Isaià 66 - Malagasy Bible Interconfessionelle

Ny mpivavaka sandoka sy ny tena mpivavaka

1Izao no lazain’ny TOMPO:

«Ny lanitra no sezafiandrianako

ary ny tany no fitoeran-tongotro.

Koa trano toa inona moa no hataonareo ho Ahy?

Ary toerana toa inona no hialako sasatra?

2Fa izao rehetra izao dia nataon’ny tanako,

ka dia Ahy avokoa izao rehetra izao;

teny hentitra avy amiko TOMPO izany.

Kanefa ny olona tsinjoviko

dia ny mahantra sy ny torotoro fanahy

ary ny mandray ny teniko amin-kovitra.

3Ao ny manao sorona mamono omby,

kanefa mamono olona koa;

ao ny mamono zanak’ondry,

kanefa mamono alika koa;

ao ny manao fanatitra lafarinina,

kanefa manolotra ran-kisoa koa;

ao ny mandoro vovo-javamanitra ho Ahy,

kanefa manaja sampy koa.

Noho ireo nifidy izany lalana izany

sady finaritra amin’ny zava-maharikoriko,

4dia ho tahaka izany koa no hifidianako

ny fampahoriana hampiharina aminy

sy handatsahako ny loza mahatahotra azy.

Satria niantso azy Aho fa tsy nisy namaly izy,

ary niteny taminy Aho fa tsy nohenoiny akory.

Izay ratsy eo imasoko ihany no nataony

ary izay tsy sitrako no nofidiny.»

Firotsahan’ny Tompo an-tsehatra farany

5Mihainoa ny tenin’ny TOMPO ianareo

izay mandray ny teniny amin-kovitra:

«Misy mankahala anareo ny mpiray firenena aminareo

ka manilika anareo noho ny fanajanareo Ahy,

sady loa-bolana maneso anareo hoe:

‹Aoka ny TOMPO hampiseho ny voninahiny,

dia hahita anareo mandresy izahay!›

Kanjo ireny kosa no ho menatra.»

6Injany misy feo avy any an-tanàna,

misy feo avy ao amin’ny tempoly:

dia feon’ny Tompo Izay mamaly

ny nataon’ny fahavalony.

7Mbola tsy nihetsi-jaza akory, dia niteraka;

ary mbola tsy nanaintaina akory, dia velon-jaza!

8Iza no efa nandre sy nahita zavatra toy izany?

Tany anankiray ve hateraka indray andro monja?

ary firenena iray ve ho azo atao indray miteraka?

Kanefa izany no niseho tamin’i Tsiôna:

vao nihetsi-jaza izy, dia teraka ireo zanany.

9Ka hoy ny TOMPO Andriamanitrao hoe:

«Raha Izaho no nikarakara ny vehivavy iray

nandritra ny fitondràny vohòka,

dia tsy Izaho no hisakana ny hahaterahany.

Raha Izaho no nanomana ny fahaterahana,

dia tsy Izaho no hanao izay tsy hiterahany.»

10Ianareo rehetra izay tia an’i Jerosalema,

miaraha mifaly aminy, eny, miravoravoa.

Ianareo rehetra izay nisaona

noho ny loza nanjo azy,

aoka hiara-paly aminy tokoa!

11Dia ho vokin’ny fampiononana omeny ianareo

ary ho finaritra migoka ny zava-tsoa atosany,

tahaka ny zaza minono voatambitambin-dreniny.

12Fa izao tokoa no lazain’ny TOMPO:

«Indro hotarihiko hankao Jerosalema

ny fiadanana ka hihanaka toy ny ony;

ny haren’ny firenen-kafa hotarihiko hankao

ka ho tondraka toy ny renirano.

Hikarakara fatratra anareo Aho

toy ny ataon-dreny mampinono ny zanany

ka mitondra azy eo an-trotroany

sy mandrotsirotsy azy eo am-pofoany.

13Eny, ho toy ny reny mampionona ny zanany

no hampiononako anareo koa;

ary ao Jerosalema no hampiononako anareo!

14Dia ho tsapanareo amin’izany

fa ho dibo-kafaliana ny fonareo,

ary ny taolanareo efa maina hahazo hery indray

tahaka ny ahitra mirobona.»

Hataon’ny TOMPO fantatr’ireo mpanompo Azy ny fahefàny;

fa ho tezitra kosa amin’ny fahavalony Izy.

15Satria indro ny TOMPO fa tamy ao anaty afo,

miriotra toy ny rambon-danitra ny kalesiny.

Misafoaka erỳ Izy mampihatra ny fahatezerany

sy ny fandrahonany amin’ny lelafo miredareda.

16Fa amin’ny alalan’ny afo sy ny sabatra

no hitsaran’ny TOMPO ny olombelona rehetra;

ka maro no haringan’ny TOMPO,

17dia ireo mihambo hidio manokana

mba ho afa-miditra ao an-tanimboly

sy hipetraka aorian’ilay eo afovoany,

na koa ireo mihinana henakisoa

sy voalavo mbamin’ny zava-maharikoriko.

Ho indray levona avokoa ny fanao amam-pisainan’ireny.

Izany no teny hentitry ny TOMPO.

Famoriana goavana amin’ny andro farany

18Hoy koa ny TOMPO hoe: «Tonga Aho hanangona ny firenen-kafa rehetra sy ny samihafa fiteny rehetra, ka ho avy ireny mba hahita ny voninahitro.

19Hapetrako eo anivony ny mariky ny fahefàko. Ary ireo sisa velona tamin’ny fitsarako dia hirahiko ho any amin’ny vahoakan’i Tarsisy sy i Pola ary i Loda izay olona kinga amin’ny fandefasana zana-tsipîka, na hirahiko ho any Tobala sy i Javàna ary any amin’ireo nosy lavitra izay tsy mbola nandre ny lazako sady tsy mbola nahita ny voninahitro. Dia hotorîn’ireo irako any amin’ny hafa firenena ny voninahitro.

20Ary hitondra ireo rehetra mpiray firenena aminareo avy amin’ny firenen-drehetra kosa ireto hafa firenena ireto. Mitaingin-tsoavaly ny mpiray firenena aminareo, entina an-kalesy na am-pilanjana, mitaingina boriky na rameva hatrany an-tendrombohitro masina any Jerosalema. Izany no ho fanatitr’ireo hafa firenena ho Ahy TOMPO, ka horaisiko tahaka ny fanatitra entin’ireo Israelita ao anaty lovia madio hankao an-tranoko.

21Ary amin’ireo hafa firenena ireo koa, hoy AHO, dia hisy hofidiko ho mpisorona sy levita.»

22Dia hoy ny teny hentitry ny TOMPO hoe: «Ny taranakareo sy ny lazanareo dia haharitra eo anatrehako, tahaka ny haharetan’ny habakabaka vaovao sy tany vaovao izay hataoko.

23Amin’izay, hoy AHO isaky ny tonga

ny tsinam-bolana sy ny sabata,

dia ho avy hiankohoka eo anatrehako

ny olombelona rehetra.

24Ary raha sendra misy mivoaka ny tanàna,

dia hahita ny fatin’ny olona izay nikomy tamiko;

fa ny kankana mihinana azy tsy ho faty,

ary ny afo mandoro azy tsy ho levona,

ka hahatsiravina ny olona rehetra ireo.»

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help