Jeremià 22 - Malagasy Bible Interconfessionelle

1Izao no voalazan’ny TOMPO tamin’i Jeremià:

–Midîna any an-dapan’ny mpanjakan’i Joda ianao ka ambarao any ity hafatra ity

2ary lazao hoe: «Mihainoa ny tenin’ny TOMPO ianao, ry mpanjakan’i Joda izay mipetraka eo amin’ny sezafiandrianan’i Davida, dia ianao sy ny manamboninahitrao ary ny vahoakanao izay miditra amin’ireto vavahadin’ny lapa ireto.»

3Izao no lazain’ny TOMPO: Mampihara ny rariny sy ny hitsiny, afaho eny an-tanan’ny mpitsentsitra ireo olona volosany. Aza mampijaly na misetrasetra ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena; ary aza mamono ho faty ny tsy manan-tsiny amin’ity toerana ity.

4Raha manaraka tokoa izao teny izao ianareo, dia mbola hisy ihany mpanjaka hipetraka eo amin’ny sezafiandrianan’i Davida, ka handehandeha mitaingin-tsoavaly na kalesy. Ho afaka mandalo hatrany amin’ny vavahadin’ity lapa ity izy sy ny manamboninahiny ary ny vahoakany.

5Fa raha tsy hihaino izany hafatra izany kosa ianareo, dia ny tenako no ianianako ary Izaho TOMPO no miteny hentitra, fa ho rava tokoa ity lapa ity.

6Eny, izao no lazaiko momba ny lapan’ny mpanjakan’i Joda:

Na dia tsara tahaka ny alan’i Gilehada,

sy ny tendron’i Libano aza ianao amiko,

dia hataoko tonga taniefitra

sy tanàna tsy misy mponina.

7Hanetsika mpandrava hamely anao Aho,

dia mpandrava izay samy ary fitaovana.

Hokapainy ny sederanao voafantina

ka hatsipiny any anaty afo.

8Firenena maro no handalo eo akaikin’ity tanàna ity ka hifanontany hoe: inona no antony nahatonga ny TOMPO hamely ity tanàna ity tahaka izao?

9Dia hovaliana hoe: «Satria nandao ny fanekempihavanan’ny TOMPO Andriamaniny izy, ka niankohoka tamin’ny andriamani-kafa sady nivavaka tamin’ireny.»

Ny amin’i Salòma, mpandimby an’i Josià

10Ry olon’i Joda,

Aza itomanianareo ny maty,

dia i Jôsià mpanjaka;

ary aza anaovanareo fisaonana izy;

fa itomanio dia itomanio kosa

ilay handeha, dia i Salòma mpanjaka,

satria tsy hiverina intsony izy

ka tsy hahita intsony ny tany nahaterahany.

11Eny, izao no lazain’ny TOMPO ny amin’i Salòma mpanjakan’i Joda izay nandimby an’i Jôsià rainy ary vao nandao ity toerana ity: «Tsy hiverina intsony izy.

12Ho faty any amin’ny toerana izay nitondrana azy ho babo any izy, fa tsy hahita ity tany ity intsony.»

Fitsikerana an’i Jôiakima

13Lozanao, ry Jôiakima,

fa nanorina ny lapanao ianao

nefa tsy araka ny hitsiny,

ary nanampy rihana ianao

nefa tsy araka ny rariny

fa nampiasainao maina ny namanao

ka tsy nomenao ny karamany.

14Hoy ianao anakamponao hoe:

«Manorina lapa miezinezina ho ahy aho

miaraka amin’ny rihana malalaka».

Dia loahanao hisy varavaran-kely izy

sady petahanao valin-drihana sedera

ary nasainao nolokoana mena ny rindriny.

15Te haneho ny maha mpanjaka ve ianao

ka nifidy ny hazo sedera

mba hampaningana anao?

Moa tsy nihinana sy nisotro

tahaka ny besinimaro ve ny rainao

sady nampihatra ny rariny sy ny hitsiny?

