Fahendrena 13 - Malagasy Bible Interconfessionelle

1Fahadalana tsotra izao ny an’ny olona rehetra

izay minia tsy mahalala an’Andriamanitra.

Ny soa hita maso tsy nahafahany nahalala

an’Ilay hatrizay ka ho mandrakizay;

ary ny fandinihina ireo asany

tsy nahafantarany an’Ilay Mpanao azy.

2Fa izay nataony ho andriamanitra

mpitondra izao tontolo izao

dia ny afo, ny rivotra, ny tsio-drivotra,

ny antokon-kintana, ny rano mivatravatra

na ny masoandro sy ny volana.

3Raha sodokan’ny hatsàran’ireo izy

ka nanao azy ho andriamanitra,

dia aoka ho fantany fa ny Tompo

dia mihoatra lavitra noho ireny;

satria Ilay loharanon’ny hatsaran-tarehy

no nahary an’ireo zava-boaary ireo.

4Ary raha talanjon’ny heriny

sy ny fahombiazany izy,

dia aoka ho fantany amin’izany

fa mahery lavitra Ilay nanao azy.

5Fa ny fahalehibeazana sy hatsàran-tarehy

ananan’ny zava-boaary

dia mampisaina antsika ny Mpahary azy

noho ny fifanahafan’izy roa tonta.

6Ireo olona ireo, na izany aza,

dia tsy azo omen-tsiny be loatra,

satria ny fitadiavana an’Andriamanitra

sy ny faniriana hahita Azy

no mety ho nampivily lalana azy.

7Hodidinin’ny asan’Andriamanitra izy

ka mandinika azy ireny fatratra;

sodokan’ny endrika isehoany izy

fa tsara tarehy loatra izay hitany.

8Tsy mahafa-tsiny azy tanteraka anefa izany,

satria raha nahazo fahalalana ampy

9hahafahany maminavina

ny fizotran’izao tontolo izao,

dia ahoana kosa no tsy nahitany haingana

ny Tompon’ireo zavatra dinihiny ireo?

Ny sampy: ny ohatry ny mpikapa hazo

10Fa mahantra loatra ny olona

izay manankina ny fanantenany

amin-java-tsy mananaina,

dia izay miantso ho andriamanitra

ny asan-tanan’olombelona:

dia ny volamena sy volafotsy

voatefy tam-pikaliana

sy maneho sarin-java-mananaina

na ny vato tsy ahoan-tsy ahoana

saingy voasikotry ny mpahay asan-tanana fahiny.

11Indro koa ohatra ny mpikapa hazo iray:

Nitsofa hazo mora entina izy;

dia hodirany amim-pitandremana izany

ka amboariny amim-pahakingana

ary amoronany fitaovana fampiasa

amin’ny fiainana andavanandro.

12Fa ny ambin-kazo kosa dia hataony kitay

hahandroan-kanina hivokisany.

13Ary ny ambin-kazo iray sisa

izay tsy misy ilana azy intsony

satria meloka sy feno tonontoniny,

dia raisiny sy kapakapainy ho fanalana andro,

ary amboariny amim-pahakingana sy fahaizana

ka omeny endrik’olombelona

14na ataony mitovy amin’ny biby ratsy;

dia lokoany izany ka hosorany loko mena midorehitra,

ary voasarona avokoa ny pentina rehetra taminy.

15Avy eo dia fonenana sahaza azy no omaniny

ka apetrany manolotra amin’ny rindrina

ary apetany amin’ny fantsika.

16Tandremany tsara tsy hianjera izany;

fantany manko fa io tapa-kazo io

dia tsy mahavonjy tena akory,

satria sarin-tsampy mila tohana ihany.

17Saingy izy rehefa mivavaka ho an’ny fananany

na ho an’ny fanambadiany na ho an’ny zanany,

dia tsy menatra ny hiteny

amin’io zava-tsy mananaina io.

Amin’izay tsy manan-kery no angatahany fahasalamana;

18amin’izay maty no italahoany fiainana;

amin’izay tsy mahay na inona na inona

no itadiavany fiarovana;

ary amin’izay tsy afa-mamindra akory

no angatahany ny ho tsara dia.

19Farany, mba hahatsara ny fivelomany

sy hampandroso ny raharaha ataony

ary hampahomby ny asan’ny tanany,

amin’izay osa tanana indrindra

no angatahany fahatanjahana.

Ohatra hafa momba ny fivavahana amin’ny sampy
Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help