1Koa tonga tao Jerosalema niaraka tamin’ny tafiny manontolo i Nebokadnetsara. Nitoby manoloana ny tanàna ireo miaramilany, ary nanao tovon-tany manodidina an’i Jerosalema. Taona fahasivy nanjakan’i Tsedekià tamin’izay, ary andro fahafolon’ny volana fahafolo.
2Naharitra hatramin’ny taona faha-11 nanjakan’i Tsedekià ny fanaovana fahirano.
3Mafy dia mafy ny mosary tao an-tanàna ka tsy nanan-kohanina ny mponina; ary tamin’ny andro fahasivin’ny volana fahefatra
4dia nisy noloahan’ireo Babilônianina ny mandan’ny tanàna. Koa nony alina dia nitsoaka nandositra ireo miaramila jodeanina rehetra. Na dia voahodidin’ny Babilônianina aza ny tanàna, dia niala tao Jerosalema ireo ka nandalo ny vavahady tanelanelan’ny manda roa sady takaikin’ny zaridainan’ny mpanjaka; ary nihazo ny lalana mankany amin’ny lohasahan’i Jôrdàna i Tsedekià mpanjaka.
5Kanjo nenjehin’ny miaramila babilônianina izy ary tratrany teo amin’ny lemak’i Jerikao; dia nihahaka nandao an’i Tsedekià ny tafiny manontolo.
6Rehefa voasambotra ny mpanjaka, dia nentina tany amin’ny mpanjakan’i Babilôna izay tao Riblà, ary namoahana didim-pitsarana.
7Novonoina ho faty teo imason-drainy ireo zanakalahin’i Tsedekià. Avy teo dia nasain’i Nebokadnetsara nopotsirina ny mason’i Tsedekià; ary nasainy nafatotra gadra halimo izy ka nentina nankany Babilôna.
Ny nahazoana an’i Jerosalema; ny fanaovana sesitany faharoa(Jereo Jer 39.8-10; 52.12-30; 2 Tan 36.17-21)8Tamin’ny taona faha-19 nanjakan’i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna, nony andro fahafiton’ny volana fahadimy, dia tafiditra tao Jerosalema i Nebozaradàna filohan’ny mpiambina sady manamboninahitry ny mpanjakan’i Babilôna.
9Izy no nandoro ny tranon’ny TOMPO sy ny lapan’ny mpanjaka ary ireo trano tao an-tanàna, indrindra ny an’ny olona ambony rehetra.
10Ny manda manodidina an’i Jerosalema dia narodan’ny miaramila babilônianina rehetra izay niaraka tamin’ny filohan’ny mpiambina.
11Dia nentin’i Nebozaradàna ho babo ireo mponina sisa tao an-tanàna sy ireo olona nitolo-batana tamin’ny mpanjakan’i Babilôna ary ny sisa tamin’ireo mpahay taozavatra.
12Kanefa dia nisy ampahan’ny vahoaka mahantra navelany mba hamboly ny tanimboaloboka sy ny saha.
13Nopotehin’ny Babilônianina ireo andry halimo tao an-tranon’ny TOMPO mbamin’ireo kalesy ary ilay fitobian-drano halimo goavana teo an-kianja; dia nentiny nankany Babilôna avokoa ny halimo tamin’izany.
14Nalainy koa ny fanaka halimo rehetra fampiasa amin’ny fanompoam-pivavahana, dia ny vilany fasian-davenona sy ny sotron’afo mbamin’ny antsy sy ny lovia.
15Nentin’ny filohan’ny mpiambina koa ny fitaovana volamena sy volafotsy rehetra toy ny fandoroana zava-manitra sy ny tsatokaty famafazana.
16Tsy hita lanja ny halimo tamin’ireo fanaka rehetra nataon’i Salômôna ho an’ny tranon’ny TOMPO, dia ireo andry anankiroa sy ilay fitobian-drano goavana ary ireo kalesy.
