1Ny ampitson’iny, dia nomen’i Hôlôferna baiko ny tafiny manontolo sy ny miaramila rehetra izay nivonon-kiady miaraka aminy mba hiakatra hamely an’i Betolia sy haka ireo kisolosolon’ny faritra be tendrombohitra iny ary hiady amin’ny Israelita.
2Niainga handeha avokoa tamin’io andro io ny vatan-dehilahy matanjaka rehetra, ka tafika nahitana miaramila an-tongotra miisa antokony fitopolo amby zato ary koa mpitaingin-tsoavaly miisa antokony 12, ankoatra ny entana sy ny olona mpandeha an-tongotra misahana ireny; vahaoka tsy tambo isaina tokoa izany.
3Tao amin’ny lohasaha akaikin’i Betolia, teo anilan’ilay loharano indrindra, no nitobian’izy ireo; ary voatanany avokoa ny faritra rehetra izay mivelatra hatreo Dôtàna ka hatrany Belbaima tetsy ankilany ary hatreo Betolia ka hatrany Kiamôna tandrifin’i Jizrehela tetsy andaniny.
4Nivarahontsana ireo Israelita teo am-pahitana izany vahoaka tsy tambo isaina izany, ka dia nifampilaza hoe:
–Horavan’ireo olona ireo ny vohon-tany manontolo. Na tendrombohitra na hantsana na havoana dia tototry ny hamaroany.
5Dia samy nandray ny fiadiany avy ireto Israelita ary namelona afo teny amin’ny tilikambo fitiliana ary niambina nandritra iny alina manontolo iny.
6Ny ampitso dia nalahatr’i Hôlôferna teo imason’ny Israelita izay tao Betolia ny mpitaingin-tsoavaliny rehetra.
7Nosafoiny ny kisolosolo miakatra mankao an-tanàna. Dia hitany avokoa ireo loharano ka notanany ary nametrahany miaramila mpiambina; izay vao niverina tao an-toby i Hôlôferna.
8Tamin’izay ireo filoha edômita sy mpitari-tafika môabita ary ny komandin’ny faritra amoron-tsiraka no tonga nilaza taminy hoe:
9–Aoka ianao, ry mpifehy anay, mba hihaino teny indraim-bava, dia tsy hiharam-pahavoazana ny tafikao!
10Ireo Israelita ireo dia tsy miantehitra amin’ny fitaovam-piadiany, fa amin’ny toerana avo izay misy azy eny an-tendrombohitra onenany eny. Sarotra anihina manko ny tampon-tendrombohitra.
11Koa fadio re, tompoko, ny mifanandrina aminy toy ny fanao amin’ny ady milahatra, dia tsy hisy olona ho faty amin’ny tafikao na iray aza.
12Koa mitoera ao an-toby ianao, dia tazòny ho voaaro tsara ny miaramila rehetra amin’ny tafikao; ary aoka ireo mpanomponao no hitana ilay loharano eo am-bodin’ny tendrombohitra!
13Eo manko no mantsaka ny mponin’i Betolia. Ho resin’ny hetaheta ireo ary ho voatery hanolotra ny tanànany. Isika kosa hiaraka amin’ny tafintsika no haka ireo tampon-tendrombohitra akaiky ary hanao fiambenana eo mba hisakanana ny olona tsy hivoaka ny tanàna.
14Ho fatin’ny hanoanana ireo na lahy na vavy na ankizy; ka alohan’ny hamelezantsika sabatra azy, dia ho hita maty miampatrampatra eny an-tokotanim-ponenany eny izy rehetra.
15Famaizana mafy no hafitsokao aminy, satria nikomy taminao izy toy izay ho tonga hitsena anao amim-pihavanana.
16Sitrak’i Hôlôferna sy ireo manamboninahiny izany soso-kevitra izany ka nisy baiko nomena mba hanatanterahana azy, araka izay voalan’ny tompon-kevitra.
17Nisy miaramila hamônita niaraka tamin’ny antokon-tafika asirianina dimy nandeha naka toerana teo an-dohasaha sy naka ireo loharano fantsakan’ny Israelita.