Ary nahitany hasambarana izany.

16Notsarainy ara-drariny tokoa

ny mahantra sy ny malahelo;

ary nahitany hasambarana izany.

Moa tsy izay manao toy izany ve

no tena mahalala marina Ahy TOMPO,

hoy ny teny hentitra ambarako?

17Fa ianao kosa tsy nijery

afa-tsy ny tombontsoanao,

ianao kosa tsy nieritreritra

afa-tsy ny hamono ny tsy manan-tsiny ho faty

ary ny hanao famoretana sy herisetra.»

18Noho izany, dia izao no lazain’ny TOMPO ny amin’i Jôiakima, zanakalahin’i Jôsià sady mpanjakan’i Joda:

Raha maty izy, dia tsy hisaonana,

na hifampitenenan’ny olona hoe:

«Loza ity, ry rahalahy! Loza ity, ranadahy!»

«Loza ity, ry rahavavy! Loza ity, ranabavy!»

Tsy hisy hitomany azy ka hanao hoe:

«Indrisy, ry tompokolahy!»

«Indrisy, ry ilay hajaina!»

19Halevina toy ny fandevina boriky izy;

ka ny fatiny hotaritarihina sy hariana

any ivelan’ny vavahadin’i Jerosalema.

Henatra sy fahafaham-baràka ho an’i Jerosalema.

20Miakara any an-tampon’i Libano

ka manaova koka lava, ry Jerosalema;

ataovy re any Basàna ny feonao

manaova koka lava

eny amin’ny havoanan’i Habarima

fa potika ny sakaizanao rehetra.

21Efa nampitandrina anao Aho

fony ianao nandry fahalemana

nefa novalianao hoe: «Tsy te hihaino aho.»

Fanaonao hatramin’ny fahazazana izany

ka tsy nety nihaino ny feoko mihitsy ianao.

22Indaosin’ny rivotra

ny mpitondra anao rehetra

ary lasan-ko babo ireo sakaizanao.

Ho menatra sy ho afa-baràka ianao

noho ny ratsy rehetra nataonao.

23Nilamina erỳ ianao

niteronterona teny Libano,

nanana akany tao anatin’ny sedera;

kanjo akory izato sentonao

fa nahazo anao tampoka ny fanaintainana

tahaka ny fahararin’ny vehivavy miteraka!

Momba an’i Kônià, zanakalahin’i Jôiakima

24Hoy ny teny hentitry ny TOMPO hoe: «Velona Aho ka mianiana fa na dia toy ny peratra fanombohan-kase eo an-tanako havanana aza ianao, ry Kônià zanakalahin’i Jôiakima sady mpanjakan’i Joda, dia hoesoriko hiala eo.

25Hatolotro ho eo an-tanan’ireo mitady hahafaty anao ianao, dia ireo olona atahoranao fatratra, izany hoe i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna sy ny andian-tafiny.

26Horoahiko ianao sy ny reninao ho any amin’ny tany izay hafa noho ny tany nahaterahanareo, ka any no hahafatesanareo mianaka.

27Haniry mafy hiverina atỳ amin’ny taninareo ianareo, nefa tsy ho tafaverina atỳ intsony.»

28Ao ny manontany hoe: «Moa vilany vaky tsy ilaina ve na fanaka tsy misy vidiny intsony ity lehilahy atao hoe Kônià ity? Nahoana no nakifika izy sy ny taranany ka noroahina ho any amin’ny tany tsy fantany akory?»

29–Ry taniko ô, ry taniko ô, ry taniko ô, henoy ny tenin’ny TOMPO.

30Izao no lazainy: «Aoka iny lehilahy iny hosoratana ho toy ny tsy niteraka sady tsy nahomby tamin’ny androm-piainany. Fa tsy hisy taranany hahazo hipetraka hanjaka eo amin’ny sezafiandrianan’i Davida na hifehy an’i Joda intsony.»

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help