Salamo 76 - Malagasy Bible Interconfessionelle

SALAMO Natsahatr’Andriamanitra tao Tsiôna

ny ady

1 Tao amin’ny tahirin-kiran’ny filohan’antoko-mpihira. Hampiarahina amin’ny valiha. Salamo nataon’i Asafa. Tononkira.

2Fantatra eo amin’i Joda Andriamanitra;

lehibe eo amin’i Israely ny lazany.

3Ao Salema ny trano itoerany

ary ao Tsiôna ny fonenany.

4Tao no namotehany ny fitaovam-piadiana,

dia ny tsipîka manelatra sy ny ampinga ary ny sabatra.

Fiatoana

5Andriamanitra ô, mahatahotra Ianao,

avo manerinerina noho ny tendrombohitra fahagola.

6Voaroba mbamin’ny miaramila mahery fo,

satria renoky ny torimaso ireo;

ankona tsy nahahetsika avokoa

ireny lehilahy matanjaka ireny.

7Ry Andriamanitr’i Jakôba ô, nandrahona Ianao

ka nitsatoka teo ny soavaly sy ny mpitaingina azy.

8Eny, mahatahotra tokoa Ianao!

Ka iza no hahajanona eo anoloanao,

rehefa mipoaka ny fahatezeranao?

9Avy any an-danitra no amoahanao didim-pitsarana;

Andriamanitra ô, raiki-tahotra ny tany ka mangina,

10fony Ianao nitsangana hilaza ny fanapahan-kevitrao

hamonjy ny malahelo rehetra eto amin’ny tany.

Fiatoana

11Na dia ny fahatezeran’i Edôma aza

dia hanjary fiderana Anao;

ary ny olona sisa tavela any Hamata

dia hataonao manaiky Anao.

12Manaova voady amin’ny TOMPO Andriamanitrareo,

ary efao aminy izany;

ianareo firenen-drehetra manodidina,

mitondrà fanatitra

ho an’ilay Andriamanitra mahatahotra;

13fa Izy no mampiato ny reharehan’ireo andriana

sady mampahatahotra an’ireo mpanjakan’ny tany.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help