1Nisy koa olona fito mirahalahy nosamborina miaraka amin-dreniny. Notadiavin’ny mpanjaka hoterena hihinan-kenan-kisoa voararan’ny lalàna izy valo mianaka, hany ka nokapohina tamin’ny karavasy aman-kozatr’omby.
2Niteny tamin’anaran’izy rehetra ny iray taminy nanao hoe:
–Inona no tadiavinao ary inona no tianao ho fantatra avy aminay? Vonon-ko faty izahay toy izay handika ny lalànan’ny razanay.
3Nisafoaka ny mpanjaka, ka nandidy ny hametrahana ambony afo sy vy makarakara amam-bilany.
4Vantany vao nafana mahamay ireo, dia io niteny tamin’ny anaran’izy rehetra io no nasainy notapahin-doha sy nohodiran-doha, ary notapahina tongotra aman-tanana teo anatrehan’iretsy rahalahiny sisa sy ny reniny.
5Nony voabory manontolo toy izany izy, dia nasain’ny mpanjaka nampanatonina ny afo iny mbola miaina iny ary nendasina teo amin’ny vy makarakara. Nihanaka manodidina ny fofon’ny nofo may avy eo amin’ny vy makarakara, fa izy mirahalahy sisa mbamin’ny reniny kosa nifampirisika mba samy ho faty amin-kerimpo koa niteny hoe:
6–Mahita antsika ny Tompo Andriamanitra ary hangoraka antsika marina tokoa Izy; i Mosesy mihitsy manko, ao amin’ilay tononkira nananarany an-kitsirano ny Israelita, no nilaza hoe: «Hangorahan’ny Tompo ireo mpanompony.»
7Rehefa maty toy izany ilay voalohany, dia nampandrosoina hampijaliana ny faharoa. Nohodirana mbam-bolony aloha ny lohan’io, dia nanontaniana izy hoe:
–Hihinana ity henan-kisoa ity ve ianao toy izay hampijaliana amin’ny vatana manontolo isaky ny rantsam-batana?
8Ary namaly tamin’ny tenin-drazany izy nanao hoe:
–Tsia!
Noho izany, dia niharan’ny fampijaliana tahaka ilay voalohany koa izy.
9Nony efa hiala aina izy, dia niteny tamin’ny mpanjaka hoe:
–Ianao mahavanon-doza io, manala anay amin’ny fiainana ankehitriny ianao. Ilay Mpanjakan’izao tontolo izao kosa hanangana anay ho amin’ny fiainam-baovao maharitra mandrakizay, satria maty noho ny fankatoavana ny lalànany izahay.
10Nanarakaraka an’io, dia nampijaliana indray ny fahatelo. Vao nasain’ny mpamono natranga ny lelany, dia natrangany avy hatrany; ary tsy nangovitra izy nanatsotra ny tanany.
11Ary tamin-kerimpo no nitenenany hoe:
–Andriamanitra no nahazoako ireto tanako ireto; noho ny fankatoavana ny lalànany, dia tsy ifikirako ireto ary antenaiko ho azo avy amin’Andriamanitra indray rahatrizay.
12Na ny tenan’ny mpanjaka, na ireo nanotrona azy, dia samy gaga tamin’ny herimpon’io tovolahy io izay tsy nihontsona akory tamin’ny fijaliany.
13Maty io, dia fampijaliana toy izany koa no nahatra tamin’ny fahefatra.
14Nony efa ambavahaona izy, dia niteny hoe:
–Sambatra izay manam-panantenana, rehefa maty novonoin’ny olombelona! Nampanantena manko Andriamanitra fa hanangana anay ho velona avy any amin’ny maty. Raha ianao kosa, dia tsy mba ho amin’ny fiainana no hitsangananao avy any amin’ny maty.
15Nentina indray ny fahadimy, dia nampijalina.
16Fa nibanjina ny mpanjaka io, ka nanao hoe:
–Na dia olona mety maty aza ianao, dia manam-pahefana amin’ny olombelona sy manao izay tianao. Kanefa aza heverinao fa nilaozan’Andriamanitra ny firenenay!
17Ianao kosa mahandrasa fa hahita ny fahefàny lehibe sy ny hampijaliany anao mbamin’ny taranakao.
18Nanarakaraka io, dia nentina ny fahenina. Rehefa ho faty izy, dia niteny hoe:
–Aza diso hevitra ianao, fa izahay ihany no mitarika izao fahoriana manjo anay izao noho ny nanotanay tamin’Andriamanitra; ka loza mahatsiravina no nihatra taminay.
19Saingy ianao sahy niady tamin’Andriamanitra io, dia aza mihevi-tena ny ho afa-potsiny.
20Mahagaga mihoatra noho izay azo lazaina sady mendrika hotsaroana fatratra ilay reniny. Nahita ireto zanany fito mirahalahy maty tanatin’ny indray andro monja izy, kanefa nahazaka izany tamin-kerimpo satria notohanan’ny fanantenana ao amin’ny Tompo.
