Hebreo 8 - Malagasy Bible Interconfessionelle

I Jesoa Mpisoromben’ny Fanekempihavanana Vaovao

1Izao no vontoatin’ny zavatra lazainay: Mpisorombe toy izany no ananantsika, ary Mpisorombe efa mipetraka any an-danitra eo ankavanan’ny sezafiandrianan’ilay Andriamanitra lehibe.

2Mpanao fanompoam-pivavahana ao amin’ny Toeramasina Izy, dia ao amin’ny tena tranolay izay naorin’ny Tompo fa tsy naorin’olombelona.

3Ny mpisorombe rehetra dia tendrena mba hanolotra fanatitra sy sorona; ka dia tsy maintsy hanan-katolotra koa ilay Mpisorombentsika.

4Raha etỳ an-tany Izy, dia tsy ho mpisorona akory, fa efa misy rahateo ireo mpisorona manolotra fanatitra araka ny lalàna jiosy.

5Ny fanompoam-pivavahana ataon’ireo mpisorona ireo dia sarintsary sy tandindon’ny ao an-danitra fotsiny; tahaka ny natoron’Andriamanitra tamin’i Mosesy ihany izany, fa nony efa hanao ny tranolay izy dia nilazan’Andriamanitra hoe: «Tandremo mba ho araka ny ohatra nasehoko anao tany an-tendrombohitra no hanaovanao ny zavatra rehetra.»

6Fa ankehitriny i Jesoa dia nanankinana fanompoam-pivavahana tsara lavitra noho ny an’ireo mpisorona ireo, satria Izy no mpanalalana amin’ny Fanekempihavanana tsara lavitra izay miorina amin’ny fampanantenana tsara lavitra.

7Raha tsy nanan-tsiny tokoa ilay Fanekempihavanana voalohany, dia tsy nilaina hisy faharoa hisolo azy.

8Kanefa omen’Andriamanitra tsiny ny vahoakany, raha ilazany hoe:

«Indro fa avy ny andro, hoy ny Tompo,

izay hanaovako Fanekempihavanana Vaovao

amin’ny mponin’i Israely sy amin’ny mponin’i Joda.

9Nefa tsy mba Fanekempihavanana mitovy amin’izay

nataoko tamin’ny razany,

tamin’ny andro nitantanako azy hivoaka ny tany Ejipta;

tsy nahatritra tamin’izany Fanekempihavanana nataoko izany ireo,

koa dia tsy niraharaha azy Aho, hoy ny Tompo.

10Fa izao no Fanekempihavanana hataoko amin’ny

vahoaka Israely

rehefa afaka izany andro izany, hoy ny Tompo:

Hataoko ao an-tsainy ny lalànako,

ary hosoratako ao am-pony;

dia ho Andriamanitr’ireo Aho,

ary izy ho vahoakako!

11Ka samy tsy hisy hampianatra ny mpiray firenena aminy

na hampianatra ny havany intsony hanao hoe:

‹Mahalalà ny Tompo!›

Fa samy hahalala Ahy avokoa izy rehetra,

hatramin’ny kely indrindra ka hatramin’ny lehibe indrindra.

12Havelako tokoa ny helony

ary tsy hotsarovako intsony ny fahotany.»

13Matoa milaza Fanekempihavanana Vaovao Andriamanitra, dia nambarany ho efa tranainy ilay voalohany; fa izay efa tranainy sy mihatonta dia madiva ho levona.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help