18Ny Edômita sy ny Hamônita hafa kosa lasa naka ilay tendrombohitra tandrifin’i Dôtàna sy nandefa andian-tafika nianatsimo ary koa niantsinana, izany hoe teo anoloan’i Egrebela, tanàna akaikin’i Kosy sady teo amoron’ny renirano Môkmora. Ny tafika asirianina sisa dia nijanona teo amin’ny lemademaka izy rakotra azy manontolo. Ny tranolay sy ny entana dia niendrika toby midadasika izay nisy olona marobe, dia vahoaka tsy tambo isaina.
19Ireo Israelita kosa dia niantso vonjy tamin’ny Tompo Andriamaniny, satria efa nihaketraka. Nanodidina azy avokoa manko ny fahavalony ary tsy namela azy handositra.
20Ny tafika asirianina manontolo na miaramila an-tongotra na kalesy na mpitaingin-tsoavaly dia nanao fahirano azy nandritra ny efatra amby telopolo andro.
Nampaherezin’i Hozià ireo natao fahiranoEfa nandany ny tahirin-dranony avy ny mponina rehetra tao Betolia.
21Ny famorian-drano koa niharitra; ary nozaraina am-patra izany rano sisa izany ka tsy nisy na andro iray aza nahazoan’olona hiala hetaheta.
22Nihaosa ny ankizy; ny vehivavy sy ny zatovo, samy reraky ny hetaheta, dia nianjerazera teny an-kianja teny amin’ny vavahadin-tanàna, ary tsy nanan-kery intsony.
23Ny mponina rehetra, hatramin’ny zatovo sy ny zaza amam-behivavy aza, dia nivory teo amin’i Hozià sy ny filohan-tanàna; dia nanao fanakianana teo anatrehany sy teo anatrehan’ny loholona rehetra ireo sady nihorakoraka hoe:
24–Enga anie Andriamanitra no hitsara aminareo sy aminay! Nitera-pahavoazana mafy ho anay ianareo, tamin’ny nandavanareo hanao raharaham-pihavanana tamin’ny Asirianina.
25Ankehitriny kosa tsy misy olona hanampy antsika intsony, fa Andriamanitra efa nanolotra antsika ho eo am-pelatanan’ny fahavalo; ka dia ho fadiranovana tokoa isika ho fatin’ny hetaheta eo imason’ireo.
26Koa antsoy ary ny olon’i Hôlôferna mbamin’ny tafiny manontolo, dia atolory azy avokoa ny tanàna mba horobainy.
27Aleonay tonga voababon’ny Asirianina toy izay ho fatin’ny hetaheta; eny, ho mpanompony tokoa izahay kanefa mba ho velona aina ary tsy hahita ny zaza menavava ho faty eo imasonay na hahita ny vady aman-janakay hiala aina.
28Antsoinay ho vavolombelona ny tany aman-danitra, antsoinay ho vavolombelona ilay Andriamanitsika sady Tompon’ireo razantsika, dia ilay mitondra antsika araka ny fahotantsika sy ny fahotan’ny razantsika, samy antsoinay ho vavolombelona ireo fa mihanta aminareo izahay manao hoe: Aoka ianareo, amin’ity andro anio ity mba hanao zavatra hahafa-doza anay araka izany fangatahanay izany!
29Dia indray nitoloko mafy avokoa izy rehetra tafangona teo sady nidradradradra niantso vonjy tamin’ny Tompo Andriamanitra,
30ka nitenenan’i Hôzià hoe:
–Mahereza, ry havako! Aoka hahandry dimy andro isika fa hamindrafo amintsika ilay Tompo Andriamanitsika, satria tsy handao tanteraka antsika Izy!
31Fa rehefa lasa ireo dimy andro ireo, ka tsy nisy famonjena tonga ho antsika, dia hanao araka izay nangatahinareo aho.
32Avy eo dia noravan’i Hozià ny olona rehetra. Lasa ireo vatan-dehilahy namonjy ny toerany teny amin’ny mandan’ny tanàna sy teny amin’ny tilikambo fitiliana; ary ny zaza amam-behivavy kosa nody tany an-trano. Ketraka mafy tamin’izay ny mponina iray tanàna.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.