21Samy nampirisihiny tsirairay avy izy ireo tamin’ny fitenin-drazany. Feno fisainana matotra izy, ka fientanentam-behivavy omban’ny herimpon-dehilahy no nilany taminy hoe:
22–Tsy fantatro izay nisehoanareo tao an-kiboko; tsy izaho no nanome fanahy amam-piainana anareo; tsy izaho no nanambatra ireo ampahan-javatra mamorona ny tenanareo.
23Ilay Mpahary izao tontolo izao no namorona ny olombelona hatramin’ny nahatorontoronina azy sady Izy no foto-piavian’ny zava-drehetra; noho izany, mbola hamindra fo aminareo Izy, ka hamerina aminareo ny fanahy amam-piainana satria fitiavanareo ny lalànany no anaovanareo sorona ny tenanareo ankehitriny.
24Nataon’i Antiôkosa fa naniratsira azy ravehivavy ary noheveriny ho fanevatevana azy ireo teniny ireo. Koa niezahany horesen-dahatra ilay faralahy mbola velona, nampanantenainy tamim-pianianana fa hataony tonga sambatra sy manan-karena raha mandao ny fomba amam-panaon’ny razany, dia horaisiny ho «sakaizan’ny mpanjaka» ary hanankinany andraikitra ambony.
25tsy noraharahain-drazazalahy akory anefa ireo fandrisihana ireo; ka ny reniny no nantsoin’ny mpanjaka sy nasainy nanome hevitra an’ity zatovo hamonjena azy.
26Nikirizany ela ravehivavy, vao nanaiky hitaona an-janany.
27Nihilana teo aminy tokoa ity reniny ka afaka nanodoka ilay mpanjaka masiaka, satria fitenin-drazany no nilazany hoe:
–Anaka, mamindrà fo amiko, izaho izay nitondra anao folo volana tao am-bohòka, nampinono anao telo taona, nikarakara anao ary namelona sy nanabe anao hatramin’izao taona izao.
28Koa mihanta aminao aho, jereo ny lanitra sy ny tany, diniho izay rehetra ao aminy; dia fantaro fa Andriamanitra no nahary izany avy amin’ny tsinontsinona ary toy izany no nisian’ny taranak’olombelona.
29Aza matahotra io mpamono io ianao, fa aoka ho mendrika an’ireo rahalahinao, ka ekeo ny ho faty mba hahitako anao miaraka amin’ireo rahalahinao rehefa mby amin’ny andro hanehoan’ny Tompo famindrampo.
30Mbola mamarana ny azy eo ny reniny, no niteny razazalahy hoe:
–Fa inona no andrasanareo? Tsy ekeko ny didin’ny mpanjaka; ny didy raketin’ny lalàna, izay nomen’Andriamanitra ny razanay tamin’ny alalan’i Mosesy, no ekeko.
31Ary ianao ry Antiôkosa, izay fototr’izao loza isan-karazany mamely anay Hebreo, dia tsy ho afa-mandositra ny famalian’Andriamanitra.
32Izahay manko no mijaly, dia noho ny fahotanay.
33Ary ny Tompo, ilay velona, na maneho vetivety ny hatezerany aminay aza mba hanafaizany sy hananarany anay, dia mbola hihavana indray aminay mpanompony.
34Ianao kosa, ry ilay mpanimbazimba fivavahana sy ilay mahavanon-doza indrindra amin’ny olombelona rehetra, aza miavonavona tafahoatra! Raha manainga tanana hamely ny mpanompon’Andriamanitra ianao, dia aza miantehitra amin’ny fanantenana tsy azo antoka.
35Mahita ny tontolo ilay Andriamanitr’izao rehetra izao, ka tsy mbola mandositra ny fitsarany akory ianao.
36Ireo rahalahiko izao dia maty satria nandala ny fanekempihavanan’Andriamanitra, ka nizaka fampijaliana vetivety hahazoana ny fiaina-maharitra mandrakizay; ianao kosa hotsaran’Andriamanitra ka hivesatra ny sazy tandrifin’ny fiavonavonanao.
37Raha ny amiko, toy ny nataon’ireo rahalahiko, dia amoizako ny aiko amam-batako ny lalànan’ny razako, ary mihanta amin’Andriamanitra aho mba hiantra faingana ny vahoakany, fa hampijaly sy hampangirifiry anao ka hahatonga anao hiaiky fa Izy irery no Andriamanitra.
38Enga anie ka ny tenako sy ireo rahalahiko no ho farany hianjadian’ny hatezeran’ilay Andriamanitr’izao rehetra izao; fa ara-drariny no nirehetan’izany tamin’ny firenenay.
39Nisafoaka kosa ity mpanjaka, hany ka nasiany mafy noho ireo taloha razazalahy; fa tsy zakan’i Antiôkosa ny vingavingain’olona.
40Tsy voalotom-panompoan-tsampy akory sady nitoky tanteraka tamin’ny Tompo no fomba nahafatesan’ilay tovolahy.
41Farany, dia maty nanarakaraka ireo zanany koa ny reniny.
42Aoka ho ampy ireo ny amin’ny sakafon-tsorona fanompoan-tsampy sy ny fampijaliana mihoa-pampana.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.