1Tompo ô, lehibe sy sarotra hazavaina ny fitsaranao; ka dia izany no nampivaona ny olona tsy nety nianatra ny aminao.
2Ny haratsiam-panahiny no nahatonga azy hihevitra ny firenenao masina ho eo ambany fahefàny; koa dia voagadran’ny haizina sy voababon’ny alina tsy misy fiafarany izy ary voahidy aman-tranony ka nivalampatra tao, niery ny fiahianao mandrakizay.
3Noheveriny fa hitoetra tsisy mpahita ny fahotany miafina, voasarona voaly matevin’ny fanadinoana; kanjo nihahaka ireo olona ireo fa azon-tahotra mafy ary nivarahontsan’ny fahitana mampihoron-koditra.
4Tsy naharo azy tamin’ny tahotra ny toera-mangina niafenany, fa feo mampatahotra no mirohondrohona manodidina azy ary matoatoa mamohehatra sady maloka endrika no niseho taminy.
5Na ny afo mahery indrindra aza tsy nampahazava azy ary ny fanjopiakan’ny kintana tsy nahatantera-pahazavana izany alina mahatsiravina izany.
6Fa afon’arina mirehitra ho azy no sisa niseho taminy ka nameno tahotra azy; rehefa dify anefa izany fahitana izany, dia vao mainka nihoron-koditra izy ka nihevitra izay hitany ho mbola ratsy kokoa.
7Fa tsy manan-kery ny fitaka ataon’ny mpanao majika ary tonga henatra ho azy ny fahalalana nihamboany.
8Nilaza tena ho mahay mandroaka ny horohoro aman-tahotra amin’ny fanahin’olona marary izy, kanjo izy aza mba mararin’ny tahotra mahatsikaiky.
9Ary na dia tsy nisy zavatra tokony hampahatahotra azy akory aza, ny fandalovan’ny biby sy ny fisiokan’ny bibilava ihany dia mampangitakitaka azy;
10efa ho fatin’ny tahotra izy ka tsy sahy mijery ao amin’ny maizina izay tsy azony ialana.
11Fa vavolombelon’ny hakanosany ny faharatsiam-panahy ka manamelo-tena; enjehin’ny eritreriny izy ka tonga misaintsaina ny ratsy kokoa hatrany.
12Ny tahotra dia tsy inona akory fa fandavana ny fanampian’ny saina.
13Fa arakaraka ny tsy itokiana izany fanampiana izany ao anaty no vao mainka tsy ahalalana izay mahatonga ny fahoriana.
14Ireo olona ireo kosa tsy tafandry mandry tamin’izany alina tsy manan-kery sady nipoitra avy any amin’ny fanambanin’ny toeran’ny maty izany, dia toeran’ny maty tsy manan-kery ihany koa.
15Fa sady nenjehin’ny matoatoa mahatsiravina izy no nivarahontsana very fanahy noho ny tahotra tampoka tsy nampoiziny.
16Izay olon-kafa tonga teo koa dia samy lavo tamin’ny tany ary voagadra sy voatana an-tranomaizina tsisy hidiny.
17Na mpamboly na mpiandry ondry na mpiasa manao asa mafy any an-kodahoda, dia samy tratry ny loza avokoa, tsy afa-miala amin’izay anjarany.
18-19Gadralavan’ny haizim-pito no namatotra azy rehetra. Nampivarahontsana azy rehefa mety feo reny toy ny fitsokan’ny rivotra, ny hiram-borona mahafinaritra anaty kirihitra, ny firohondrohon’ny rian-drano mahery, ny fidoboky ny vato mikodia, ny rodorodo tsy hita maso fanaon’ny biby mifalihavanja, ny faneron’ny biby masiaka, na koa ny ako averin’ny lavaky ny tendrombohitra.
20Nohazavain’ny hazavana mamirapiratra ny tontolo ka nanohy miadana ny asa fanaony.
21Fa ireo kosa voasaron’ny ali-mampahory izay tandindon’ny haizim-pito efa niandry azy. Nefa mbola navesatra taminy mihoatra noho ny haizim-pito aza ny tenany ianjadian’izany.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.