1 Haleloià!
Miderà ny TOMPO ianareo fa tsara Izy:
–eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany!
2Iza no afaka hilaza ny asa lehibe vitan’ny TOMPO
ka hampanako ny fiderana manontolo sahaza Azy?
3Sambatra izay mitandrina ny rariny
ka manao ny hitsiny amin’ny fotoana rehetra.
4TOMPO ô, mba tsarovy aho,
rehefa anehoanao fitia ny vahoakanao;
mba tolory famonjena aho,
rehefa mamonjy azy Ianao.
5Aoka hahita ny fandrosoan’ireo voafidinao aho
ary hiombom-pifaliana amin’ny vahoakanao
sy hiara-miravoravo amin’ireo voatokana ho Anao!
6Efa nanota toy ny razanay izahay,
eny, efa nivoana sy nanao ratsy.
7Fony tany Ejipta ny razanay,
dia tsy nahatakatra ny asanao mahagaga;
tsy nahatsiaro ny halehiben’ny fitiavanao izy,
koa teo akaikin’ny Ranomasin’ny Volotara
dia nikomy taminao Avo Indrindra.
8Nefa noho Izy Tompo dia novonjeny ny razanay
mba hampahafantarany ny heriny lehibe.
9Norahonany ny Ranomasin’ny Volotara
ka maina niaraka tamin’izay;
dia toy ny mandeha amin’ny tany maina
no nitondrany azy hitety ny fanambanin’ny ranobe.
10Novonjeny tsy ho azon’ny mpankahala ireo
ary nafahany tsy ho voatanan’ny fahavalo.
11Voarakotry ny rano kosa ireo mpandrafy
ka tsy nisy niangana na iray aza;
12ka dia mba nino ny tenin’Andriamanitra
sy nihira fiderana Azy ny razanay.
13Vetivety anefa dia hadinon’ireo razanay
ny asa nataon’Andriamanitra
ka tsy andriny akory ny fandaharany.
14Voan’ny fitsiriritana tany an-taniefitra ireo
ary nihantsy an’Andriamanitra tany an-tany hay.
15Dia nomeny azy ny hena notakîny
ka nataony voky sy leony mihitsy ireo.
16Tao an-toby kosa dia nisy nialona i Mosesy
sy i Aharôna ilay voatokana ho an’ny TOMPO.
17Koa nivava ny tany nitelina an’i Datàna
sady nanarona ny tarik’i Abirama.
18Afo no nandoro ny tarik’izy roa lahy,
lelafo no nandevona ireo olon-dratsy ireo.
19Dia nanamboatra ombilahikely tao Hôreba ny razanay,
ka niankohoka teo amin’ny sarivongana varahina.
20Ny voninahitr’Andriamanitra dia nosoloiny
sarivongan’ombilahy homana ahitra.
21Hadinony Andriamanitra mpamonjy azy,
Ilay nanao zava-dehibe tany Ejipta,
22dia ireo zava-mahagaga
tao amin’ny tanin’i Hama
ary koa ireo zava-mahatalanjona
teo amin’ny Ranomasin’ny Volotara.
23Dia nilaza Andriamanitra fa handringana azy;
kanjo i Mosesy ilay voafidiny
dia nanelanelana teo anatrehany
ka nisakana ny hatezerany tsy hamongotra.
24Avy eo tsy nasiany lanjany akory
ilay tany mahafinaritra
ary tsy ninoany velively
ny fampanantenan’Andriamanitra;
25fa nikomy tao an-dainy izy
ary tsy nihaino intsony izay nolazain’ny TOMPO.
26Koa nanangan-tanana hianiana Andriamanitra
fa handringana an’ireo razanay any an-taniefitra,
27hampiely ny taranany any amin’ny hafa firenena
ka hamela azy ho faty any an-tany rehetra any.
28Tao Pehôra dia nanolo-tena ny razanay
hanompo ny sampy Bahala
sady nihinana ny hena natao sorona
ho an’ny andriamanitra maty.
29Nampahatezitra ny Tompo izy tamin’izany,
koa namely azy tampoka ny areti-mandringana.
30Saingy nijoro i Pinehasa nanelanelana,
dia nitsahatra ilay areti-mandringana:
31koa izany asa soa izany dia hahatsiarovana azy
eo amin’ny taranaka mifandimby ary mandrakizay.
32Nampahatezitra ny Tompo koa ny razanay
teo akaikin’ny loharanon’i Meribà,
ka nampahita faisana an’i Mosesy
33izay tofoka loatra tamin’ny nafitsok’ireo
ka nahavoaka teny tsy voahevitra.
34Tsy naringan’ny razanay ny Kanahanita,
na dia nasain’ny TOMPO nataony aza izany.
35Niharoany ny hafa firenena
sady nianarany ny fanaony;
36ary notompoiny ny sampin’ireny
ka tonga fandrika ho azy izany.
37Nataony sorona ho an’andriamani-tsiizy
ny zanany lahy sy ny zanany vavy.
38Novonoiny ho faty ny ankizy tsy manan-tsiny
izay nataony sorona ho an’ny sampin’i Kanahàna;
ka nandotoany ny tany ireo olona nalatsa-dra ireo.
39Nozimbainy tamin’ny nataony koa ny tenany
fony izy nivadika tamin’ny Tompo Andriamaniny.
40Koa nirehetan’ny fahatezeran’ny TOMPO ilay vahoakany
ary naharikoriko Azy tokoa ireo voatokana ho fananany.
41Natolony ho eo an-tanan’ny hafa firenena izy,
ary tonga nanompo vahoaka mpankahala azy,
42noporetin’ireo fahavalony izy
ary niforitra teo ambany fahefàny.
43Imbetsaka izy no nafahan’ny Tompo,
saingy nikiry tamin’ny fikomiany
ka nilentika tanaty heloka hatrany.
44Hitany ny fijalian’ireo
ary reny ny fitarainany.
45Dia tsaroany ny fanekempihavanany hitsimbinana azy;
be fitiavana Izy ka nanjary niova hevitra taminy.
46Izay rehetra namabo ny razanay
dia nataony nahay nangoraka azy.
47TOMPO Andriamanitray ô, vonjeo izahay
ka angony avy any amin’ny hafa firenena,
mba hideranay ny anaranao masina
ary hifalianay amin’ny fankalazana Anao.
48Hisaorana anie ny TOMPO Andriamanitr’i Israely
hatrizay hatrizay ka ho mandrakizay!
Ary aoka ny vahoaka rehetra tafangona hilaza hoe:
Amen! Haleloià!
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.