Tôbita 12 - Malagasy Bible Interconfessionelle

Nambaran’i Rafaela ny maha izy azy

1Rehefa tapitra ny lanonam-panambadiana, dia nantsoin’i Tôbita i Tôbià zanany ka nitenenany hoe:

–Anaka, imasoy ny handoa ny karaman’ilay mpiara-dia taminao ary ampio valisoa izany.

2Dia novalian’i Tôbià hoe:

–Hoatrinona, ry dada, no karama homeko azy? Na dia ny antsasaky ny fananana niarahanay nitondra nody aza no homena azy, dia mbola tsy mahafaty antoka ahy izany.

3Izy manko no nahatafaverina ahy soa aman-tsara, izy no nanasitrana ny vadiko, izy no nanampy ahy hahazo ilay vola, ary izy no nanasitrana anao. Hoatrinona no karama azoko omena azy amin’izany rehetra izany?

4Ka hoy i Tôbita hoe:

–Rariny, anaka, ny handraisany ny antsasaky ny zavatra rehetra tongany teto.

5Dia nantsoin’i Tôbià i Rafaela, ary nilazany hoe:

–Raiso ho karamanao ny antsasaky ny zavatra rehetra tonganao teto; ary modia soa aman-tsara any an-tranonao.

6Tamin’izay i Rafaela no niantso azy mianaka mitokana ka niteny taminy hoe:

–Ankalazao Andriamanitra ary ataovy antso avo eo anatrehan’ny zava-mananaina rehetra ny soa nataony taminareo, mba hankalazany sy hiderany koa ny anarany. Ampahafantaro ny olona rehetra ny asan’Andriamanitra araka ny mendrika ireny. Aza mitsahatra manao antso avo Azy.

7Tsara afenina ny tsiambaratelon’ny mpanjaka, fa tsara ambara sy ankalazaina kosa ny asan’Andriamanitra araka ny mendrika ireny.

«Manaova ny tsara, dia tsy hisy ratsy hahatratra anareo.

8Ny vavaka araka ny tena izy sy ny fiantrana araka ny fahitsiana dia tsara kokoa noho ny harena tsy ara-drariny; tsara kokoa ny manao fiantrana noho ny manangona volamena.

9Ny fiantrana no manafaka amin’ny fahafatesana, ary izy no manadio ny fahotana isan-karazany.

10Izay manao fiantrana dia ho lava andro iainana; fa izay manao fahotana sy tsy rariny dia fahavalon’ny tenany.

11«Hasehoko anareo izao ny marina manontolo ka tsy hisy na inona na inona hafeniko aminareo. Efa nampahafantariko sy nolazaiko taminareo ny hoe tsara afenina ny tsiambaratelon’ny mpanjaka fa tsara ambara kosa ny asan’Andriamanitra araka ny halehibiazany.

12Koa izao àry: fony ianao nivavaka iny, ry Tôbita, ary fony nivavaka iny koa i Sarà, dia izaho no nanolotra izany vavaka fampahatsiarovana nataonareo izany teo anatrehan’ny Tompo be voninahitra; fony ianao nandevina ny maty, dia mbola izaho koa no nanolotra ny asanao.

13Fony ianao tsy nisalasala nitsangana niala teo an-databatra ka nandao ny sakafonao mba handevina ilay faty, dia tamin’iny fotoana iny indrindra no nanirahan’Andriamanitra ahy ho aty aminao mba hitondra fitsapana ho anao.

14Kanefa Andriamanitra ihany koa no naniraka ahy mba hanasitrana anao sy hanasitrana an’i Sarà vinantovavinao.

15Izaho no i Rafaela, anankiray amin’ireo anjely fito izay eo anoloan’ny Tompo be voninahitra ary vonon-kanompo Azy.»

16Dia nivarahontsana sy feno tahotra i Tôbita sy ny zanany, ka lavo tafahohoka tamin’ny tany;

17fa hoy ilay anjely tamin’izy mianaka:

–Aza matahotra ianareo! Ho aminareo anie ny fiadanana! Mankalazà an’Andriamanitra amin’ny fotoana rehetra.

18Tsy niankina tamin’ny nahim-poko ny naha teo aminareo ahy fa niankina tamin’ny sitrapon’Andriamanitra; koa Izy no ankalazao sy derao isan’andro vaky.

19Toa hitanareo nisakafo aho, kanefa tsy nisakafo akory aho, fa fahitana ihany no hitanareo.

20Koa ny Tompo no ankalazao eto ambonin’ny tany ary Andriamanitra no ataovy antso avo. Indro aho fa hiverina any amin’Ilay naniraka ahy. Ianareo kosa manaova an-tsoratra ny zavatra rehetra nitranga taminareo.

Tamin’izay i Rafaela no niverina ho any an-danitra.

21Dia niarina i Tôbita sy ny zanany lahy fa tsy afa-nahita azy intsony.

22Nankalaza sy nidera an’Andriamanitra izy mianaka, ary nanao antso avo ny asa lehibe izay vitany, rehefa nisy anjelin’Andriamanitra niseho mba ho fanasoavana azy.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help