2 Makabeo 2 - Malagasy Bible Interconfessionelle

Nafenin’i Jeremià ny fanaka fanompoana an’Andriamanitra

1«Ny raki-tsoratra tranainy no ahitana fa ny mpaminany Jeremià dia nandidy an’ireo hatao sesitany mba haka ny afo masina hafenina araka ny voatantara teo.

2Ankoatra izany, tamin’ny nanolorany azy ny bokin’ny lalàna, dia nampirisika azy ity mpaminany mba tsy hanadino ny didin’ny Tompo ary tsy ho voarebireby saina eo am-pahitana ny sampy volamena sy volafotsy mbamin’ny zavatra nandravahana ireny.

3Ary nilaza torohevitra hafa toy izany koa i Jeremià ka nampirisika ny voasesitany hiraiki-po amin’ny lalàna.

4«Ny raki-tsoratra tranainy anankiray koa no ahitana fa, araka ny baiko azony tamin’Andriamanitra, dia nampanalain’i Jeremià mpaminany ny Tranolay fihaonana sy ny Vatamasina ka nentiny niaraka taminy; dia lasa izy nankany amin’ilay tendrombohitra nanihin’i Mosesy sy nitazanany ny tany nampanantenain’Andriamanitra.

5Nony mby teo i Jeremià, dia nahita toerana mitarehin-johy; ka napetrany tao ny tranolay fihaonana sy ny vatamasina ary ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra, dia notampenany ny vavan-johy.

6Ny ampahan’ireo mpiara-dia tamin’ny mpaminany kosa nikasa hiverina tamin’io toerana io mba hanisy marika famantarana ny lalana, kanefa tsy afa-nahita izany.

7Nony fantatr’i Jeremià ilay tetika, dia nomeny tsiny ireo sady nitenanany hoe: ‹Tsy maintsy miafina hatrany hatrany izany toerana izany, mandra-pahatongan’ny hamorian’Andriamanitra ny vahoakany sy hamindrany fo aminy.

8Hasehon’ny Tompo indray amin’izay ireo zava-masina ireo; sady ho hita koa ny voninahitry ny Tompo ombàn’ny rahona, toy ny nisehoany tamin’ny andron’i Mosesy ary fony i Salômôna nivavaka mba hahavoatokana amim-pahamendrehana ny tempoly.›

9Voatantara ao koa fa io mpanjaka feno fahendrena io dia nanolotra ny sorona mariky ny fahavitana sy fitokanana ny tempoly.

10Ary toy ny nivavahan’i Mosesy tamin’ny Tompo ka nahatonga ny afo avy any an-danitra hilatsaka sy handevona ny sorona; toy izany koa no nivavahan’i Salômôna ka nahatonga ny afo avy any an-danitra hilatsaka handevona ny sorona dorana manontolo.

11Fa hoy i Mosesy: ‹Satria tsy mba nohanina ny sorom-panalana ny ota, dia nolevonin’ny afo.›

12Ary toy ny fanao amin’ny fety hafa koa no nankalazan’i Salômôna ny fitokanana nandritra ny valo andro.

Nangonin’i Joda Makabeo ny boky tranainy

13«Ireo zava-nitranga ireo àry dia samy hita voatantara na ao amin’ny raki-tsoratra tranainy na ao amin’ny boky fitadidian’i Nehemià

. Hita ao koa ny nanorenan’i Nehemià tranom-boky sy ny nanangonany teo ny boky momba ny mpanjaka na ny mpaminany sy ny lahatsoratr’i Davida ary ny taratasin’ireo amperôra persianina momba ny fanomezana ho an’ny tempoly.

14Nangonin’i Joda Makabeo toy izany koa ny boky rehetra niely patrana nandritra ny ady natao taminay; ka eo an-tananay ireny boky ireny izao.

15Ka raha misy ilànareo amin’izany, dia maniraha olona hitondra azy ho aty aminareo.

