1Niarahan’i Davida nihevi-draharaha ny komandin-tafika mifehy arivo na mifehy zato ary ny mpanapaka rehetra;
2ka taorian’izany, dia hoy i Davida tamin’ny Israelita rehetra tafangona teo:
–Raha sitraky ny TOMPO Andriamanitsika, sady heverinareo fa tsara, dia andeha isika haniraka faingana ho any amin’ny mpiray firenena havantsika tavela manerana ny tanin’i Israely, indrindra amin’ny mpisorona sy ny levita any amin’ny tanànany sy ny kijanany avy, mba hitaona azy hikambana amintsika.
3Dia halaintsika ho atỳ amintsika indray ny Vatamasina mirakitra ny Fanekempihavanan’ilay Andriamanitsika, satria tsy nahoantsika izany tamin’ny andron’i Saoly.
4Dia niombon-kevitra ny olona rehetra tafangona teo fa hanao araka izany satria teo imason’ny vahoaka rehetra dia mitombina ny fikasana.
5Dia novorin’i Davida i Israely lafy valo, manomboka amin’ny sisin-tanin’i Ejipta ka hatrany Lebô-Hamàta, mba handeha haka ny Vatamasina, any Kiriata-Jeharima.
6Ary niakatra niaraka tamin’ny Israelita rehetra i Davida ho any Bahalà, na hoe Kiriata-Jeharima, izay any Joda, mba hampakatra ilay Vatamasina fa eo amin’io Vatamasina io no iantsoana ny anaran’ny TOMPO Izay mipetraka eo ambonin’ny kerôbima
.7Nalaina tao an-tranon’i Abinadaba ny Vatamasina, dia nataingina teo ambony sarety vaovao; ka i Hozà sy i Ahiao no mpandroaka ny sarety.
8Ary i Davida sy ny Israelita rehetra dia niravoravo araka izay tratry ny heriny manontolo teo anatrehan’Andriamanitra, ka nihira niaraka tamin’ny lokanga sy ny valiha mbamin’ny amponga sy ny kipantsona ary ny trompetra.
9Nony tonga teo akaikin’ny famoloan’i Kidôna izy ireo, dia naninji-tanana hihazona ny Vatamasina i Hozà satria saika hazeran’ny omby io.
10Fa nirehi-pahatezerana tamin’i Hozà ny TOMPO ka namono nahafaty azy noho ny naninjirany tanana tamin’ny Vatamasina; dia teo anatrehan’Andriamanitra teo izy no maty.
11Taitra i Davida satria tena namely mafy an’i Hozà ny TOMPO, koa io toerana io dia nantsoiny hoe «Peretsa-Hozà», ary mbola izany no fiantso azy mandraka androany.
12Natahotra an’Andriamanitra i Davida tamin’izany andro izany ka nanao hoe:
–Fomba ahoana no hitondrako ho atỳ amiko ny Vatamasin’Andriamanitra?
13Koa tsy nafindran’i Davida ho any aminy, any an-tanànan’i Davida, ny Vatamasina; fa naviliny kosa izany ho ao an-tranon’i Hôbeda-Edôma, lehilahy avy any Gata.
14Telo volana no nipetrahan’ny vatamasin’Andriamanitra niaraka tamin’ny ankohonan’i Hôbeda-Edôma, tanaty efitrano voatokana ho azy; ary dia notahîn’ny TOMPO ny ankohonan’i Hôbeda-Edôma sy izay rehetra fananany.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.