izany asan-kerimpo izany, dia nanaovan’ny Jiosy hira fiderana sy fankalazana ny Tompo izay nahatontosa zava-dehibe ho an’i Israely ary nanome azy fandresena.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.