Salamo 72 - Malagasy Bible Interconfessionelle

SALAMO Vavaka mba hitahian’Andriamanitra ny mpanjaka

1 Tao amin’ny tahirin-kiran’i Salômôna.

Andriamanitra ô, omeo ny mpanjaka

izany fahaizanao mitsara;

omeo ity taranak’andriana

izany fitandroanao ny rariny.

2Aoka hoentiny ara-drariny sy hitsiny

ireo malahelonao, dia ny vahoakanao.

3Koa fanambinana sy rariny ho an’ny vahoaka anie

no hovokarin’ny tendrombohitra sy ny havoana!

4Homeny rariny sy hovonjeny anie

ny malahelo sy ny mahantra amin’ny vahoaka,

fa ny mpamoritra kosa hopotehiny!

5Enga anie ity mpanjaka ity sy ireo taranany

haharitra mandritra ny taona mifandimby,

raha mbola hamiratra koa ny masoandro

ary mbola hanazava koa izany volana!

6Aoka izy ho tahaka ny erika mifafy amin’ny vilona,

ho tahaka ny oram-baventy manondraka ny tany!

7Amin’ny androny anie dia hamony ny rariny

ary hiroborobo mandavantaona ny fiadanana!

8Aoka izy hanjaka hatreo amin’ny ranomasina

ka hatrany amin’ny ranomasina hafa,

ary hanjaka manomboka amin’ny ony Eofrata

ka tafapaka amin’ny faran’ny tany!

9Ny mpanohitra azy handohalika eo anoloany

ary ny fahavalony hihohoka am-bovoka.

10Ny mpanjakan’i Tarsisy sy ny an’ireo nosy

dia handefa fanomezana ho azy;

ny mpanjakan’i Sabà sy ny an’i Sebà kosa

ho avy handoa hetra aminy.

11Ny mpanjaka hafa rehetra

hiankohoka eo anatrehany;

ary ny firenen-drehetra hanompo azy.

12Eny, hafahan’ity mpanjaka ity

ny mahantra miantso vonjy aminy

sy ny ory tsy mba manan-kanampy.

13Hangorahany ny osa sy mahantra

ka hovonjeny ny ain’izy ireo,

14hotsoahany amin’ny fampahoriana

sy amin’ny fanaovana an-keriny

satria sarobidy eo imasony.

15Ho ela velona anie ny mpanjaka!

Aoka ho volamena avy any Sabà

no hatao fanomezana ho azy!

Enga anie izy harahim-bavaka lalandava

sady horarîna soa isan’andro isan’andro!

16Hahavokatra vary betsaka anie ny tany;

hatrany an-tampon-tendrombohitra aza

no aoka hihondrahondra ny vokatra

ka hilonjehitra toy ny any Libano ny salohy!

Ary ny mponina isan-tanàna anie

hiroborobo toy ny ahitra eny an-tsaha!

17Ny lazan’ny mpanjaka anie ho mandrakizay

ka hitatra hatrany eto ambany masoandro!

Izy anie ho fitahiana ireo fokon’ny tany tontolo

ka hataon’ny firenena rehetra hoe: «Sambatra!»

18Hisaorana anie ny TOMPO Andriamanitr’i Israely,

Ilay hany mahefa zava-mahagaga!

19Hisaorana mandrakizay anie ny anarany malaza;

ary aoka ny tany tontolo ho henika ny voninahiny!

Amen! Amen!

20 Tapitra eto ny tonombavak’i Davida zanakalahin’i Jisay.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help