Fanaingana hankalaza ny fanadiovana ny tempoly

16«Efa hankalaza ny fetin’ny fanadiovana ny tempoly àry izahay no manoratra aminareo ity taratasy ity mba hanainga anareo hankalaza izany andro izany koa.

17Efa namonjy ny vahoakany rehetra Andriamanitra, ary efa namerina taminy ny taniny sy ny fanjakana ary ny fisoronana sy ny fandraharahana masina ao an-tempoly,

18araka ny efa voalazany tao amin’ny bokin’ny lalàna. Koa antenaintsika Izy fa hamindrafo amintsika raha afaka kelikely sy hamory eto amin’ny tany masina ireo mpiray firenena jiosy avy any amin’ny tany rehetra ambanin’ny lanitra; satria ny tenantsika efa nafahany tamin’ny loza lehibe, ary ny tempoly efa nodioviny.»

Sasinteny nataon’ny mpanoratra

19Betsaka ny zava-dehibe nitranga tamin’ny andron’i Joda Makabeo sy ireo rahalahiny: ny fanadiovany ny tempoly lehibe sy ny fitokanany ny alitara

20ary koa ny ady nataony tamin’i Antiôkosa Epifàna sy tamin’i Eopatôra zanany.

21Niseho niharihany ny fitsimbinan’Andriamanitra an’ireo niady tamin-kafanampo hiarovana ny fivavahana jiosy; fa na dia vitsy aza ireo miaramila israelita, dia azony indray ny taniny manontolo ary nataony vaky nandositra ny tafika vahiny marobe.

22Voaveriny ho azy indray ilay tempoly malaza eran’izao tontolo izao, nafahany ny tanànan’i Jerosalema ary najorony indray ireo lalàna saika efa nofoanana. Izany rehetra izany no tanteraka, dia satria nomba azy ny Tompo tamin’ny famindrampo rehetra nanambinany azy.

23Boky dimy no nitantaran’i Jasôna avy any Sirena izany rehetra izany; fa boky iray kosa no hiezahako hamintinana azy.

24Tsapako manko fa maro loatra ny tarehimarika sady betsaka ny zavatra raketiny, hany ka ho sahirana tokoa izay te hanadihady ny fizotran’ny tantara.

25Koa nimasoako mihitsy mba hanjary mahafinaritra ny raharaha ho an’izay hianina hamaky fotsiny, mora ho an’izay te hitadidy ny zava-nitranga, ary mahasoa ho an’izay rehetra sendra hamadibadika ity boky ity.

26Ho ahy izay nisahana ny asa famintinana, dia tsy zavatra mora izany fa raharaha nitsembohana sy niaretan-tory.

27Tsy latsaka noho ny an’izay mandahatra ny fanasana ka mitady hahafa-po ny olona nasaina ny hasarotany; saingy mba hahatonga ahy ho mendrika ny fankasitrahan’ny mpamaky maro, dia zakaiko amin-kafaliana izany asa mavesatra izany.

28Ka ny filazana antsipiriany ny zava-nitranga tsirairay, dia avelako ho anjaran’ny mpanoratra ny tantara; fa ny soritra momba ny famintinana azy kosa no hikelezako aina harahina.

29Rehefa manorina trano vaovao, dia ny fitambaran’ny taotrano no adidin’ny tompomarika; fa ny mitady ny zavatra ilaina momba ny fanaingoana azy kosa no tsy maintsy ilofosan’ny miandraikitra n y handravaka sy handoko azy: toraka izany indrindra no anjara asako, araka ny hevitro.

30Ny mpandahatra ny tantara no mamotopototra izay lazainy sy mijery ny lafin-javatra rehetra ary mifantoka amin’ny antsipiriany rehetra,

31fa ny mpanao fandravonan-tantara kosa dia tokony homen-dalana hikendry ny famintimpintinan-javatra ary tsy mba hilaza feno ny zava-niseho.

32Aoka hatomboko amin’izao àry ny fitantarako, fa tsy hampiako intsony izay voalaza izay; satria hadalana ny lava fiteny alohan’ny tantara, nefa mifintina fiteny amin’ny tena tantara.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help