Salamo 42 - Malagasy Bible Interconfessionelle

BOKY FAHAROA(Salamo 42–72)SALAMO Tahaka ny diera maniry ny ranovelona aho

1 Tao amin’ny tahirin-kiran’ny filohan’antoko-mpihira. Tononkalo fananarana nataon’ny terak’i Kôra

.

2Tahaka ny diera maniry ranovelona

no aniriako Anao, Andriamanitra ô.

3Mangetaheta an’Andriamanitra aho,

dia ilay Andriamanitra velona.

Rahoviana aho no hiditra an-tempoliny

mba ho afaka hiseho eo anatrehany?

4Ranomaso no zary sakafoko

na andro izany na alina,

noho izaho ilazana foana hoe:

«Aiza ity Andriamanitrao?»

5Hontsa tokoa aho mahatsiaro ny fahiny

fony aho niaraka tamin’ny besinimaro

nandroso nankao an-tranon’Andriamanitra,

ombàn’ny feo fihobiana sy fiderana

redonim-bahoaka indray mankalaza.

6Nahoana re aho no mitanondrika

sy mitoloko toy izao ato anatiko?

Aoka Andriamanitra no hitokiako!

Eny, mbola hoderaiko hatrany Izy,

dia ilay Mpamonjiko sady Andriamanitro!

7Tsy hitanondrika foana aho, Tompo ô,

fa aleoko mivetsovetso Anao

avy atỳ amin’ny faritra iandohan’i Jôrdàna,

dia ny tendrombohitra Hermôna sy Mitsehara.

8Mitambolimbolina ny ranobe,

satria mirohondrohona ny riananao;

miantonta toy izany hanafotra ahy avokoa

ny onja aman’alondranom-pahoriana alefanao.

9Ny TOMPO anie haneho fitia amiko nony andro;

izaho kosa, nony alina, hihira sy hidera

an’ilay Andriamanitra fototry ny aiko.

10Ka dia izao no teny lazaiko

amin’Andriamanitra Vatolampiko:

«Nahoana moa Ianao no nanadino ahy?

Nahoana aho no nampahorîn’ny fahavaloko

ka manjary miaina mijoretra toy izao?»

11Ny fandatsalatsàny ahy

dia toa mahatorotoro ny taolako,

noho izaho ilazany foana hoe:

«Aiza ity Andriamanitrao?»

12Nahoana re aho no mitanondrika

sy mitoloko toy izao ato anatiko?

Aoka Andriamanitra no hitokiako!

Eny, mbola hoderaiko hatrany Izy,

dia ilay Mpamonjiko sady Andriamanitro!

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help