17Ny andry tsirairay dia sivy metatra ny haavony ary misy lohany halimo izay mahatratra iray metatra sy sasany ny haavony sady voaravaka harato sy ampongabendanitra halimo ny manodidina azy. Mitovy ireo andry roa sy ny ravaka natao taminy.
18Dia nosamborin’ny filohan’ny mpiambina i Seraià mpisorombe sy i Tsefanià lefiny ary ireo mpisorona telo lahy mpiandry varavarana.
19Nosamboriny koa ny mpiasam-panjakana mpiandraikitra ny miaramila sy ny olona dimy lahy mpanolotsainan’ny mpanjaka, sy ny mpitantsoratr’ilay manamboninahitra misahana ny fiantsoana ho miaramila, ary ny teratany jodeanina miisa enimpolo lahy; fa samy hitany tao Jerosalema avokoa ireo.
20Nentin’i Nebozaradàna ho any amin’ny mpanjakan’i Babilôna tao Riblà anatin’ny faritr’i Hamata izy rehetra,
21ary nasain’ny mpanjaka hovonoina ho faty tao ihany.
Toy izany no nitondrana ny vahoaka Jodeanina ho babo lavitry ny taniny.
I Gedalià, governoran’ny tanin’i Joda(Jereo Jer 40.7–41.18)22Namela ampahan’ny vahoaka tao amin’ny tanin’i Joda ihany i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna; ka notendreny hifehy ireo olona ireo i Gedalià zanakalahin’i Ahikama sady zafikelin’i Safàna.
23Rehefa fantatry ny manamboninahitra sy ny miaramila jodeanina izay tsy nitolo-batana tamin’ny Babilônianina izany fanapahan-kevitr’i Nebokadnetsara izany, dia nankany amin’i Gedalià tany Mitsepà izy. Ireo manamboninahitra ireo dia i Jismahela zanakalahin’i Netanià, i Jôhanàna zanakalahin’i Karea, i Seraià zanakalahin’i Tanehometa avy any Netôfà, ary i Jaazanià avy any Mahekà.
24Dia nanizingizina tamin’ireo sy tamin’ny olom-peheziny i Gedalià nanao hoe:
–Aza matahotra ho anisan’ny mpanompon’ny Babilônianina ianareo; monena amin’ny tany ary maneke ny mpanjakan’i Babilôna, fa hahasoa anareo izany.
25Kanjo tamin’ny volana fahafiton’io taona io ihany dia tonga tao Mitsepà niaraka tamin’ny olona folo lahy i Jismahela zanakalahin’i Netanià, ka namono nahafaty an’i Gedalià mbamin’ny Jodeanina sy ny Babilônianina izay tao aminy.
26Dia niainga nankany Ejipta ny olon-drehetra na kely na lehibe mbamin’ny manamboninahitra noho ireo natahotra ny Babilônianina.
Nahazo famotsoran-keloka tamin’ny mpanjakan’i Babilôna i Jôiakina(Jereo Jer 52.31-34)27Fony 37 taona taorian’ny fanaovana sesitany an’i Jôiakina mpanjakan’i Joda, dia i Evila-Merôdaky no tonga mpanjakan’i Babilôna; koa tamin’ny volana faha-12, dia nomeny famotsoran-keloka i Jôiakina ka nasainy navoaka ny tranomaizina.
28Dia nanaovany teny mamy izy ary nomeny toerana ambony kokoa noho ny an’ireo mpanjaka hafa niaraka taminy tany Babilôna.
29Tsy navela hanao ny fitafian’ny mpigadra intsony izy, ary niara-nisakafo tamin’ny mpanjakan’i Babilôna nandritra ny andro sisa rehetra niainany.
30Izany koa no nahazoan’i Jôiakina tamin’ny mpanjakan’i Babilôna ny zavatra nilainy araka ny sahaza azy isan’andro mandra-pahafatiny.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.