1Izay manaja ny Tompo dia tsy hisy ratsy hanjo azy;
fa hovonjeny hatrany izy isaka izay fitsapana mihatra.
2Ny olon-kendry tsy mba mankahala ny Lalàna;
fa izay mihatsaravelatsihy amin’izany kosa
dia tahaka ny sambo asian’ny tafio-drivotra.
3Mitoky amin’ny tenin’ny Tompo
ny olona mahira-tsaina;
ary ho azy ny Lalàna dia mendrika hitokiana
tahaka ny valintenin’ny Orîma sy ny Torîma.
Ny ketrina sy ny adala4Omany ny teninao, dia hohenoina ianao;
angony ny fahalalànao, vao mamaly ianao.
5Ny fihetseham-pon’ny olona adala
dia mivadibadika toy ny kodiaran-kalesy;
ary ny fomba fisainany kosa
dia haingam-pihodina toy ny lahin-tangerina.
6Ny sakaiza mpanamavo namana
dia manahaka ny lahin-tsoavaly izay maneno
amin’ny olona rehetra mitaingina azy.
Toe-javatra samy hafa7Nahoana moa ny andro anankiray
no manan-danja kokoa noho ny andro iray hafa,
kanefa samy avy amin’ny masoandro ihany
ny fahazavàn’ny andro tsirairay mandavantaona?
8Tao an-tsain’ny Tompo no nanavahana azy ireo:
eny, Izy no nandahatra ny fizaran-taona sy ny fankalazana;
9ka ny andro sasany nasandrany sy nohamasininy,
fa ny sasany kosa nataony ho anisan’ny andro tsotra.
10Eny, avy amin’ny vovotany ny olombelona rehetra
sady avy amin’ny tany rahateo koa
no namoronan’Andriamanitra an’i Adama;
11kanefa tamim-pahendrena lehibe
no nanaovan’ny Tompo azy ireo ho samy hafa
sy nampandehanany azy isan-tokony
amin’ny lalana samy nalehany avy.
12Ny olombelona sasany notahiny sy nasandrany,
ny sasany natokany ho afaka manakaiky Azy;
fa ny hafa kosa nozoniny sy naetriny
ary naongany hiala amin’ny toeran’izy ireo.
13Tahaka ny tanimanga eo an-tanan’ny mpanefy
ka azony volavolaina araka izay itiavana azy;
toy izany koa ny olona eo an-tanan’Ilay nanao azy
ka hovaliany araka izay heveriny ho mety.
14Eo anatrehan’ny ratsy ny tsara;
eo anatrehan’ny fahafatesana ny fiainana;
toy izany koa ny olona mpanota
dia eo anatrehan’ny olona tia vavaka.
15Diniho araka izany avokoa àry
ny asan’Ilay Avo Indrindra,
fa mifanindrana tsiroaroa izy ireo
ka ny iray mifanohitra amin’ny iray hafa.
Eritreritry ny mpanoratra momba ny asany16Izaho kosa no farany niari-tory handinika
tahaka ny mpitsimpona voaloboka aorian’ny mpioty;
17fa noho ny fitahian’ny Tompo
dia niroso teo alohan’ny mpioty aho,
ka nameno ny famiazam-boaloboko
tahaka an’ireo mpioty ireo koa.
18Hevero fa tsy ho an’ny tenako ihany
no nanaovako fikelezana aina
fa ho an’izay rehetra mitady fanabeazana.
Fitantanana ny ankohonana sy ny fananana19Mba henoy aho ary anongilano sofina,
ry lehiben’ny vahoaka sy ry filoham-pivoriana.
20Na zanaka, na vady, na mpiray tampo, na sakaiza,
dia aza misy omem-pahefana aminao,
raha mbola velona aina koa ianao;
ary aza afoy ho an’ny hafa ny fanananao,
fandrao hanenina ianao ka hangataka azy indray.
21Raha mbola velona sy manam-pofonaina ianao,
dia aza avela hisy olona hanjakazaka aminao;
22fa aleo ny zanakao no hangataka aminao,
toy izay ianao no hanaraka ny baikon-janakao.
23Amin’ny zavatra rehetra ataonao,
dia aoka ianao no ho tompon’andraikitra;
ary aza avela ho voatohintohina ny lazanao.
24Rehefa tonga ny andro farany iainanao
sy ny fotoana hahafatesanao,
vao mizarà fananana amin’ny mpandova.
Ny mpanompo25Ny vilona sy ny kapoka ary ny entana
no anjaran’ny boriky;
fa ny hanina sy ny famaizana ary ny asa kosa
no anjaran’ny mpanompo.
26Ampiasao ny mpanomponao,
dia hanam-pitsaharana ianao;
fa raha avelanao hanao izay tiany izy,
dia hitady fomba handosirana.
27Mampiondrika ny vozom-biby
ny zioga sy ny lamboridy;
ary mamolaka ny mpanompo ratsy fanahy
ny fampijaliana amam-pangirifiriana.
28Iraho hiasa ny mpanomponao
mba tsy hipetraka hidonana-poana,
29satria ny fidonanaham-poana
dia mampianatra haratsiana maro.
30Ampanaovy raharaha izy araka izay sahaza azy;
ary raha tsy manaiky izy, dia vesaro gadra.
Kanefa aza mitaky mihoatra ny mety,
na amin’iza na amin’iza,
ary aza manao na inona na inona
mifanohitra amin’ny rariny.
31Raha mpanompo iray ihany no anananao,
dia ento tahaka ny tenanao izy,
fa herim-ponao no nahazoanao azy;
raha io iray io ihany no anananao,
dia ento tahaka ny rahalahinao izy,
fa tahaka ny ainao no hilànao azy.
32Raha ratsy fitondra azy ianao,
ka lasa mitsoaka mandositra izy,
33dia aiza no lalan-kalehanao hitady azy?
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.